bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 7
Numbers 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 8 →
1
Tamin’ny andro nahavitan’i Mosesy ny fananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy izy, nanosotra sy nanamasina ireo izy.
2
Dia nitondra fanatitra ireo lohan’ny firenen’ny Israely, dia ny lohan’ny fianakaviana isanisany; ireo no lohan’ny fokony avy, izay nifehy ny voaisa.
3
Ary izy ireo dia nitondra ny fanatiny teo anatrehan’NY TOMPO, dia sarety enina mirakotra sy omby roa amby folo, koa sarety iray sy omby iray avy ny avy tamin’ny lehiben’ny firenena roa, ary omby iray avy; dia noentin’izy ireo teo anoloan’ny tabernakely izany.
4
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy hoe:
5
Raiso avy aminy ireo hanaovana ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana ka omeo ny levita, dia samy araka ny fanompoany avy.
6
Dia noraisin’i Mosesy ny sarety sy ny omby ka nomeny ny levita.
7
Sarety roa sy omby efatra no nomeny ho an’ny taranak’i Gersona, araka ny fanompoany;
8
ary sarety efatra sy omby valo no nomeny ho an’ny taranak’i Merary, araka ny fanompoany teo ambany fitarihan’Itamara, zanak’i Arona mpisorona.
9
Fa ny taranak’i Kehata kosa tsy mba nomeny na dia iray akory aza, satria ny fanompoana momba ny fitoerana masina no anjarany, ary eo an-tsorony ihany no hilanjany azy.
10
Ireo lohan’ny foko kosa no nanolotra fanatitra ho amin’ny fitokanana ny alitara amin’ny andro izay hanosorana azy; samy nanolotra ny fanatiny teo anoloan’ny alitara ireo lohan’ny foko.
11
Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Aoka ireo lohan’ny foko hanolotra ny fanatiny, samy araka ny androny avy, ho amin’ny fitokanana ny alitara.
12
I Nasona, zanak’i Aminadaba, avy tamin’ny fokon’i Joda no nanolotra ny fanatiny tamin’ny andro voalohany.
13
Lovia volafotsy iray, milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny; miaraka amin’io koa, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
14
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
15
ny ho fanatitra dorana manontolo dia vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry iray izay iray taona;
16
osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota;
17
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Nasona, zanak’i Aminadaba.
18
Tamin’ny andro faharoa dia i Netanela, zanak’i Zoara, lohan’ny taranak’i Isakara, no nanolotra ny fanatiny.
19
Nanolotra ny fanatiny izy, dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
20
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
21
ary vantotra ombilahy iray sy ondrilahy iray ary zanak’ondry iray izay iray taona kosa no ho fanatitra dorana manontolo;
22
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
23
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Netanela, zanak’i Zoara.
24
Tamin’ny andro fahatelo dia ny lohan’ny taranak’i Zebolona, i Eliaba, zanak’i Helona, no nanolotra ny fanatiny.
25
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
26
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
27
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
28
osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
29
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Eliaba, zanak’i Helona.
30
Tamin’ny andro fahefatra dia ny lohan’ny taranak’i Robena, i Elizora, zanak’i Sedeora, no nanolotra ny fanatiny.
31
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
32
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
33
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
34
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
35
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Elizora, zanak’i Sedeora.
36
Tamin’ny andro fahadimy dia ny lohan’ny taranak’i Simeona, i Selomiela, zanak’i Zorisaday, no nanolotra ny fanatiny.
37
Lovia volafotsy iray kosa no fanatiny, sekela telopolo amby zato no lanjany, dia lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
38
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
39
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry izay iray taona, iray, ho fanatitra dorana manontolo;
40
osilahy iray ho fanatitra noho ny ota;
41
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry izay iray taona, dimy; ireo no fanatitr’i Selomiela, zanak’i Zorisaday.
42
Tamin’ny andro fahenina dia ny lohan’ny taranak’i Gada, i Eliasafa, zanak’i Deoela, no nanolotra.
43
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, ary lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
44
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
45
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
46
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
47
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Eliasafa, zanak’i Deoela.
48
Tamin’ny andro fahafito dia ny lohan’ny taranak’i Efraima, i Elisama, zanak’i Amihoda, no nanatitra.
49
Lovia volafotsy iray, milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny, dia lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
50
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
51
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray taona iray, ho fanatitra dorana manontolo;
52
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
53
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Elisama, zanak’i Amihoda.
54
Tamin’ny andro fahavalo dia ny lohan’ny taranak’i Manase, i Gamaliela, zanak’i Pedazora, no nanatitra.
55
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, sy lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
56
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
57
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
58
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
59
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Gamaliela, zanak’i Pedazora.
60
Tamin’ny andro fahasivy dia ny lohan’ny taranak’i Benjamina, i Abidana, zanak’i Gideony.
61
Ny fanatiny kosa dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana koa, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa ireo dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
62
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
63
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
64
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
65
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Abidana, zanak’i Gideony.
66
Tamin’ny andro fahafolo dia ny lohan’ny taranak’i Dana, i Ahiezera, zanak’i Amisaday, no nanolotra ny fanatiny.
67
Ny fanatiny dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry izy roa;
68
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
69
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona kosa no ho fanatitra dorana manontolo;
70
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
71
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Ahiezera, zanak’i Amisaday.
72
Tamin’ny andro fahiraika amby folo indray dia ny lohan’ny taranak’i Asera, i Pagiela, zanak’i Okrana, no nanatitra.
73
Ny fanatiny koa dia lovia volafotsy iray, sekela telopolo amby zato no lanjany, lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
74
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
75
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
76
osilahy iray, ho fanatitra noho ny ota;
77
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Pagiela, zanak’i Okrana.
78
Tamin’ny andro faharoa amby folo, dia ny lohan’ny taranak’i Naftaly, i Ahira, zanak’i Enana, no nanatitra.
79
Lovia volafotsy iray milanja sekela telopolo amby zato no fanatiny, dia lovia volafotsy iray famafazana, sekela fitopolo, araka ny sekela masina; izy roa dia samy feno koba tsara toto voaharo diloilo, ho fanatitra avy amin’ny zavamaniry;
80
lovia kely volamena iray, sekela folo, feno ditin-kazo manitra;
81
vantotra ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana manontolo;
82
osilahy iray no ho fanatitra noho ny ota;
83
ary ho fanati-pihavanana dia omby roa, ondrilahy dimy, osilahy dimy, zanak’ondry dimy izay iray taona; ireo no fanatitr’i Ahira, zanak’i Enana.
84
Ireo no zavatra naterin’ireo lohan’ny Israely ho amin’ny fitokanana ny alitara tamin’ny andro izay hanosorana azy: Lovia volafotsy roa amby folo, lovia volafotsy famafazana roa amby folo, lovia kely volamena roa amby folo;
85
sekela telopolo amby zato avy no lanjan’ny lovia volafotsy, sekela fitopolo avy ny lovia famafazana; ny lanjan’ny volafotsy rehetra tamin’ireo fanaka ireo dia sekela efajato sy roa arivo, araka ny sekela masina;
86
lovia kely volamena roa amby folo, feno ditin-kazo manitra, milanja sekela folo avy, araka ny sekela masina; ny lanjan’ny lovia kely volamena rehetra dia sekela roapolo amby zato.
87
Ny biby rehetra izay hatao fanatitra dorana manontolo dia vantotra ombilahy roa amby folo, ondrilahy roa amby folo, zanak’ondry roa amby folo izay iray taona, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry miaraka aminy, ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota.
88
Ary ny biby rehetra izay hatao fanati-pihavanana dia vantotra ombilahy efatra amby roapolo, ondrilahy enimpolo, osilahy enimpolo, zanak’ondry enimpolo, izay samy iray taona. Izany no nateriny ho amin’ny fitokanana ny alitara rehefa voahosotra izy.
89
Rehefa niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy mba hiteny amin’Andriamanitra dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin’ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona, avy eo anelanelan’ny kerobima roa. Dia niteny taminy NY TOMPO.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36