bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 45
Genesis 45
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 46 →
1
Dia tsy nahatsindry fo intsony i Josefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe: «Avoahy avokoa ny olona rehetra!» Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.
2
Nanandra-peo izy nitomany ka ren’ny Ejiptianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.
3
Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.
4
Ary i Josefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe: «Manatòna eto amiko ianareo,» dia nanatona izy, ka hoy izy: «Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho aty Ejipta.
5
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho aty, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.
6
Fa efa roa taona izao no nisian’ny mosary amin’ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasàn-tany, na hijinjàna.
7
Ka nampandehanin’Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin’ny tany sy hampaharitra anareo ho amin’ny fanavotana lehibe.
8
Koa amin’izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain’i Faraôna sy ho tompon’ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.
9
Koa miakara faingana ianareo any amin’ikaky ka lazao aminy hoe: ‹Izao no teny nataon’i Josefa zanakao: Natsangan’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko ianao ary aza ela.
10
Fa honina eo amin’ny tany Gesena ianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra.
11
Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan’ny fahoriana ianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra.›
12
Indro mahita maso ianareo izao, mahita maso koa i Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo.
13
Koa tantarao amin’ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan’ikaky faingana ho aty.»
14
Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina nitomany teo amin’ny vozony.
15
Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny.
16
Niely ny teny tao an-tranon’i Faraôna fa hoe: «Tonga ny rahalahin’i Josefa, ary samy faly amin’izany i Faraôna sy ny mpanompony.»
17
Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Lazao amin’ny rahalahinao hoe: ‹Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana hoentin’ny bibinareo, ka mankanesa any amin’ny tany Kanaana.›
18
Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin’ny tany Ejipta ianareo, ary hihinana ny menaky ny tany.
19
Omeko fahefana ianao hilaza aminy hoe: ‹Izao no hataonareo: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa aty.
20
Aza apitrapitra amin’alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo, fa izay tsara indrindra aty amin’ny tany Ejipta manontolo no hatolotro anareo hanarananareo fo.› »
21
Dia nataon’ny zanak’i Israely izany. Nomen’i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin’i Faraôna, ary vatsy koa hohaniny eny an-dalana.
22
Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; i Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova.
23
Ary i rainy kosa nampitondrany ampondra lahy folo, nitondra tamin’izay vokatr’i Ejipta tsara indrindra; ampondra vavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dalana.
24
Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin’izy ireo: «Aza mifanditra eny an-dalana ianareo».
25
Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin’i Jakôba rainy, any amin’ny tany Kanaana.
26
Hoy izy taminy: «Mbola velona i Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta». Fa tsy nihontsina akory ny fon’i Jakôba, satria tsy nino azy ireo izy.
27
Koa nambaran’izy ireo azy ny teny rehetra nolazain’i Josefa. Rehefa hitany ny sarety nalefan’i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terỳ ny fanahin’i Jakôba rainy.
28
Ka hoy i Israely: «Aoka, fa mbola velona i Josefa zanako, ka handeha aho hahita azy dieny mbola tsy maty.»
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50