bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 2
Numbers 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
1
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy sy i Arona:
2
Samy eo amin’ny fanevany sy eo amin’ny faneva kelin’ny fianakaviany avy no hitobian’ny Zanak’Israely; manodidina ny tranolay fihaonana, sady manandrify azy, no hitobiany.
3
Ny hitoby eo amin’ny lafiny atsinanana, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ny tobin’i Joda, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba.
4
Ny miaramilany izay voaisa dia eninjato sy efatra arivo sy fito alina.
5
Ny fokon’Isakara kosa no hitoby eo anilany. Ny lohan’ny taranak’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara.
6
Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy efatra arivo sy dimy alina.
7
Avy eo dia ny fokon’i Zebolona. Ny lohan’ny taranak’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona.
8
Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy fito arivo sy dimy alina.
9
Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Joda dia efajato sy enina arivo sy valo alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no ho lohalalana.
10
Ny fanevan’ny tobin’i Robena no ho eo amin’ny lafiny atsimo, araka ny antokony. Ny lohan’ny taranak’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora.
11
Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy enina arivo sy efatra alina.
12
Ny fokon’i Simeona no hitoby eo anilany. Ny lohan’ny taranak’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday.
13
Ny miaramilany izay voaisa dia telonjato sy sivy arivo sy dimy alina.
14
Manaraka izany ny fokon’i Gada. Ny lohan’ny taranak’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Reoela.
15
Ny miaramilany izay voaisa dia dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina.
16
Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Robena dia dimampolo sy efajato sy arivo sy dimy alina sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha faharoany.
17
Dia handroso ny tranolay fihaonana sy ny tobin’ny levita izay eo afovoan’ny toby rehetra, ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ny filaharany avy, araka ny fanevany avy.
18
Ny fanevan’ny tobin’i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny andrefana. Ny lohan’ny taranak’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda.
19
Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy efatra alina.
20
Ny fokon’i Manase no ho eo anilany. Ny lohan’ny taranak’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora.
21
Ny miaramilany izay voaisa dia roanjato sy roa arivo sy telo alina.
22
Manaraka izany ny fokon’i Benjamina. Ny lohan’ny taranak’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony.
23
Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy dimy arivo sy telo alina.
24
Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Efraima dia zato sy valo arivo sy iray hetsy, araka ny antokony. Ireo no mandeha fahatelony.
25
Ny fanevan’ny tobin’i Dana, araka ny antokony, dia ho eo amin’ny lafiny avaratra. Ny lohan’ny taranak’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday.
26
Ny miaramilany izay voaisa dia fitonjato sy roa arivo sy enina alina.
27
Ny fokon’i Asera no hitoby eo anilany. Ny lohan’ny taranak’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana.
28
Ny miaramilany izay voaisa dia dimanjato sy arivo sy efatra alina.
29
Manaraka izany ny fokon’i Naftaly. Ny lohan’ny taranak’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana.
30
Ny miaramilany izay voaisa dia efajato sy telo arivo sy dimy alina.
31
Ny tontalin’izay voaisa teo amin’ny tobin’i Dana dia eninjato sy fito arivo sy dimy alina sy iray hetsy. Ireo kosa no vodilalana, araka ny fanevany.
32
Ireo no voaisa tamin’ny Zanak’Israely, araka ny fianakaviany. Ny tontalin’izay voaisa tamin’ny toby rehetra, araka ny antokony, dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
33
Ny levita kosa dia tsy mba nisaina niaraka tamin’ny Zanak’Israely, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
34
Nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely ka nitoby araka ny fanevany avy; samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36