bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 19
Numbers 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
1
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona:
2
Izao no lalàna hotandremana, dia izay nandidian’NY TOMPO: Lazao amin’ny Zanak’Israely mba hitondra vantotra ombivavy mena iray, izay tsy misy kilema na tsiny sady mbola tsy nasiana zioga.
3
Omeo an’i Eleazara mpisorona iny, dia hasaina hoentina eny ivelan’ny toby ka hovonoina eo anatrehany.
4
Dia hanalan’i Eleazara mpisorona amin’ny fanondrony ny rany ka hafafiny impito manandrify ny tranolay fihaonana.
5
Hodorana eo imasony ilay vantotra ombivavy ka ny hodiny sy ny henany ary ny rany mbamin’ny tain-drorohany dia hodorana avokoa.
6
Ary ny mpisorona dia haka hazo sedera sy hisopa ary jaky ka hanipy izany eo afovoan’ny afo andoroana ny vantotra ombivavy.
7
Dia hosasan’ny mpisorona ny fitafiany ary handro amin’ny rano izy; avy eo dia hankao amin’ny toby izy, nefa haloto mandra-paharivan’ny andro ilay mpisorona.
8
Izay mandoro ilay ombivavy dia hanasa ny fitafiany sady handro amin’ny rano ary haloto mandra-paharivan’ny andro koa.
9
Hangonin’ny lehilahy madio iray ny lavenon’ilay vantotra ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ny toby, eo amin’izay toerana madio, dia hotahirizina ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely izy io ho rano fanadiovana. Fanatitra fanadiovana izany.
10
Ary ilay nanangona ny lavenon’ny vantotra ombivavy dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ny andro izy. Ho lalàna maharitra ho an’ny Zanak’Israely sy ny mpifindra monina eo aminy izany.
11
Izay mikasika fatin’olona dia haloto mandritra ny hafitoana.
12
Hanadio ny tenany amin’izany rano izany izy amin’ny andro fahatelo, ary amin’ny andro fahafito vao hadio; fa raha tsy manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo kosa izy dia tsy hadio amin’ny andro fahafito.
13
Izay rehetra mikasika faty, olona maty izany, ka tsy manadio ny tenany, dia mandoto ny tabernakelin’NY TOMPO ka hofongorana tsy ho amin’ny Israely. Satria tsy nofafazana ny rano fanadiovana izy dia haloto; mbola eo aminy ihany ny fahalotoany.
14
Izao no lalàna, raha misy olona maty ao an-day: Izay rehetra miditra ao an-day sy izay rehetra ao anatin’ny tranolay dia haloto hafitoana.
15
Ny fanaka rehetra misokatra, izay tsy misy rakotra mifehy aminy, dia haloto.
16
Izay rehetra mikasika izay matin-tsabatra any an-tsaha, na fatin’olona na taolan’olona na fasana, dia haloto hafitoana.
17
Dia hakana ho an’ny voaloto ny lavenon’ilay nodorana ho fanatitra fanadiovana ary hatao eo amin’ny lovia nasiana rano nalaina tamin’ny rano mandeha.
18
Dia haka hisopa ny lehilahy madio iray ka hanatsoboka azy ao amin’ilay rano ao anaty lovia, dia hafafiny amin’ny tranolay mbamin’ny fanaka rehetra izany, ary koa amin’ny olona izay eo sy amin’ilay nahakasika ny taolana, na amin’izay novonoina na amin’izay matin’aretina na amin’ny fasana.
19
Ary ilay madio dia hamafy rano an’ilay voaloto amin’ny andro fahatelo sy ny fahafito; dia hanadio ny tenany izy amin’ny andro fahafito ka hanasa ny fitafiany sy handro amin’ny rano, ary hadio rehefa hariva.
20
Fa ny olona izay voaloto kosa ka tsy nanadio ny tenany dia hofongorana tsy ho eo amin’ny fiangonana satria nandoto ny fitoerana masin’NY TOMPO izy; tsy nafafy taminy ny rano fanadiovana, koa maloto izy.
21
Ho lalàna maharitra ho anareo izany, fa izay mamafy ny rano fanadiovana dia hanasa ny fitafiany; ary izay mikasika ny rano fanadiovana koa dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
22
Ny zavatra rehetra izay voakasiky ny maloto dia haloto; ny olona izay mikasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36