bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 31
Numbers 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy indray hoe:
2
Valio noho ny nataony tamin’ny Zanak’Israely ny Midianita, ary rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao.
3
Dia niteny tamin’ny olona i Mosesy hoe: Misia aminareo mandray fiadiana ka hanafika ny Midianita mba hahatanteraka ny famalian’NY TOMPO ny Midianita.
4
Arivo lahy avy isam-poko amin’ny fokon’ny Israely no halefanareo hanafika.
5
Dia navahana tamin’ny fokon’ny Israely ny arivo isam-poko, izany hoe roa arivo sy iray alina, samy mitam-piadiana.
6
Nampandehanin’i Mosesy hanafika ireo arivo lahy isam-poko ireo sy i Finehasa, zanak’i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tanany, miaraka amin’ireo trompetra fanairana.
7
Dia niady tamin’ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy; dia matiny ny lehilahy rehetra.
8
Ary matiny niaraka tamin’ireny koa ny mpanjakan’i Midiana dimy lahy, dia i Evy, i Rekema, i Zora, i Hora ary i Reba; ary i Balama, zanak’i Beora koa dia novonoiny tamin’ny sabatra.
9
Nobaboin’ny Zanak’Israely koa ny vehivavy midianita sy ny zanany madinika; nalainy avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman’ondriny rehetra mbamin’ny fananany rehetra.
10
Ary ny tanàna rehetra izay nonenany sy ny tobiny rehetra dia nodoran’izy ireo tamin’ny afo.
11
Dia nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
12
ka noentiny tany amin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ary ny fiangonan’ny Zanak’Israely teo an-toby, tany Arbota-Moaba izay eo amoron’i Jordana tandrifin’i Jeriko.
13
Ary i Mosesy sy i Eleazara mpisorona mbamin’ny lohan’ny fiangonana rehetra dia nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan’ny toby.
14
Nefa tezitra tamin’ny mpifehy ny miaramila i Mosesy, dia tamin’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy nanafika,
15
ka hoy izy tamin’ireo: Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra?
16
Ireo ihany no nampikomy ny Zanak’Israely tamin’NY TOMPO noho ny tenin’i Balama, tamin’ilay raharahan’i Peora, ka nahazo ny fiangonan’NY TOMPO ilay areti-mandringana.
17
Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
18
Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy kosa dia velomy ho anareo.
19
Mitobia eo ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany amin’ny andro fahatelo sy ny andro fahafito, na ianareo, na ny olona babonareo.
20
Ny fitafiana rehetra na ny fanaka hoditra na ny fanaka volon’osy na ny fanaka hazo dia diovy avokoa.
21
Ary hoy i Eleazara mpisorona tamin’ireo mpanafika, izay efa tany amin’ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy:
22
Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny firapotsy ary ny firaka,
23
dia ny zavatra rehetra izay mahatanty afo, dia ataovy ao amin’ny afo mba hadio. Kanefa hodiovina amin’ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin’ny rano ihany.
24
Sasao koa ny fitafianareo amin’ny andro fahafito dia hadio ianareo, koa rehefa afaka izany vao mahazo miditra ao amin’ny toby ianareo.
25
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
26
Alaonao sy i Eleazara mpisorona sy ny lohan’ny fianakaviana ao amin’ny fiangonana ny isan’ny babo izay azo, na olona na biby fiompy.
27
Sasaho ny babo ho an’izay niady, dia ireo izay nanafika, sy ho an’ny fiangonana manontolo;
28
kanefa makà anjara ho an’NY TOMPO avy amin’ny mpanafika izay nandeha nanafika, dia iray isan-dimanjato, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy;
29
ilay antsasany izay anjaran’ireo no hanalanao izany ka homenao an’i Eleazara mpisorona ho fanomezana ho an’NY TOMPO.
30
Ary ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely kosa dia analao iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry aman’osy, dia ny biby fiompy rehetra ka omeo ho an’ny levita izay mitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO.
31
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
32
Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon’ny mpanafika dia ondry aman’osy dimy arivo sy fito alina sy enina hetsy,
33
omby roa arivo sy fito alina,
34
boriky arivo sy enina alina
35
ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo sy telo alina.
36
Ireto ny antsasany izay anjaran’ny mpanafika: Dimanjato sy fito arivo sy telo alina sy telo hetsy ny ondry aman’osy;
37
ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo ondry aman’osy ireo dia dimy amby fitopolo sy eninjato.
38
Ny omby kosa dia enina arivo sy telo alina; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia roa amby fitopolo.
39
Dimanjato sy telo alina ny boriky; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia iraika amby enimpolo.
40
Ny olona indray dia enina arivo sy iray alina; ny anjaran’NY TOMPO avy tamin’ireo dia roa amby telopolo.
41
Dia nomen’i Mosesy an’i Eleazara mpisorona ny fanomezana izay nalaina ho an’NY TOMPO, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
42
Avy tamin’ilay antsasany izay an’ny Zanak’Israely, izay nozarain’i Mosesy avy tamin’ny mpanafika,
43
dia ilay antsasany izay an’ny fiangonana; izany hoe ondry aman’osy dimanjato sy arivo sy telo alina sy telo hetsy,
44
omby enina arivo sy telo alina,
45
boriky dimanjato sy telo alina
46
ary olona enina arivo sy iray alina.
47
Tamin’ny antsasany izay an’ny Zanak’Israely no nanalan’i Mosesy iray isan-dimampolo, na olona na biby fiompy, ka nomeny ho an’ny levita mpitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
48
Ary ireo mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an’i Mosesy
49
ka niteny taminy hoe: Ny mpanomponao dia efa naka ny isan’ny mpanafika izay nofehezinay ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray aza;
50
koa nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana, haba, peratra fitombo-kase, kavina ary firavaka iambozonana, hanaovana fanavotana ho an’ny ainay eo anatrehan’NY TOMPO.
51
Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona taminy ny volamena izay firavaka voatefy avokoa.
52
Ary ny volamena rehetra izay natokan’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho fanomezana ho an’NY TOMPO dia sekela dimampolo sy fitonjato sy enina arivo sy iray alina
53
satria ny mpanafika dia samy namabo ho an’ny tenany.
54
Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka noentiny tao amin’ny tranolay fihaonana, ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36