bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 24
Numbers 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
1
Rehefa hitan’i Balama fa sitraky NY TOMPO ny hitahy ny Israely dia tsy nandeha hanao sikidy tahaka ny teo aloha intsony izy fa nitodika nanatrika ny tany efitra fotsiny.
2
Dia natopin’i Balama ny masony ka nahita ny Israely mitoby araka ny fokony avy izy. Ary ny Fanahin’Andriamanitra tonga tamin’i Balama.
3
Dia nilaza ny oha-teniny izy hoe: Hoy i Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay nampahiratina ny masony,
4
hoy ilay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony:
5
Endre ny hatsaran’ny tranolainao, ry Jakoba ô! Sy ny lasinao, ry Israely ô!
6
Tahaka ny lohasaha misandrahaka, tahaka ny saha ao amoron’ny ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’NY TOMPO, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
7
Mikoriana avy amin’ny sininy ny rano ary ny voa afafiny dia tondrahin’ny rano betsaka. Hisandratra noho i Agaga ny mpanjakany ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8
Noentin’Andriamanitra nivoaka avy tany Ejipta izy ary manan-kery toy ny ombimanga. Handany ny Jentilisa fahavalony izy ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ny zana-tsipìkany izy.
9
Mamitsaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, koa iza no hampitsangana azy? Hotahina anie izay manisy soa anao ary ho voaozona anie izay manozona anao!
10
Dia nirehitra tamin’i Balama ny fahatezeran’i Balaka ka niteha-tanana izy sady niteny tamin’i Balama hoe: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanefa dia efa nitsodrano azy intelo ianao izao!
11
Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ny fonenanao ianao! Efa nilaza aho hoe: Hanome voninahitra anao tokoa aho; kanefa indro NY TOMPO efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12
Dia hoy i Balama tamin’i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ireo irakao izay nirahinao tany amiko va aho hoe:
13
Na dia homen’i Balaka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho dia tsy mahazo manoatra ny didin’NY TOMPO, na hanao soa na hanao ratsy avy amin’ny saiko, fa izay holazain’NY TOMPO ihany no holazaiko?
14
Ankehitriny, indro, handeha ho any amin’ny fireneko aho, dia aoka aho hampahafantatra anao ny amin’izay hataon’ity firenena ity amin’ny vahoakanao amin’ny andro ho avy.
15
Dia nilaza ny oha-teniny izy hoe: Hoy i Balama, zanak’i Beora, dia ny lehilahy izay nampahiratina ny masony;
16
izay mandre ny tenin’Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ny Tsitoha, torana, kanefa nampahiratina ny masony:
17
Hitako Izy nefa tsy ankehitriny. Tazako Izy nefa tsy akaiky. Misy kintana miseho avy amin’i Jakoba ary tehim-panjakana miposaka avy amin’Israely ka manapotika ny fihirifan’i Moaba sy ny karandohan’ireo mpitabataba rehetra.
18
I Edoma sy i Seìra fahavalony dia samy lasany ary dia mandroso amin-kery Israely.
19
Avy amin’i Jakoba no isehoan’Izay hanapaka ka handringana izay sisa tao an-tanàna.
20
Nahita ny Amalekita koa izy dia nilaza ny oha-teniny hoe: Voalohany tamin’ny Jentilisa i Amaleka, kanefa ho lany ringana ny hiafarany!
21
Ary nahita ny Kenita izy dia nilaza ny oha-teniny hoe: Mafy orina ny fonenanao ary natao eo amin’ny vatolampy ny akaninao.
22
Kanefa ho lanin’ny afo i Kaina alohan’ny hamaboan’i Asira anao.
23
Dia nilaza ny oha-teniny koa izy hoe: Indrisy! Iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
24
Ary hisy sambo avy any amin’ny tany Kitima ka hampietry an’i Asira ary hampietry an’i Ebera, ary izy koa dia ho lany ringana mandrakizay!
25
Dia niainga i Balama ka lasa nody tany amin’ny fonenany; i Balaka koa dia mba nandeha tany amin’izay nalehany.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36