bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 5
Numbers 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
1
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
2
Mandidia ny Zanak’Israely hamoaka ny boka rehetra sy ny marary mitsika rehetra ary ny maloto tamim-paty rehetra hiala amin’ny toby.
3
Na lehilahy na vehivavy dia samy havoakanareo any ivelan’ny toby, mba tsy handoto ny tobiny izay itoerako eo anivony.
4
Dia nanatanteraka izany ny Zanak’Israely ka namoaka ireny ho any ivelan’ny toby; araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely.
5
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
6
Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ny olona ka manao izay mahadiso eo anatrehan’NY TOMPO ary meloka
7
dia tsy maintsy hiaiky ny fahotana izay nataony izy ary hanonitra feno ka hanampy ny ampahadiminy, ary homeny an’ilay nanaovany fahadisoana izany.
8
Fa raha toa ka tsy manana havana mpanavotra hanaterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona dia ho an’NY TOMPO ny zavatra naterina ho fanonerana ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovan’ny mpisorona fanavotana ho azy.
9
Ary ny anjara rehetra alaina avy amin’ny zava-masina rehetra atolotry ny Zanak’Israely, izay atolony ho an’ny mpisorona, dia ho azy.
10
Ho azy koa ny zava-masina aterin’ny olona rehetra; na inona na inona omen’ny olona ho an’ny mpisorona, dia ho azy izany.
11
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
12
Mitenena amin’ny Zanak’Israely hoe: Na iza na iza vadin’olona mivaona ka mamitaka ny lahy,
13
satria nisy lehilahy nandry taminy, saingy tsy hitan’ny lahy fa miafina Ravehivavy ka voaloto, nefa tsy misy vavolombelona hiampanga azy ary tsy nisy izay nahatratra azy,
14
na koa misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto Ravehivavy, na raha misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, kanefa tsy voaloto Ravehivavy,
15
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-barimbazaha ampahafolon’ny efaha. Tsy handrarahany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
16
Hampanakaiky azy ny mpisorona ka hampijoro azy eo anatrehan’NY TOMPO.
17
Dia haka rano nohamasinina amin’ny lovia tany ny mpisorona; ary ny vovoka eo amin’izay itoeran’ny tabernakely dia hakan’ny mpisorona ka hataony amin’ny rano.
18
Ary hatsangan’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO Ravehivavy ka harakarakany ny volon-dohan-dRavehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ho eo an-tanan’ny mpisorona ny rano mangidy izay mitondra ozona.
19
Dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona ka hiteny aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao ka tsy nivaona tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana ianao dia aoka ho afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao;
20
fa raha nivaona tamin’ny vadinao kosa ianao ka voaloto, fa nisy lehilahy nandry taminao, afa-tsy ny vadinao,
21
dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona mba hiozona ka hiteny aminy hoe: NY TOMPO anie hanao anao ho fiozonana sy ho fianianana eo amin’ny firenenao, amin’ny fampifezahan’NY TOMPO ny fenao sy ny fampivontosany ny kibonao;
22
ary ity rano mitondra ozona ity dia hiditra any amin’ny tsinainao ka hampivonto ny kibonao sy hampifezaka ny fenao! Ary Ravehivavy hiteny hoe: Amena! Amena!
23
Dia hosoratan’ny mpisorona amin’ny taratasy izany fiozonana izany ka hosasany eo amin’ny rano mangidy ny soratra;
24
ary hampisotroiny an-dRavehivavy ny rano mangidy mitondra ozona; ary ny rano izay mitondra ozona dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy.
25
Dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dRavehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hasandrany eo anatrehan’NY TOMPO izany ka hatolony eo amin’ny alitara.
26
Dia horaofin’ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara; rehefa afaka izany, vao hampisotroiny io rano io Ravehivavy.
27
Koa rehefa nampisotroina ny rano izy, raha voaloto, satria nanao izay nahadiso azy tamin’ny vadiny, dia hiditra ao anatiny ho zava-mangidy ny rano mitondra ozona, ary hivonto ny kibony sady hifezaka ny feny ka ho fiozonana eo amin’ny fireneny Ravehivavy.
28
Raha tsy voaloto kosa Ravehivavy fa madio dia ho afaka izy ka hanana anaka.
29
Izany no lalàna ny amin’ny ahiahy, raha misy vehivavy mivaona amin’ny vadiny ka voaloto;
30
na, raha misy lehilahy azon’ny fiahiahiana ka miahiahy ny vadiny dia hampitoetra ny vadiny eo anatrehan’NY TOMPO izy, ary hanefa izany lalàna rehetra izany aminy ny mpisorona.
31
Dia tsy hanan-tsiny Ralehilahy, fa Ravehivavy kosa dia ho meloka.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36