bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 20
Numbers 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
1
Tamin’ny volana voalohany dia tonga tao an-tany efitra Zina ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary nitoetra tao Kadesy ny olona. Maty tao i Miriama ka nalevina tao.
2
Ary tsy nisy rano ho an’ny fiangonana ka nitangorona mba hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo.
3
Nila ady tamin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Tahaka izay izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’NY TOMPO!
4
Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’NY TOMPO ho amin’ity tany efitra ity ianareo mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?
5
Ary nahoana izahay no noentinareo niakatra avy tany Ejipta ka nampidirinareo atỳ amin’ity tany ratsy ity, izay tsy misy voan-javatra, na aviavy na voaloboka na ampongabendanitra akory sady tsy misy rano hosotroina?
6
Dia niala teo anatrehan’ny fiangonana i Mosesy sy i Arona ka nankeo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana ary niankohoka tamin’ny tany. Dia niseho taminy ny voninahitry NY TOMPO.
7
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
8
Alao ny tehina ka vorionao sy i Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony dia hanome ny ranony izy; hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy tokoa ianao ka hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny izany.
9
Dia nalain’i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan’NY TOMPO, araka izay nandidiany azy.
10
Ary novorin’i Mosesy sy i Arona teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana ka hoy izy: Mihainoa, ry mpikomy! Moa avy amin’ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo?
11
Ary nanainga ny tanany i Mosesy ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin’ny tehiny. Dia niboiboika be dia be ny rano ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny.
12
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo ka tsy nanamasina Ahy teo imason’ny Zanak’Israely dia tsy hitondra izao fiangonana izao hiditra ho any amin’ny tany izay nomeko azy ianareo.
13
Ity no ranon’i Meriba izay nilan’ny Zanak’Israely ady tamin’NY TOMPO ka nisehoan’NY TOMPO ho masina taminy.
14
Ary nandefa iraka avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma i Mosesy hilaza hoe: Izao no lazain’Israely rahalahinao: Ianao dia mahafantatra ny fahasahiranana rehetra izay nanjo anay,
15
dia ny nidinan’ny razanay tany Ejipta sy ny nitoeranay ela tany. Nampahory anay sy ny razanay anefa ny Ejiptiana.
16
Ary raha nitaraina tamin’NY TOMPO izahay dia nihaino ny feonay Izy ka naniraka anjely sy namoaka anay avy tany Ejipta; ary indreto, tonga eto Kadesy, izay tanàna eto amin’ny tendron’ny taninao, izahay;
17
koa avelao mba handeha hamakivaky ny taninao izahay; fa tsy handeha hamakivaky ny saha sy ny tanim-boaloboka na hisotro ny rano amin’ny vovo fantsakana akory izahay, fa ny Lalan’andriana ihany no halehanay ka tsy hivily izahay na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia mandra-pihoatranay ny sisintaninao.
18
Fa hoy ny Edomita taminy: Tsy mahazo mandeha mamakivaky ny taniko ianao, fandrao hivoaka hamely anao amin’ny sabatra aho.
19
Dia hoy ny Zanak’Israely taminy: Ny lalambe ihany no halehanay, fa raha hisotro ny ranonao izaho sy ny omby aman’ondriko dia hefaiko vola izany; fa zavatra tsotra ihany: Tsy hanao na inona na inona aho fa handalo an-tongotra fotsiny ihany.
20
Hoy anefa ny navaliny: Tsy mahazo mandalo eto ianao! Ary niainga hisakana azy ny Edomita ka nitondra vahoaka betsaka sady nampiseho hery be.
21
Toy izany no nandavan’ny Edomita tsy hamela ny Israelita hamakivaky ny taniny ka nivily niala taminy ny Zanak’Israely.
22
Dia niala tao Kadesy ny Zanak’Israely, dia ny fiangonana manontolo, ka tonga tao amin’ny tendrombohitra Hora.
23
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy tamin’i Arona tao amin’ny tendrombohitra Hora, tao amin’ny faritanin’i Edoma hoe:
24
Hangonina any amin’ny razany i Arona; fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Zanak’Israely izy satria nandà ny teniko teo amin’ny ranon’i Meriba ianareo.
25
Alao i Arona sy i Eleazara zanany ka ento miakatra ao amin’ny tendrombohitra Hora izy mianaka.
26
Esory ny fitafian’i Arona ka atafio an’i Eleazara zanany. Ary hangonina any amin’ny razany i Arona; any no hahafatesany.
27
Ary nanatanteraka izay nandidian’NY TOMPO i Mosesy ka niakatra tao amin’ny tendrombohitra Hora, teo imason’ny fiangonana manontolo, izy telo mianaka.
28
Dia nesorin’i Mosesy ny fitafian’i Arona ka natafiny an’i Eleazara zanany, dia maty tao an-tampon’ny tendrombohitra i Arona. Ary nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy sy i Eleazara.
29
Nony hitan’ny fiangonana manontolo fa maty i Arona dia nitomany azy nandritra ny telopolo andro izy, dia ny taranak’Israely rehetra.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36