bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Numbers 16
Numbers 16
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 17 →
1
Ary nitsangana nanohitra an’i Mosesy i Kora, zanak’i Jizara, zanak’i Kehata, zanak’i Levy sy i Datana, ary i Abirama, zanak’i Eliaba, sy i Ona, zanak’i Peleta, izay samy taranak’i Robena,
2
niaraka tamin’ny dimampolo sy roanjato lahy tamin’ny Zanak’Israely, izay samy lohan’ny fiangonana avokoa, dia olona izay voaantso teo amin’ny fiangonana sady nanan-daza.
3
Nitambatra hikomy tamin’i Mosesy sy i Arona izy ireo ka niteny taminy hoe: Ampy izay! Masina ny fiangonana manontolo, sady NY TOMPO no eo aminy. Koa nahoana ianareo no dia manandra-tena ho ambonin’ny fiangonan’NY TOMPO?
4
Raha nandre izany i Mosesy dia niankohoka tamin’ny tany
5
ka niteny tamin’i Kora sy ireo namany rehetra hoe: Rahampitso dia hasehon’NY TOMPO izay Azy sy izay masina ka havelany hanakaiky Azy; koa izay fidiny no havelany hanakaiky Azy.
6
Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo antokony rehetra: Mitondrà fitondrana afo, rahampitso,
7
dia asio afo ao anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy, eo anatrehan’NY TOMPO; koa ny lehilahy izay fidin’NY TOMPO, dia izy no ho masina. Fa ampy izay, ry taranak’i Levy!
8
Dia hoy koa i Mosesy tamin’i Kora: Henoy, ry taranak’i Levy:
9
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nanavahan’Andriamanitr’Israely anareo tamin’ny fiangonan’ny Israely ka namelany anareo hanakaiky Azy mba hanaovanareo ny fanompoana momba ny tabernakelin’NY TOMPO sy hijoroanareo eo anatrehan’ny fiangonana hanompo azy?
10
Navelany hanakaiky Azy ianao sy ireo rahalahinao taranak’i Levy rehetra miaraka aminao, dia mbola mitady ho mpisorona mihitsy koa va ianareo?
11
Izany no niraisanao hevitra tamin’ny namanao rehetra mba hikomy amin’NY TOMPO! Fa i Arona moa no inona no imonomononanareo?
12
Ary i Mosesy dia nampiantso an’i Datana sy i Abirama, zanak’i Eliaba. Hoy anefa izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay!
13
Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ny tany tondra-dronono sy tantely ka hahafaty anay atỳ an-tany efitra atỳ no dia milaza anao ho lehibenay koa ianao?
14
Ary ianao dia tsy nitondra anay akory ho any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay, koa hopotsirinao ary va ny mason’ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay!
15
Dia tezitra indrindra i Mosesy ka niteny tamin’NY TOMPO hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Ianao. Tsy naka taminy aho na dia boriky iray akory aza ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ny iray aminy akory aza aho.
16
Dia hoy i Mosesy tamin’i Kora: Aoka ianao sy ny antokonao rehetra ho tonga eo anatrehan’NY TOMPO rahampitso, dia ianao sy ireo namanao ary i Arona.
17
Ary samia maka ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ka asio ditin-kazo manitra ao anatiny ary samia mitondra ny fitondrany afo avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’NY TOMPO, fitondrana afo dimampolo sy roanjato; ianao sy i Arona dia samy hitondra ny fitondrany afo avy.
18
Ary samy nitondra ny fitondrany afo avy izy rehetra ka nanisy afo tao anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo amboniny; ary nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana izy mbamin’i Mosesy sy i Arona.
19
Ary nanangona ny antokony rehetra ho eo anoloan’ny varavaran’ny tranolay fihaonana i Kora mba hanohitra azy roa lahy. Tamin’izay dia niseho tamin’ny fiangonana manontolo ny voninahitry NY TOMPO.
20
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy sy i Arona hoe:
21
Mihataha amin’ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ny indray mipy maso monja.
22
Dia niankohoka tamin’ny tany izy roa lahy ka niteny hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ny nofo rehetra, olona iray no nanota dia ho tezitra amin’ny ny fiangonana manontolo va Ianao?
23
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
24
Mitenena amin’ny fiangonana hoe: Mihataha tsy hanodidina ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama.
25
Dia nitsangana i Mosesy ka nankeo amin’i Datana sy i Abirama; ary nanaraka azy ireo ny loholon’ny Israely.
26
Dia niteny tamin’ny fiangonana izy hoe: Mialà amin’ny tranolain’ireo olon-dratsy ireo ary aza mikasika izay rehetra azy akory, fandrao haringana noho ny fahotany rehetra koa ianareo.
27
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ny tranolain’i Kora sy i Datana ary i Abirama. Ary nivoaka i Datana sy i Abirama ka nijanona teo anoloan’ny varavaran’ny tranolainy, niaraka tamin’ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo zanany madinika.
28
Dia hoy i Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa NY TOMPO no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ny saiko izany:
29
Raha maty toy ny fahafatesan’ny olona rehetra ireo olona ireo na mahazo famaliana sahala amin’ny olona rehetra dia tsy NY TOMPO no naniraka ahy.
30
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa NY TOMPO ka hisokatra ny tany ary hitelina azy ireo mbamin’izay azy rehetra ary ho latsaka velona any amin’ny fitoeran’ny maty izy dia ho fantatrareo fa efa nanamavo NY TOMPO ireo lehilahy ireo.
31
Rehefa tapitra voalazany izay teny rehetra izay dia nivava ny tany izay teo ambanin’iretsy;
32
eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany mbamin’ny olona rehetra izay an’i Kora ary ny fananany rehetra.
33
Dia nidina velona ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ireo mbamin’izay azy rehetra; nikatona taminy ny tany ka fongotra tsy ho eo amin’ny fiangonana intsony izy ireo.
34
Ary ny Israely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy ireo: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
35
Ary nisy afo nivoaka avy tamin’NY TOMPO ka nandevona ireo lehilahy dimampolo sy roanjato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36