bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 28
Numbers 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy
2
mba hanome didy ny Zanak’Israely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanolorana izany ho Ahy amin’ny fotoanany avy.
3
Lazao aminy hoe: Izao no fanatitra levonina amin’ny afo, izay hatolotrao ho an’NY TOMPO: Zanak’ondry izay iray taona sady tsy misy kilema, roa isanandro, ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany,
4
koa ny zanak’ondry iray dia hatolotrao vao maraina ary ny zanak’ondry iray dia hatolotrao amin’ny hariva;
5
koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo nofiazana ampahefatry ny hina kosa no ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry.
6
Ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
7
Ary ny fanatitra aidina dia ampahefatry ny hina isan-janak’ondry; ao amin’ny fitoerana masina no handrarahanao ny divay ho an’NY TOMPO ho fanatitra aidina.
8
Ny zanak’ondry faharoa kosa dia hatolotrao amin’ny hariva milenti-masoandro; fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy fanatitra aidina, tahaka ny atao amin’ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
9
Amin’ny andro Sabata kosa dia izao no hatolotrao: Zanak’ondry roa, izay iray taona avy sady tsy misy kilema, miampy koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry; ampombaina azy ireo ny fanatitra aidina.
10
Fanatitra dorana manontolo ho amin’ny Sabata izany, ary ho isan-tSabata, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva dorana manontolo sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
11
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO amin’ny voaloham-bolanareo: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy sady tsy misy kilema,
12
miampy koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny vantotra ombilahy; koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny ondrilahy;
13
koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay; ho fanatitra dorana manontolo izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO.
14
Ny fanatitra aidina ampombaina izany dia divay antsasaky ny hina, ho amin’ny vantotra ombilahy iray, ampahatelon’ny hina, ho amin’ny ondrilahy iray ary ampahefatry ny hina, ho amin’ny zanak’ondry iray. Izany no fanatitra dorana manontolo isam-bolana, araka ireo volana amin’ny taona,
15
ary osilahy iray koa dia hatao fanatitra noho ny ota ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, no hanolorana azy sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
16
Ny andro fahefatra amby folo amin’ny volana voalohany dia Paska an’NY TOMPO.
17
Andro firavoravoana ny andro fahadimy amby folo amin’izany volana izany. Hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira.
18
Amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina; aza manao raharaha mavesatra.
19
Izao no hatolotrareo ho fanatitra levonina amin’ny afo, dia fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, izay tsy misy kilema, no hatolotrareo;
20
ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo; telo hampahafolon’ny efaha no hatolotrareo miaraka amin’ny vantotra ombilahy tsirairay; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy,
21
ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito,
22
ary osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo.
23
Atolory ireo ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo isa-maraina, izay atao fanatitra mandrakariva, dorana manontolo.
24
Araka ireo no hanoloranareo isanandro, mandritra ny fito andro, ho hanina levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO; ho fanampin’ny fanatitra dorana mandrakariva manontolo no hanolorana izany sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
25
Amin’ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.
26
Amin’ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manolotra fanatitra vaovao avy amin’ny zavamaniry ho an’NY TOMPO ianareo amin’ny fetin’ireo Herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.
27
Ireto no atolory ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy roa, ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy;
28
ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto voaharo diloilo, telo ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ombilahy tsirairay, roa ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny ondrilahy,
29
ary ampahafolon’ny efaha, ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito,
30
ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo.
31
Dia hatolotrareo ireo ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy; izay tsy misy kilema hatrany no haterinareo.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36