bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 11
Genesis 11
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 12 →
1
Iray fiteny sy iray fanonona ny tany rehetra.
2
Nony nandeha niantsinanana ny olona dia nahita tany lemaka tao amin’ny tany Senaara izy, ka niorim-ponenana teo.
3
Dia nifampilaza izy nanao hoe: «Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.» Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
4
Hoy koa izy: «Andeha isika hanorina tanàna anankiray, ary tilikambo anankiray mahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanangana tsangam-bato ho antsika, fandrao tafaely any ambonin’ny tany rehetra isika.»
5
Fa nidina kosa i Iaveh hizaha ny tanàna aman-tilikambo nataon’ny zanak’olombelona.
6
Dia hoy i Iaveh: «Indro firenena iray izy ireo ary fiteny iray no iraisan’izy rehetra, ary ity asa ity no iandohan’izay tiany hatao; amin’izao dia tsy hisy na inona na inona hisakana azy tsy hanatanteraka izay kasainy hatao.
7
Andeha isika hidina ao ihany ka hanorokoro ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny intsony izy.»
8
Dia napariak’i Iaveh avy eo izy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra, ka nitsahatra tsy nanao ilay tanàna intsony.
9
Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan’i Iaveh ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan’i Iaveh azy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra.
10
Izao no taranak’i Sema: Efa zato taona i Sema, vao niteraka an’i Arfaksada, roa taona taorian’ny safodrano.
11
Mbola velona dimanjato taona i Sema taorian’ny niterahany an’i Arfaksada, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
12
Rehefa dimy amby telopolo taona ny andro niainan’i Arfaksada, dia niteraka an’i Sale izy.
13
Ary mbola velona telo amby efajato taona i Arfaksada, taorian’ny niterahany an’i Sale, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
14
Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Sale dia niteraka an’i Ebera izy.
15
Mbola velona telo amby efajato taona i Sale taorian’ny niterahany an’i Ebera, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
16
Rehefa efatra amby telopolo taona ny andro niainan’i Ebera dia niteraka an’i Falega izy.
17
Ary mbola velona telopolo sy efajato taona i Ebera, taorian’ny niterahany an’i Falega, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
18
Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Falega dia niteraka an’i Reo izy.
19
Ary mbola velona sivy amby roan-jato taona i Falega taorian’ny niterahany an-dReo, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
20
Rehefa roa amby telopolo taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an’i Saroga izy.
21
Ary mbola velona fito sy roan-jato taona i Reo, taorian’ny niterahany an’i Saroga, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
22
Rehefa telopolo taona ny andro niainan’i Saroga dia niteraka an’i Nakôra izy.
23
Ary mbola velona roan-jato taona i Saroga, taorian’ny niterahany an’i Nakôra, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
24
Rehefa sivy amby roapolo taona ny andro niainan’i Nakôra, dia niteraka an’i Tare izy.
25
Ary mbola velona sivy ambin’ny folo amby zato taona i Nakôra taorian’ny niterahany an’i Tare, sady niteraka zazalahy aman-jazavavy izy.
26
Rehefa fitopolo taona ny andro niainan’i Tare, dia niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna izy.
27
Izao no taranak’i Tare: I Tare niteraka an’i Abrama sy i Nakôra ary i Aràna. I Aràna niteraka an’i Lôta.
28
Ary i Aràna maty teo anatrehan’i Tare rainy, tany amin’ny tany nahaterahany, any Ora any Kaldea.
29
I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.
30
Ary i Saray dia momba; tsy niteraka izy.
31
Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.
32
Dimy amby roan-jato taona no andro niainan’i Tare. Dia maty tao Haràna izy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50