bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 29
Numbers 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 30 →
1
Amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao raharaha mavesatra; ho andro fitsofana ny trompetra fanairana ho anareo izany.
2
Ary izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema;
3
ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy kosa dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny vantotra ombilahy, roa ampahafolon’ny efaha ampombaina ny ondrilahy,
4
ampahafolon’ny efaha ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito,
5
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo,
6
ho fanampin’ny fanatitra dorana manontolo noho ny voaloham-bolana, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao aminy, ho hanitra ankasitrahana; fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO izany.
7
Amin’ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany dia hisy fivoriana masina ho anareo ka hampahory ny tenanareo ianareo; aza manao raharaha na dia kely aza.
8
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, ho hanitra ankasitrahana: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema, no hatolotrareo;
9
ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny vantotra ombilahy, roa ampahafolon’ny efaha ampombaina ny ondrilahy,
10
ary ampahafolon’ny efaha ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry fito,
11
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota; ho fanampin’ny fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana, ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
12
Amin’ny andro fahadimy amby folo amin’ny volana fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; koa aza manao raharaha mavesatra fa mitandrema ny andro firavoravoana ho an’NY TOMPO mandritra ny hafitoana.
13
Izao no hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy telo amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema izy ireo;
14
ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo, ampombaina ny ombilahy tsirairay, dia ireo vantotra ombilahy telo amby folo; roa ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny ondrilahy tsirairay, dia ny ondrilahy roa;
15
ampahafolon’ny efaha no ampombaina ny zanak’ondry tsirairay amin’ireo zanak’ondry efatra amby folo,
16
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
17
Amin’ny andro faharoa indray, vantotra ombilahy roa amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona, sady tsy misy kilema;
18
ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra araraka ampombaina ny vantotra ombilahy sy ireo ondrilahy ary ireo zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
19
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra araraka ampombaina azy.
20
Amin’ny andro fahatelo dia vantotra ombilahy iraika amby folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
21
ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombainy azy; ary koa fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
22
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
23
Amin’ny andro fahefatra kosa dia vantotra ombilahy folo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
24
ampiana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy sy ny fanatitra aidina, ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
25
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
26
Amin’ny andro fahadimy indray, vantotra ombilahy sivy sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
27
ao koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy sy ny fanatitra aidina, ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
28
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
29
Amin’ny andro fahenina dia vantotra ombilahy valo sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
30
ampiana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry hateriny, sy ny fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
31
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
32
Amin’ny andro fahafito dia vantotra ombilahy fito sy ondrilahy roa ary zanak’ondry efatra amby folo, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
33
ary ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy sy ireo fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
34
ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
35
Ary amin’ny andro fahavalo dia hisy fivoriana ho anareo; aza manao raharaha mavesatra.
36
Izao kosa no atolory ho fanatitra dorana manontolo, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO: Vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry fito, izay iray taona avy, sady tsy misy kilema,
37
ampiana ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry hatolotr’ireo sy ny fanatitra aidina ampombaina ny vantotra ombilahy sy ny ondrilahy ary ny zanak’ondry, araka ny isany avy, araka ny fanao,
38
ary osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota, ho fanampin’ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, sy ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ampombaina azy ary ny fanatitra aidina ampombaina azy.
39
Ireo no hatolotrareo ho an’NY TOMPO amin’ny fotoam-pivavahanareo, ankoatra ny fanatitra fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitrapo izay hatolotrareo ho fanatitra dorana manontolo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ho fanatitra aidina ary ho fanati-pihavanana.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36