bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 30
Numbers 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
1
Dia nolazain’i Mosesy tamin’ny Zanak’Israely izany, araka izay rehetra efa nandidian’NY TOMPO azy.
2
Ary niteny tamin’ireo lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izao no teny izay nandidian’NY TOMPO:
3
Raha misy lehilahy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO dia tsy hamadika ny teny nataony izy fa araka izay rehetra naloaky ny vavany no hataony.
4
Raha misy indray vehivavy mifehy tena amin’ny voady amin’NY TOMPO, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy izy
5
ka ren’ilay rainy ny voadiny sy ny namehezany tena hifady, nefa tsy niteny azy rainy, dia manan-kery ny voadiny sy izay fatotra namehezany tena, na inona na inona izany.
6
Fa raha nandrara azy ny rainy tamin’ny andro nandrenesany dia tsy manan-kery ny voadiny na izay namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony satria nandrara azy ny rainy.
7
Raha manambady izy ka misy voady efa nataony na misy teniteny foana nataon’ny molony ka namehezany ny tenany,
8
raha nandre izany ny lahy, nefa tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany, dia manan-kery ny voadiny sy izay namehezany ny tenany.
9
Fa raha nandrara azy ny vadiny tamin’ny andro nandrenesany azy niteny dia hofoanan-dRalehilahy ny voady izay noteneniny sy izay teniteny foana naloaky ny vavany ka namehezany tena; ary NY TOMPO hamela ny helony.
10
Fa ny amin’ny voadin’ny vehivavy maty vady na ny efa nisaorana kosa dia manan-kery izay rehetra namehezany tena.
11
Raha misy vehivavy manambady kosa ka mivoady na mianiana mamehy tena tamin’ny voady
12
ka mandre ny vadiny, nefa tsy miteny azy na mandrara azy, dia manan-kery ny voadiny na izay rehetra namehezany tena.
13
Fa raha manafoana izany kosa ny vadiny amin’ny andro andrenesany azy miteny dia tsy manan-kery izay rehetra naloaky ny vavany ho voadiny na ho famehezany tena; ny vadiny no manafoana izany ary NY TOMPO hamela ny helony.
14
Ny voady rehetra sy ny fianianana rehetra amehezany tena hampahory ny tenany dia ny lahy ihany no hampanan-kery azy na hanafoana azy.
15
Fa raha tsy miteny azy hatramin’ny ampitson’iny ny lahy dia mampanan-kery ny voadin-dRavehivavy rehetra izy na izay rehetra namehezany tena; mampanan-kery ireny izy satria tsy niteny azy tamin’ny andro nandrenesany azy nivoady.
16
Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorianan’ny nandrenesany azy dia izy no hitondra ny heloky ny vavy.
17
Ireo no fitsipika nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny lehilahy sy ny vadiny ary ny amin’ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza ao an-tranon’ny rainy Razazavavy.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36