bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 27
Numbers 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 28 →
1
Ary avy ireo zanakavavin’i Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’i Manase, zanak’i Josefa, ary izao avy no anarany: i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
2
Izy ireo dia nitsangana teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona ary teo anatrehan’ireo lohan’ny fiangonana sy ny fiangonana manontolo, teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ka niteny hoe:
3
Ny rainay dia maty tany an-tany efitra, kanefa tsy mba isan’ny antokon’i Kora izay niangona hikomy tamin’NY TOMPO akory; fa ny fahotan’izy tenany no nahafaty azy, ary tsy nanan-janakalahy izy.
4
Nahoana ny rainay no ho maty maso eo amin’ny fianakaviany na dia tsy nanan-janakalahy aza izy? Mba omeo zaratany eo amin’ny rahalahin’ny rainay izahay.
5
Ary nalahatr’i Mosesy teo anatrehan’NY TOMPO ny raharahan’ireo.
6
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
7
Marina ny tenin’ny zanakavavin’i Zelofada: Omeo zaratany eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy; dia ampandovay ny zaratanin’ny rainy izy.
8
Ary lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy maty ka tsy manan-janakalahy dia ny zanany vavy no hampandovainareo ny zarataniny.
9
Ary raha tsy manan-janakavavy izy dia ny rahalahiny no homenareo ny zarataniny.
10
Ary raha tsy manan-drahalahy izy dia ny rahalahin-drainy no homenareo ny zarataniny.
11
Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy dia ny havany akaiky azy amin’ny fianakaviany no homenareo ny zarataniny, koa izy no handova azy. Ho lalàna hitondrana ny Zanak’Israely izany araka ny didy nomen’NY TOMPO an’i Mosesy.
12
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Miakara amin’irỳ tendrombohitra Abarima irỳ ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’Israely.
13
Ary rehefa hitanao izany dia hangonina any amin’ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’i Arona rahalahinao;
14
fa nandà ny teniko ianareo tany an-tany efitra Zina, tamin’ilay nilan’ny fiangonana ady ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ny rano teo imasony. Izany no ranon’i Meriba, any Kadesy, any an-tany efitra Zina.
15
Ary niteny tamin’NY TOMPO i Mosesy hoe:
16
Aoka NY TOMPO, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, hanendry lehilahy izay hitandrina ny fiangonana
17
ka hivoaka mialoha azy sy hiditra mialoha azy, ary hitarika azy hivoaka sy hitarika azy hiditra mba tsy ho tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonan’NY TOMPO.
18
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Alao i Josoa, zanak’i Nona, izay lehilahy manam-panahy ka ametraho ny tananao izy.
19
Asaivo mijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo izy ka manomeza didy azy eo imason’ireo ianao.
20
Dia anomezo azy ny voninahitrao mba hihainoan’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo azy.
21
Ary hijoro eo anatrehan’i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ny fitsaran’ny Orima eo anatrehan’NY TOMPO ho azy, izy; araka ny teniny no hivoahany ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’Israely rehetra miaraka aminy, dia ny fiangonana manontolo.
22
Ary nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO azy i Mosesy. Dia naka an’i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana manontolo
23
ka nametraka ny tanany taminy ary nanome didy azy, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampitondrainy an’i Mosesy.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36