bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 11
Numbers 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
1
Nimonomonona tamin’NY TOMPO ny olona ka nony ren’NY TOMPO izany dia nirehitra taminy ny fahatezerany ary nandoro ny teo an-tsisin’ny toby ny afon’NY TOMPO.
2
Dia nitaraina tamin’i Mosesy ny olona. Ary nifona tamin’NY TOMPO i Mosesy dia maty ny afo.
3
Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Tabera satria nandoro azy ny afon’NY TOMPO.
4
Ary ny olona hafa firenena izay nifangaroharo taminy dia azon’ny fitsiriritana, ary nitomany indray ny Zanak’Israely ka niteny hoe: Iza re no mba hanome hena hohaninay!
5
Tsaroanay ny hazandrano izay nohaninay maimaimpoana tany Ejipta mbamin’ny voatango, ny tongolo ravina, ny tongolo ejipta sy ny tongolo lay.
6
Izao anefa dia maina ny tendanay: Tsy misy na inona na inona hitanay afa-tsy ny mana ihany.
7
Ary ny mana dia toy ny voan’ny koriandira ny fijery azy.
8
Dia samy nandehandeha ny olona ka nanangona ary nanodina izany tamin’ny fikosoham-bary na nitoto izany tamin’ny laona dia nahandroiny tamin’ny vilany ka nanaovany mofo; ny tsirony indray dia sahala amin’ny tsiron’ny mofo misy diloilo.
9
Rehefa nilatsaka tamin’ny toby ny ando tamin’ny alina dia nilatsaka taminy koa ny mana.
10
Ary i Mosesy dia nandre ny olona tamin’ny isam-pianakaviany nitomany, samy teo amin’ny varavaran’ny tranolainy avy. Dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’NY TOMPO, ary tsy sitrak’i Mosesy izany
11
ka hoy i Mosesy tamin’NY TOMPO: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? Ary nahoana no tsy nahita fitia teo imasonao aho fa nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity vahoaka ity?
12
Izaho va no torontoronina an’ity firenena iray manontolo ity? Ary izaho va no niteraka azy no ilazanao hoe: Trotroinao izy, tahaka ny lehilahy mpitaiza mitondra zaza minono, ho any amin’ny tany izay nianiananao tamin’ny razany homena azy!
13
Avy aiza no hahazoako hena homena ity firenena iray manontolo ity no dia mitomany amiko izy hoe: Omeo hena izahay hohaninay!
14
Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena iray manontolo ity, fa mavesatra amiko loatra.
15
Koa raha izao no ataonao amiko, vonoy mihitsy aho, raha mba nahita fitia teo imasonao, mba tsy hahitako ny fahoriana manjo ahy!
16
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Manangòna fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ho etỳ Amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ny vahoaka sy mpifehy eo aminy; ento miaraka aminao ho ao amin’ny tranolay fihaonana izy ireo.
17
Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary haka avy amin’ny Fanahy izay ao aminao Aho ka hametraka izany eo amin’ireo, dia hiara-mivesatra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
18
Ary lazao amin’ny olona hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin’ny ampitso dia hihinan-kena ianareo; fa nitomany teo an-tsofin’NY TOMPO ianareo hoe: Iza no hanome anay hena hohaninay? Nefa soa no hitanay tany Ejipta! Dia homen’NY TOMPO hena ianareo ka hihinana.
19
Tsy indray andro no hihinananareo na indroa andro, na hadimiana, na hafoloana, na roapolo andro aza,
20
fa hatramin’ny iray volana mipaka, dia mandra-pivoakany amin’ny vavoronareo ka hamparikoriko anareo; satria nolavinareo NY TOMPO izay eo afovoanareo ka nitomany teo anatrehany ianareo hoe: Nahoana re no nivoaka tany Ejipta izahay?
21
Dia hoy i Mosesy: Miaramila enina hetsy ny firenena manodidina ahy, nefa hoy Ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana!
22
Hamonoana ondry aman’osy sy omby hahavoky azy va, sa ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina no hangonina hahavoky azy?
23
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Nihafohy va ny tanan’NY TOMPO? Ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka ny teniko na tsia.
24
Dia nivoaka mba hilaza ny tenin’NY TOMPO tamin’ny olona i Mosesy; nanangona fitopolo lahy tamin’ireo loholon’ny firenena izy ka nasainy nijoro manodidina ny tranolay.
25
Dia nidina teo amin’ny rahona NY TOMPO ka niteny taminy ary nanalany ny Fanahy izay tao amin’i Mosesy ka napetrany tao amin’ny loholona fitopolo lahy. Raha vao nipetraka tao amin’izy ireo ny Fanahy dia naminany izy ireo nefa tsy nitohy izany.
26
Ary nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran’ny iray, ary Medada no anaran’ny iray; nipetraka teo amin’izy ireo ny Fanahy; ary isan’izay voasoratra izy roa lahy nefa tsy mba nandeha nankeo amin’ny tranolay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy.
27
Ary nisy zatovo nihazakazaka dia nilaza tamin’i Mosesy hoe: Maminany i Eldada sy i Medada etsy an-toby.
28
Dia hoy i Josoa, zanak’i Nona, izay nanompo an’i Mosesy hatramin’ny fahatanorany: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.
29
Fa hoy i Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’NY TOMPO rehetra ka hapetraky NY TOMPO aminy ny Fanahiny!
30
Dia nisintona nankeo an-toby i Mosesy sy ireo loholon’ny Israely.
31
Dia nisy rivotra nitsoka, nampandehanin’NY TOMPO, ka nandroaka papelika avy tany amin’ny ranomasina ary nampihahakahaka azy teo amin’ny toby, koa tokony ho hatrany amin’ny lalana indray andro manodidina ny toby no nisy azy ary tokony ho roa hakiho ambonin’ny tany ny hatevenany.
32
Dia nitsangana ny olona nandritra izany andro izany sy nandritra ny alina sy ny ampitson’iny koa ary nanangona ny papelika; izay kely fanangona no nahazo folo homera; ary nahahiny nanodidina ny toby ireny.
33
Fa raha mbola teo am-bavany ny hena ka tsy mbola lany dia nirehitra tamin’ny olona ny fahatezeran’NY TOMPO ary namely ny olona tamin’ny kapoka mafy indrindra Izy.
34
Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Kibrota-Hatava na Ireo fasam-pitsiriritana satria teo no nandevenana ny olona izay matim-pitsiriritana.
35
Ary niala tao Kibrota-Hatava ny olona ka nifindra nankany Hazerota; dia niato tao Hazerota izy ireo.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36