bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 3
Numbers 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
1
Izao no taranak’i Arona sy i Mosesy tamin’ny andro nitenenan’NY TOMPO tamin’i Mosesy teo amin’ny tendrombohitra Sinay.
2
Toy izao ny anaran’ireo zanakalahin’i Arona: I Nadaba lahimatoa, i Abiho, i Eleazara ary Itamara.
3
Ireo no anaran’ny zanakalahin’i Arona, dia ny mpisorona voahosotra, izay natokana hanao fisoronana.
4
Maty teo anatrehan’NY TOMPO i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO tany amin’ny tany efitr’i Sinay, sady samy tsy nanan-janaka izy mirahalahy. Koa i Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana teo anatrehan’i Arona rainy.
5
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
6
Ampanatony ny fokon’i Levy ka atsangano eo anatrehan’i Arona mpisorona mba hanampy azy.
7
Hitandrina ny anjara raharahan’i Arona sy ny anjara raharahan’ny fiangonana manontolo eo anoloan’ny tranolay fihaonana izy ireo ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely.
8
Hitandrina ny fanaka rehetra momba ny tranolay fihaonana sy ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely izy ireo ka hanao ny fanompoana ao amin’ny tabernakely.
9
Homenao an’i Arona sy ireo zanany lahy ny levita, fa efa nomena azy mihitsy avy amin’ny Zanak’Israely ireo.
10
I Arona sy ireo zanany lahy no hotendrenao hitandrina ny fisoronany, fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.
11
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
12
Indro Aho efa naka ny levita avy tamin’ny Zanak’Israely ho solon’ny lahimatoa rehetra izay voalohan-teraka eo amin’ny Zanak’Israely, koa Ahy ny levita.
13
Satria Ahy ny lahimatoa rehetra; tamin’ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin’ny tany Ejipta no nanamasinako ny voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Israely ho Ahy, na olona, na biby fiompy: Ahy ireo. Izaho no TOMPO.
14
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ny tany efitr’i Sinay hoe:
15
Isao ny levita araka ny fianakaviany; ny lahy rehetra eo aminy hatramin’ny iray volana no ho miakatra no hisainao.
16
Ary nanisa azy ireo i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO, dia araka izay efa nandidiana azy.
17
Izao no zanakalahin’i Levy, araka ny anarany: I Gersona sy i Kehata ary i Merary.
18
Ireto kosa ny anaran’ireo zanakalahin’i Gersona, araka ny fianakaviany: I Libny sy i Simey.
19
Ny zanakalahin’i Kehata, araka ny fianakaviany, dia i Amrama, i Jizara, i Hebrona ary i Oziela.
20
Ny zanakalahin’i Merary indray, araka ny fianakaviany, dia i Maly sy i Mosy. Ireo no fokon’ny levita, araka ny fianakaviany.
21
Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Libnita sy ny Simeita: Ireo no fianakavian’ny Gersonita.
22
Izay voaisa, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia dimanjato sy fito arivo.
23
Ny fianakavian’ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ny tabernakely, avy eo andrefany.
24
Ny lohan’ny fianakavian’ny Gersonita dia i Eliasafa, zanak’i Laela.
25
Ny anjara raharahan’ireo zanak’i Gersona eo amin’ny tranolay fihaonana dia ny tabernakely, ny lay, ny rakotra eo aminy, ny varavarana lamba amin’ny varavaran’ny tranolay fihaonana,
26
ny fefy lamba amin’ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ny vavahadin’ny kianja izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehy rehetra momba azy.
27
Avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Amramita, ny fianakavian’ny Jizarita, ny fianakavian’ny Hebronita ary ny fianakavian’ny Ozielita; ireo no fianakavian’ny Kehatita.
28
Ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia eninjato sy valo arivo.
29
Ny fianakavian’ny zanak’i Kehata dia hitoby eo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tabernakely.
30
Ny lohan’ny fianakavian’ny Kehatita dia i Elizafana, zanak’i Oziela.
31
Ny anjara raharahany dia ny vata misy ny Vavolombelona, ny latabatra, ny fitoeran-jiro, ny alitara roa sy ireo fanaky ny fitoerana masina, izay ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana, ary koa ny varavarana lamba mbamin’izay zavatra rehetra momba azy.
32
Ny lehiben’ireo lohan’ny levita dia i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, izay lehiben’ireo mpitandrina ny anjara raharaha ny amin’ny fitoerana masina.
33
Avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Malita sy ny fianakavian’ny Mosita. Ireo no fianakavian’i Merary.
34
Izay voaisa, araka ny isan’ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia roanjato sy enina arivo.
35
Ny lohan’ny fianakavian’i Merary dia i Zoriela, zanak’i Abihaila. Ireo no hitoby eo amin’ny lafiny avaratra amin’ny tabernakely.
36
Ny anjara raharahan’ny zanak’i Merary dia ny hazo fisaka amin’ny tabernakely, ny barany, ny andriny, ny faladiany ary ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny zavatra rehetra momba azy,
37
ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day ary ny kofehy momba azy.
38
Ny hitoby eo anoloan’ny tabernakely, eo atsinanany, izany hoe eo anoloan’ny tranolay fihaonana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia i Mosesy sy i Arona ary ireo zanany, izay mpitandrina ny anjara raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara raharahan’ny Zanak’Israely; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.
39
Ny tontalin’izay voaisa avy tamin’ny levita, dia izay nisain’i Mosesy sy i Arona araka ny didin’NY TOMPO, avy tamin’ny fianakaviany, ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo sy roa alina.
40
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Isao ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely hatramin’ny iray volana no ho miakatra ka alao isa araka ny anarany.
41
Alao ho Ahy ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely. Izaho no TOMPO. Ny biby fiompin’ny levita dia ho solon’ny voalohan-teraka rehetra amin’ny biby fiompin’ny Zanak’Israely.
42
Dia nisain’i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO azy.
43
Ny lahimatoa rehetra izay nisaina, araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny iray volana no ho miakatra, dia telo amby fitopolo sy roanjato sy roa arivo sy roa alina.
44
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
45
Alao ny levita ho solon’ny lahimatoa rehetra eo amin’ny Zanak’Israely, ary ny biby fiompin’ny levita ho solon’ny biby fiompiny. Ahy ny levita. Izaho no TOMPO.
46
Ny amin’ny fanavotana ireo telo amby fitopolo sy roanjato amin’ny lahimatoan’ny Zanak’Israely, izay mihoatra noho ny isan’ny levita,
47
dia hakanao sekela dimy isan’olona; araka ny sekela masina no hakanao azy, gera roapolo ny sekela iray.
48
Homenao an’i Arona sy ireo zanany ny vola ho fanavotana an’ireo mihoatra isa ireo.
49
Ary i Mosesy dia nandray ny vola avotr’ireo izay nihoatra tamin’ny isan’ireo voaavotry ny levita;
50
tamin’ny lahimatoan’ny Zanak’Israely no nandraisany ny vola, dia sekela dimy amby enimpolo sy telonjato sy arivo, araka ny sekela masina.
51
Dia nomen’i Mosesy an’i Arona sy ireo zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36