bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 12
Numbers 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
1
Ary i Miriama sy i Arona dia niteny nanome tsiny an’i Mosesy noho ny vehivavy kosita izay nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy kosita izy.
2
Hoy izy mianadahy: Moa i Mosesy ihany va no nitenenan’NY TOMPO fa tsy izahay koa mba nitenenany? Dia ren’NY TOMPO izany.
3
I Mosesy anefa dia lehilahy malemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra etỳ ambonin’ny tany.
4
Ary NY TOMPO niteny tampoka tamin’i Mosesy sy i Arona ary i Miriama hoe: Mivoaha ho any amin’ny tranolay fihaonana ianareo telo mianadahy. Dia nivoaka ny toby izy telo mianadahy.
5
Ary nidina tamin’ny andry rahona NY TOMPO ka nijoro teo am-baravaran’ny tranolay; dia niantso an’i Arona sy i Miriama Izy ka nivoaka ny toby izy mianadahy.
6
Dia hoy Izy: Mba henoy ny teniko! Raha misy mpaminanin’NY TOMPO eo aminareo dia amin’ny fahitana no ampahafantarako ny tenako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.
7
Fa tsy toy izany kosa i Mosesy mpanompoko izay mahatoky amin’ny tranoko manontolo.
8
Mifanatrika no itenenako aminy, amin’ny teny mazava fa tsy amin’ny ankamantatra ary mandinika ny endriky NY TOMPO mihitsy izy. Koa nahoana ianareo no tsy matahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?
9
Dia nirehitra tamin’izy mianadahy ny fahatezeran’NY TOMPO ary lasa Izy.
10
Ary ny rahona dia niala tamin’ny tranolay; ary indro, tonga boka i Miriama ka fotsy tahaka ny orampanala. Ary nijery an’i Miriama i Arona ka indro fa lasa boka ny anabaviny.
11
Ary hoy i Arona tamin’i Mosesy: Indrisy, tompoko, mifona aminao re, aza atao ho helokay ny nanaovanay hadalana sy ny nanotanay.
12
Aza dia avela ho toy ny zaza maty vao teraka izy ka lany sahady ny antsasaky ny nofony.
13
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho mba sitrano re izy!
14
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany ny rainy, moa tsy ho afa-baraka hafitoana va izy? Koa atokana any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, izay vao hiverina indray izy.
15
Dia natokana tany ivelan’ny toby hafitoana i Miriama; ary tsy niainga ny olona raha tsy efa tafaverina i Miriama.
16
Rehefa afaka izany vao niainga niala tany Hazerota ny olona ka nitoby tany an-tany efitra Parana.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36