bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 21
Numbers 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
1
Rehefa ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada, izay nonina tany Negeva, fa mandeha amin’ny lalana mankany Atarima ny Israely, dia niady taminy izy ka noentiny ho babo ny sasany tamin’ny Israely.
2
Dia nivoady tamin’NY TOMPO ny Israely ka niteny hoe: Raha atolotrao eo an-tananay tokoa io firenena io dia hataonay zavatra voaozona avokoa ny tanànany.
3
Ary NY TOMPO nihaino ny feon’ny Israely ka natolony azy ny Kananita. Dia nataon’ny Israely ho zavatra voaozona izy ireo sy ny tanànany; koa ny anaran’izany tany izany dia natao hoe Horma na Ozona.
4
Niala tany an-tendrombohitra Hora indray izy ireo ka nihazo ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma. Dia kivy teny an-dalana ny olona.
5
Dia niteny nanome tsiny an’Andriamanitra sy i Mosesy izy hoe: Nahoana no noentinao niakatra avy tany Ejipta ho faty atỳ an-tany efitra izahay? Tsy misy mofo na rano atỳ, ary leon’itony mofo tsy izy itony izahay.
6
Ary NY TOMPO nampandeha menarana mandoro teny amin’ny olona; nanaikitra ny olona ireny ka nahafatesana be tamin’ny Israely.
7
Dia nankeo amin’i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanohitra NY TOMPO sy ianao. Ifony amin’NY TOMPO izahay mba hanesorany ny menarana hiala aminay. Dia nifona ho an’ny olona i Mosesy.
8
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manaova menarana varahina ka ahantòny amin’ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra ka mijery izany dia ho velona.
9
Dia nanao menarana varahina i Mosesy ka nanantona azy tamin’ny hazo lava; koa izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
10
Dia niainga ny Zanak’Israely ka nitoby tao Obota.
11
Rehefa niala tao Obota izy dia nitoby tao Ie-Abarima, tany amin’ny tany efitra izay mifanolotra amin’i Moaba, tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro.
12
Nony niala tao izy ireo dia nitoby tao amin’ny lohasahan-driaka Zereda.
13
Ary niala tao dia nilasy tany andafin’i Arnona, izay any amin’ny tany efitra sady mivoaka avy ao amin’ny faritanin’ny Amorita; fa ny ranon’i Arnona no mamaritra ny sisintanin’ny Moabita, eo anelanelan’i Moaba sy ny Amorita.
14
Koa izany no ilazana ao amin’ny Bokin’ny Adin’NY TOMPO hoe: I Vaheba any Sofa sy ireo lohasahan-driaka, i Arnona,
15
ary ny hantsana manamorona ny lohasahan-driaka, izay mivily mankany amin’ny tanin’i Ara ka mipaka any amin’ny sisintanin’i Moaba.
16
Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lava-drano fantsakana nilazan’NY TOMPO tamin’i Mosesy hoe: Angony ny olona fa homeko rano izy.
17
Dia nanao izao hira izao ny Israely: Aoka hiboiboika ianao, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy!
18
Lavaka fantsakana izay nohadin’ireo olo-manankaja, nohadin’ireo manankaja amin’ny firenena tamin’ny tehiny, dia ireo tehiny fanapahana!
19
Nony niala tany Matana izy ireo dia nankany Nahaliela; nony niala tany Nahaliela dia nankao Bamota;
20
nony niala tany Bamota dia nankany amin’ny lohasaha izay ao amin’ny tany Moaba, ao an-tampon’i Pisga, izay manatrika ny tany efitra.
21
Nandefa iraka ho any amin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, ny Israely mba hilaza hoe:
22
Avelao izahay mba handeha hamakivaky ny taninao, fa tsy hivily ho any amin’ny saha na ho amin’ny tanim-boaloboka izahay ary tsy hisotro ny rano amin’ny lavaka fantsakana; ny Lalan’andriana ihany no halehanay mandra-pihoatranay ny sisintaninao.
23
Nefa tsy namela ny Israely handeha hamakivaky ny taniny i Sihona fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka niainga hikatroka tamin’ny Israely tany an-tany efitra, dia nankany Jahaza ary niady tamin’ny Israely.
24
Ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ny Israely ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatrany amin’ny taranak’i Amona; fa nisy manda mafy ny sisintanin’ny taranak’i Amona.
25
Dia nalain’ny Israely ireny tanàna rehetra ireny. Nonenan’ny Israely ny tanànan’ny Amorita rehetra, dia i Hesbona sy ireo vohitra miankina aminy rehetra.
26
I Hesbona no tanànan’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nanafika ny mpanjakan’i Moaba taloha ka naka ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27
Izany no nilazan’ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona ianareo! Aoka hatsangana indray sy hatao mafy orina ny tanànan’i Sihona;
28
fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona ary lelafo avy tao an-tanànan’i Sihona ka nandevona an’i Ara-Moaba sy ireo tompon’ny havoana any Arnona.
29
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’i Kemosy! Nafoiny ho mpandositra ny zanany lahy ary navelany ho babo ny zanany vavy, ho an’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita.
30
Notifirintsika tamin’ny zana-tsipìka izy; ringana i Hesbona hatrany Dibona; nolevonintsika izy hatrany Nofa ka hatrany Medeba.
31
Dia nonina tao amin’ny tanin’ny Amorita ny Israely.
32
Ary naniraka mpisafo tany ho any Jazera i Mosesy; ary naka ireo vohitra miankina aminy ny Israely ka nandroaka ny Amorita izay tany.
33
Ary niverina izy ireo ka niakatra tamin’ny lalana mankany Basana. Dia niainga i Oga, mpanjakan’i Basana, hifanehatra aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra mba hiady tao Edirehy.
34
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; hataonao aminy araka izay nataonao tamin’i Sihona, mpanjakan’ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
35
Dia namely azy sy ny zanany lahy ary ny vahoakany rehetra izy ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, dia azony ny taniny.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36