bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 15
Numbers 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 16 →
1
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe:
2
Rehefa tonga any amin’ny tany honenanareo izay omeko anareo ianareo
3
ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, na omby na ondry aman’osy hatao fanatitra dorana manontolo na fanatitra hafa alatsa-dra hanalana voady, na an-tsitrapo na amin’ny fotoam-piangonanareo, hanaovana hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO
4
izay manolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO dia hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo ampahefatry ny hina;
5
ary divay ampahefatry ny hina hatao fanatitra aidina no hampombainareo ny fanatitra dorana manontolo, na ny fanatitra hafa alatsa-dra, miaraka amin’ny zanak’ondry tsirairay.
6
Ho fanampin’ny ondrilahy iray dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo ampahatelon’ny hina, no haterinao ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
7
ary divay ampahatelon’ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
8
Ary raha manolotra omby ho fanatitra dorana manontolo na ho fanatitra hafa alatsa-dra, hanalana voady, na ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO ianao,
9
dia fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa no hatolotrao ho fanampin’ny omby iray, dia koba tsara toto telo ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo antsasaky ny hina;
10
ary divay antsasaky ny hina no hatolotrao ho fanatitra aidina, ho fanatitra levonina amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO.
11
Izany no ampombaina ny omby tsirairay, na ny ondrilahy tsirairay, na ny zanak’ondry tsirairay, na ny zanak’osy tsirairay.
12
Tahaka izany no hataonareo amin’izy rehetra, araka ny isan’ny zavatra atolotrareo.
13
Ny tompon-tany rehetra dia samy hanao ireo zavatra ireo araka izany, raha manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy.
14
Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy, dia araka izay ataonareo no hataony.
15
Ary ny amin’ny fiangonana dia lalàna iray ihany no ho aminareo sy izay mpifindra monina eo aminareo koa, dia lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany; tsy hisy hafa eo anatrehan’NY TOMPO na ianareo na ny mpifindra monina.
16
Lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo.
17
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
18
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Rehefa tonga any amin’ny tany izay itondrako anareo ianareo
19
ka hihinana mofo avy amin’ny vokatry ny tany dia atokàny izay ho an’NY TOMPO.
20
Hanokana mofo iray izay hatao amin’ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta ianareo; tahaka izay atokana avy eo amin’ny famoloana no hanokananareo izany.
21
Ny voalohan’ny kobanareo voafetafeta dia hanomezanareo ho an’NY TOMPO hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby.
22
Raha manota tsy nahy ianareo ka tsy nahatanteraka ireo didy rehetra ireo, izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy,
23
dia izay rehetra nandidian’NY TOMPO anareo tamin’ny alalan’i Mosesy, hatramin’ny andro izay nanaovan’NY TOMPO izany didy izany ka hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby,
24
ary natao tsy nahy izany ota izany ka tsy fantatry ny fiangonana, dia hanatitra vantotra ombilahy iray ny fiangonana manontolo ho fanatitra dorana manontolo, ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy, araka ny fanao, ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota.
25
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka havela ny helony satria natao tsy nahy izany; hanolotra ny fanatiny izy, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny fanatiny, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny ota tsy nahy nataony.
26
Dia havela ny heloky ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, mbamin’izay mpifindra monina eo aminy; fa nahazo ny olona rehetra izany noho ny ota tsy nahy.
27
Ary raha olona iray kosa no manota tsy nahy dia hanatitra osivavy iray izay iray taona izy ho fanatitra noho ny ota.
28
Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny olona izay nanota tsy nahy eo anatrehan’NY TOMPO ka havela ny helony.
29
Lalàna iray ihany no hatao amin’izay manota tsy nahy, na amin’ny tompon-tany eo amin’ny Zanak’Israely izany, na amin’ny mpifindra monina eo aminareo.
30
Fa ny olona izay manota amin’ny fanahy iniana kosa, na tompon-tany na mpifindra monina, dia manamavo NY TOMPO izy ka hofongorana tsy ho amin’ny fireneny.
31
Fa ny tenin’NY TOMPO no nohamavoiny ary ny lalànany no nodikainy, dia hofongorana tokoa izany olona izany; ary ny helony dia ho aminy ihany.
32
Raha tany an-tany efitra ny Zanak’Israely dia nisy lehilahy iray tratra nanangona kitay hazo tamin’ny andro Sabata.
33
Ary ireo nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin’i Mosesy sy i Arona ary ny fiangonana manontolo.
34
Dia nambenana Ralehilahy satria tsy mbola fantatra mazava izay hatao aminy.
35
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Hovonoina ho faty izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan’ny toby ny fiangonana manontolo.
36
Dia namoaka azy ho eny ivelan’ny toby ny fiangonana manontolo ka nitora-bato azy, dia maty izy, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ihany.
37
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
38
Mitenena amin’ny Zanak’Israely ka asaivo asiany morontongony ny sisin’ny fitafiany, hatramin’ny taranany fara aman-dimby; aoka hasiany kofehy manga eo amin’io morontongotr’akanjony io.
39
Ho toy izany ny morontongotr’akanjonareo, koa rehefa jerenareo izany dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin’NY TOMPO rehetra; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo, izay andehananareo hijangajangana.
40
Hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra ka ho masina ho an’Andriamanitrareo ianareo.
41
Izaho no TOMPO Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta mba ho Andriamanitrareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36