bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 26
Numbers 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
1
hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona:
2
Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny fianakaviany avy, dia izay rehetra avy amin’ny Israely azo alefa hanafika ao amin’ny Israely.
3
Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona dia niteny taminy tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko hoe:
4
Ny roapolo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy ny Zanak’Israely izay nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.
5
Robena, lahimatoan’Israely. Ny zanak’i Robena dia i Hanoka sy ny fianakavian’ny Hanokita; avy tamin’i Palo, ny fianakavian’ny Paloita;
6
avy tamin’i Hezrona, ny fianakavian’ny Hezronita; avy tamin’i Karmy, ny fianakavian’ny Karmita.
7
Ireo no fianakavian’ny Robenita; izay voaisa taminy dia telopolo sy fitonjato sy telo arivo sy efatra alina.
8
Ny zanak’i Palo dia i Eliaba.
9
Ny zanak’i Eliaba dia i Nemoela sy i Datana ary i Abirama. Ireo dia ilay Datana sy i Abirama, olom-boafidin’ny fiangonana, izay nila ady tamin’i Mosesy sy i Arona, teo amin’ny antokon’i Kora, raha nila ady tamin’NY TOMPO izy,
10
kanefa nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin’i Kora, tamin’ny nahafatesan’izany antokony izany ary levon’ny afo koa ny dimampolo sy roanjato lahy ka tonga fananarana.
11
Ireo zanak’i Kora kosa anefa dia tsy mba maty.
12
Ny taranak’i Simeona, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Nemoela, ny fianakavian’ny Nemoelita; avy tamin’i Jamina, ny fianakavian’ny Jaminita; avy tamin’i Jakina, ny fokon’ny Jakinita;
13
avy tamin’i Zera, ny fianakavian’ny Zerita; avy tamin’i Saoly, ny fianakavian’ny Saolita.
14
Ireo no fianakavian’ny Simeonita, roanjato sy roa arivo sy roa alina.
15
Ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Zefona, ny fianakavian’ny Zefonita; avy tamin’i Hagy, ny fianakavian’ny Hagita; avy tamin’i Sony, ny fianakavian’ny Sonita;
16
avy tamin’i Ozny, ny fianakavian’ny Oznita; avy tamin’i Ery, ny fianakavian’ny Erita;
17
avy tamin’i Aroda, ny fokon’ny Arodita; avy tamin’i Arely, ny fianakavian’ny Arelita.
18
Ireo no fianakavian’ny zanak’i Gada, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy efatra alina.
19
Ny zanak’i Joda dia i Era sy i Onana; kanefa i Era sy i Onana dia maty tany amin’ny tany Kanana.
20
Ary ny taranak’i Joda, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Sela, ny fianakavian’ny Selita; avy tamin’i Fareza, ny fianakavian’ny Farezita; avy tamin’i Zera, ny fianakavian’ny Zerita.
21
Ary ny taranak’i Fareza dia izao: Avy tamin’i Hezrona, ny fokon’ny Hezronita; avy tamin’i Hamola, ny fianakavian’ny Hamolita.
22
Ireo no fianakavian’i Joda, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy enina arivo sy fito alina.
23
Ny taranak’Isakara, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Tola, ny fianakavian’ny Tolita; avy tamin’i Pova, ny fianakavian’ny Povita;
24
avy tamin’i Jasoba, ny fianakavian’ny Jasobita; avy tamin’i Simrona, ny fianakavian’ny Simronita.
25
Ireo no fianakavian’Isakara, araka izay voaisa taminy, telonjato sy efatra arivo sy enina alina.
26
Ny taranak’i Zebolona, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Sereda, ny fianakavian’ny Seredita; avy tamin’i Elona, ny fianakavian’ny Elonita; avy tamin’i Jahalela, ny fianakavian’ny Jahalelita.
27
Ireo no fianakavian’ny Zebolonita, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy enina alina.
28
Ny zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany, dia i Manase sy i Efraima.
29
Ny taranak’i Manase dia izao: Avy tamin’i Makira, ny fianakavian’ny Makirita; ary i Makira no niteraka an’i Gileada; avy tamin’i Gileada, ny fianakavian’ny Gileadita.
30
Izao no taranak’i Gileada: Avy tamin’i Jezera, ny fianakavian’ny Jezerita; avy tamin’i Heleka, ny fianakavian’ny Helekita;
31
ary avy tamin’i Asriela, ny fianakavian’ny Asrielita; ary avy tamin’i Sekema, ny fianakavian’ny Sekemita;
32
ary avy tamin’i Semida, ny fianakavian’ny Semidita; ary avy tamin’i Hefera, ny fianakavian’ny Heferita.
33
Ary i Zelofada, zanak’i Hefera, dia tsy mba nanan-janakalahy fa zanakavavy ihany, ary ny anaran’ny zanany vavy dia i Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
34
Ireo no fianakavian’i Manase; ary izay voaisa taminy dia fitonjato sy roa arivo sy dimy alina.
35
Izao no taranak’i Efraima, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Sotela, ny fianakavian’ny Sotelita; avy tamin’i Bekera, ny fianakavian’ny Bekerita; avy tamin’i Tahana, ny fianakavian’ny Tahanita.
36
Ary izao no taranak’i Sotela: Avy tamin’i Erana, ny fianakavian’ny Eranita.
37
Ireo no fianakavian’ny taranak’i Efraima, araka izay voaisa taminy, dimanjato sy roa arivo sy telo alina. Ireo no taranak’i Josefa araka ny fokony.
38
Ny taranak’i Benjamina, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Bela, ny fokon’ny Belita; avy tamin’i Asibela, ny fianakavian’ny Asibelita; avy tamin’i Ahirama, ny fianakavian’ny Ahiramita;
39
avy tamin’i Sefofama, ny fianakavian’ny Sefofamita; avy tamin’i Hofama, ny fianakavian’ny Hofamita.
40
Ary ny taranak’i Bela dia i Arda sy i Namana; dia ny fianakavian’ny Ardita, ary avy tamin’i Namàna, ny fianakavian’ny Namanita.
41
Ireo no taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany; izay voaisa taminy dia eninjato sy dimy arivo sy efatra alina.
42
Izao no taranak’i Dana, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Sohama, ny fianakavian’ny Sohamita. Ireo no fianakavian’i Dana, araka ny fokony.
43
Ny fianakavian’ny Sohamita rehetra, araka izay voaisa taminy, dia efajato sy efatra arivo sy enina alina.
44
Ny taranak’i Asera, araka ny fianakaviany dia izao: Avy tamin’i Jimna, ny fianakavian’ny Jimnita; avy tamin’i Jisvy, ny fianakavian’ny Jisvita; avy tamin’i Beria, ny fianakavian’ny Berita.
45
Avy tamin’ny zanak’i Beria dia izao: Avy tamin’i Hebera, ny fianakavian’ny Heberita; avy tamin’i Malkiela, ny fianakavian’ny Malkielita.
46
Ary ny anaran’ny zanakavavin’i Asera dia Sera.
47
Ireo no fianakavian’ny taranak’i Asera, araka izay voaisa taminy, efajato sy telo arivo sy dimy alina.
48
Ny taranak’i Naftaly, araka ny fianakaviany, dia izao: Avy tamin’i Jaziela, ny fianakavian’ny Jazielita; avy tamin’i Gonỳ, ny fianakavian’ny Gonita;
49
avy tamin’i Jezera, ny fianakavian’ny Jezerita; avy tamin’i Silema, ny fianakavian’ny Silemita.
50
Ireo no fianakavian’i Naftaly araka ny fianakaviany; ary izay voaisa taminy dia efajato sy dimy arivo sy efatra alina.
51
Ireo no voaisa tamin’ny Zanak’Israely, telopolo sy fitonjato sy arivo sy enina hetsy.
52
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
53
Ireo izany no hizaràna ny tany ho lovany, araka ny isany.
54
Ny maro isa dia homenao zaratany lehibe kokoa ary ny vitsy an’isa dia homenao kely kokoa; samy araka izay voaisa taminy no hanomezana ny zaratany.
55
Hatao antsapaka anefa no hizaràna ny tany; araka ny anaran’ny fokon’ny razany no hahazoany zaratany.
56
Dia antsapaka no hizaràna ny tany ho lovany, na ny ho an’ny maro na ny ho an’ny vitsy.
57
Ary izao no voaisa tamin’ny taranak’i Levy, araka ny fianakaviany: Avy tamin’i Gersona, ny fianakavian’ny Gersonita; avy tamin’i Kehata, ny fianakavian’ny Kehatita; avy tamin’i Merary, ny fianakavian’ny Merarita.
58
Ireto no fianakavian’i Levy: Ny fianakavian’ny Libnita, ny fianakavian’ny Hebronita, ny fianakavian’ny Mahalita, ny fianakavian’ny Mosita, ny fianakavian’ny Koraìta. Ary i Kehata dia niteraka an’i Amrama.
59
Ary ny anaran’ny vadin’i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’i Levy, izay naterany tany Ejipta; dia niteraka an’i Arona sy i Mosesy ary i Miriama anabaviny tamin’i Amrama izy.
60
Ny naterak’i Arona dia i Nadaba, i Abiho, i Eleazara ary Itamara.
61
Fa maty i Nadaba sy i Abiho tamin’izy ireo nanolotra afo tsy izy teo anatrehan’NY TOMPO.
62
Ary izay voaisa taminy dia telo arivo sy roa alina, dia ny lahy rehetra hatramin’ny iray volana no ho miakatra; fa tsy niaraka nisaina tamin’ny Zanak’Israely izy ireo satria tsy mba nomena zaratany teo amin’ny Zanak’Israely.
63
Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona, izay nanisa ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.
64
Tamin’ireo dia tsy nahitana olona avy tamin’izay efa voaisan’i Mosesy sy i Arona mpisorona tamin’izy nanisa ny Zanak’Israely tany an-tany efitr’i Sinay.
65
Fa NY TOMPO efa nilaza tamin’izy ireo hoe: Ho faty any an-tany efitra tokoa ireo. Koa tsy nisy olona sisa tamin’ireny afa-tsy i Kaleba, zanak’i Jefone, sy i Josoa, zanak’i Nona, ihany.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36