bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 36
Numbers 36
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
1
Dia nanatona ireo loham-pianakaviana tamin’ny fokon’ireo taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’ireo taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’ireo lehibe, izay loham-pianakaviana tamin’ny Zanak’Israely hoe:
2
Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.
3
Koa raha manambady ny zanakalahin’ny foko sasany amin’ny Zanak’Israely ireo dia hesorina amin’izay an’ny razanay ny zarataniny ka hanampy ny zaratanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zarataninay izay azonay tamin’ny antsapaka izany.
4
Ary raha tonga ny Jobilin’ny Zanak’Israely, ny zarataniny dia hanampy ny an’ny foko izay hatoniny, ary izay azy dia hesorina amin’ny zaratanin’ny razanay.
5
Ary nandidy ny Zanak’Israely araka ny tenin’NY TOMPO i Mosesy hoe: Marina ny tenin’ireo foko taranak’i Josefa.
6
Izao no teny izay andidian’NY TOMPO ny amin’ny zanakavavin’i Zelofada: Mahazo manambady izay tiany izy, nefa avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany no hovadiny.
7
Tsy hafindra foko ny zaratanin’ny firenen’ny Zanak’Israely fa samy hifikitra ao amin’ny zaratanin’ny razany avy.
8
Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zaratany eo amin’ny foko iray amin’ny Zanak’Israely dia hanambady lehilahy avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany mba hananan’ny Zanak’Israely rehetra ny zaratanin’ny razany avy.
9
Aoka tsy hisy hifindra foko ny zaratany samihafa, fa samy hifikitra eo amin’ny azy avy ny Zanak’Israely.
10
Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny zanakavavin’i Zelofada,
11
koa i Mahala, i Tirza, i Hogla, i Milka ary i Noa, zanakavavin’i Zelofada, dia samy nanambady ny zanaky ny rahalahin-drainy avy.
12
Izay avy tamin’ny fokon’ny taranak’i Manase, zanak’i Josefa, no novadin’ireo, dia nitoetra teo amin’ny fokon’ny mpianakavin’ny rainy ihany ny zarataniny.
13
Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian’NY TOMPO ka nampitondrainy an’i Mosesy ho amin’ny Zanak’Israely tany Arbota-Moaba, teo amoron’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36