bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 6
Numbers 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 7 →
1
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
2
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy mivoady hitokana ho Nazirita mba hitokana ho an’NY TOMPO
3
dia hifady divay sy toaka izy; tsy hisotro divay efa maharikivy, na toaka efa maharikivy izy, ary tsy hisotro ranom-boaloboka izy, na hihinana voaloboka akory, na lena, na maina.
4
Amin’ny andro fitokanany rehetra dia tsy hihinana izay rehetra natao tamin’ny voaloboka izy, manomboka amin’ny voany ka hatramin’ny hodiny.
5
Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.
6
Amin’ny andro rehetra izay itokanany ho an’NY TOMPO koa dia tsy hiditra am-paty izy;
7
aoka tsy handoto tena izy na dia amin’ny rainy, na ny reniny, na ny rahalahiny, na ny anabaviny aza, raha maty ireo, satria eo amin’ny lohany ny fitokanana ho an’Andriamaniny.
8
Amin’ny andro fitokanany rehetra dia ho masina ho an’NY TOMPO izy.
9
Ary raha misy olona maty tampoka eo anilany ka mandoto ny lohany izay voatokana, dia hanaratra ny lohany amin’ny andro fanadiovana azy izy; amin’ny andro fahafito no hanaratany azy.
10
Amin’ny andro fahavalo dia hitondra domohina roa na voromailala roa ho eo amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy.
11
Ary ny mpisorona dia hanolotra ny iray ho fanatitra fanadiovana ary ny iray kosa dia ho fanatitra dorana manontolo, dia hanao fanavotana ho azy, satria nanota noho ny amin’ny faty izy; ary hanamasina ny lohany izy amin’izany andro izany.
12
Dia hanokana ho an’NY TOMPO ny andro fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona, ho fanati-panonerana; fa ho very ireo andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany.
13
Ary izao no lalàna ny amin’ny Nazirita: Rehefa tapitra ny andro fitokanany dia hoentina ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy;
14
ary hanolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO izy, dia ondrilahy iray izay feno iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana manontolo, ondrivavy iray izay iray taona sady tsy misy kilema, hatao fanatitra noho ny ota, ondrilahy iray tsy misy kilema, ho fanati-pihavanana,
15
ary mofo tsy misy masirasira iray harona, mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo, mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
16
Dia haterin’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO ireo; hateriny koa ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatiny dorana manontolo;
17
dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO; hoentiny koa ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ny mpisorona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay noentiny sy ny fanatiny aidina.
18
Ary ny Nazirita dia hanaratra ny lohany izay voatokana eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana, ary horaisiny ny volon-dohany izay voatokana ka hataony eo amin’ny afo izay eo ambanin’ny fanati-pihavanana.
19
Halain’ny mpisorona ny sorok’ondrilahy izay efa masaka sy ny mofo iray tsy misy masirasira avy ao an-karona ary mofo manify iray tsy misy masirasira ka hatolony eo an-tanan’ny Nazirita, rehefa voaharatra ny lohany izay voatokana.
20
Dia hataon’ny mpisorona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo; masina ho an’ny mpisorona izany, ho fanampin’ny tratrany nasandratra sy ny feny nalaina avy amin’ny fanatitra; aorianan’izany kosa dia mahazo misotro divay ny Nazirita.
21
Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay mivoady hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany.
22
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
23
Mitenena amin’i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no teny hoentinareo mitsodrano ny Zanak’Israely:
24
Hitahy anao anie NY TOMPO ka hiaro anao;
25
hampamirapiratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hamindra fo aminao;
26
hanandratra ny tavany aminao anie NY TOMPO ka hanome anao fiadanana.
27
Dia hametraka ny anarako amin’ny Zanak’Israely izy ireo ary Izaho hitahy azy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36