bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 33
Numbers 33
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 34 →
1
Ireto avy no toerana nijanonan’ny Zanak’Israely, izay noentin’i Mosesy sy i Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta araka ny antokony.
2
Notanan’i Mosesy an-tsoratra ny toerana niaingany sy nijanonany, araka izay didin’NY TOMPO; ireto ny toerana nijanonany, araka ny diany:
3
Niala tao Ramesesa izy ireo tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Israely tamin’ny fahafahana tanteraka, teo imason’ny Ejiptiana rehetra,
4
fa mbola nandevina izay novonoin’NY TOMPO teo aminy ny Ejiptiana, dia ny lahimatoa rehetra; ny andriamaniny dia notsarain’NY TOMPO.
5
Niala tao Ramesesa ny Zanak’Israely dia nitoby tao Sokota.
6
Niala tao Sokota dia nitoby tao Etama, izay teo an-tsisin’ny tany efitra.
7
Niala tao Etama dia niverina nankany Py-Hahirota, izay tandrifin’i Baala-Zefona ka nitoby tandrifin’i Migdola.
8
Niala avy teo anoloan’i Hahirota ka nandeha nita teo afovoan’ny ranomasina ho any an-tany efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-tany efitra Etama ary nitoby tao Mara.
9
Niala tao Mara dia nankany Elima; tao Elima dia nisy loharano roa amby folo sy hazo daty fitopolo, dia nitoby teo.
10
Niala tao Elima dia nitoby teo amoron’ny Ranomasina Mena.
11
Niala tao amoron’ny Ranomasina Mena dia nitoby tany an-tany efitra Sina.
12
Niala tany an-tany efitra Sina dia nitoby tao Dopka.
13
Niala tao Dopka dia nitoby tao Alosy.
14
Niala tao Alosy dia nitoby tao Refidima na dia tsy nisy rano hosotroin’ny olona aza tao.
15
Niala tao Refidima dia nitoby tany an-tany efitr’i Sinay.
16
Niala tany an-tany efitr’i Sinay dia nitoby tao Kibrota-Hatava.
17
Niala tao Kibrota-Hatava dia nitoby tao Hazerota.
18
Niala tao Hazerota dia nitoby tao Ritma.
19
Niala tao Ritma dia nitoby tao Rimona-Pareza.
20
Niala tao Rimona-Pareza dia nitoby tao Libna.
21
Niala tao Libna dia nitoby tao Risa.
22
Niala tao Risa dia nitoby tao Kehelata.
23
Niala tao Kehelata dia nitoby tao an-tendrombohitra Sefera.
24
Niala tao an-tendrombohitra Sefera dia nitoby tao Harada.
25
Niala tao Harada dia nitoby tao Makelota.
26
Niala tao Makelota dia nitoby tao Tahata.
27
Niala tao Tahata dia nitoby tao Tara.
28
Niala tao Tara dia nitoby tao Mitka.
29
Niala tao Mitka dia nitoby tao Hasmona.
30
Niala tao Hasmona dia nitoby tao Moserota.
31
Niala tao Moserota dia nitoby tao Bene-Jakana.
32
Niala tao Bene-Jakana dia nitoby tao Hora-Gidigada.
33
Niala tao Hora-Gidigada dia nitoby tao Jotbata.
34
Niala tao Jotbata dia nitoby tao Abrona.
35
Niala tao Abrona dia nitoby tao Eziona-Gebera.
36
Niala tao Eziona-Gebera dia nitoby tany an-tany efitra Zina na Kadesy.
37
Niala tao Kadesy dia nitoby tao amin’ny tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ny tanin’i Edoma.
38
Ary niakatra tao amin’ny tendrombohitra Hora i Arona mpisorona, araka ny didin’NY TOMPO, dia maty tao izy tamin’ny fahefapolo taona taorianan’ny nivoahan’ny Zanak’Israely tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy.
39
Telo amby roapolo amby zato taona i Arona raha maty tao amin’ny tendrombohitra Hora.
40
Ary ren’ilay Kananita, mpanjakan’i Arada, izay nonina teo amin’ny tany Negeva, any amin’ny tany Kanana, fa avy ny Zanak’Israely.
41
Niala tao amin’ny tendrombohitra Hora izy ireo dia nitoby tao Zalmona.
42
Niala tao Zalmona dia nitoby tao Ponona.
43
Niala tao Ponona dia nitoby tao Obota.
44
Niala tao Obota dia nitoby tao Ie-Abarima tao amin’ny sisintanin’i Moaba.
45
Niala tao Ie-Abarima dia nitoby tao Dibona-Gada.
46
Niala tao Dibona-Gada dia nitoby tao Almona-Diblataima.
47
Niala tao Almona-Diblataima dia nitoby tao amin’ny tendrombohitra Abarima, tandrifin’i Nebo.
48
Niala tamin’ny tendrombohitra Abarima dia nitoby tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko.
49
Ary nitoby teo amoron’i Jordana hatrany Bety-Jesimota ka hatrany Abela-Sitima, tany Arbota-Moaba.
50
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany amin’ireo tany lemaka ngazana tany Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko hoe:
51
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tafita an’i Jordana ianareo ka tonga any amin’ny tany Kanana
52
dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ny tany ary horavanareo ny sampy vatony rehetra, holevoninareo ny sarin-javatra narendrika voalasitra rehetra nataony, hopotehinareo ny toerana fanaovany sorona rehetra;
53
dia halainareo ny tany ka honina ao ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany mba ho zarataninareo.
54
Antsapaka no hizaranareo ny tany araka ny fianakavianareo avy. Ny maro an’isa dia homenareo zaratany bebe kokoa ary ny vitsy an’isa kosa dia homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’izay tondroin’ny antsapaka ho azy no ho anjarany. Araka ny fokon’ny razanareo no hahazoanareo zaratany.
55
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ny tany dia ho lay amin’ny masonareo sy ho tsilo amin’ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo ka handrafy anareo eo amin’ny tany izay onenanareo izy ireny;
56
ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36