bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 23
Genesis 23
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 24 →
1
Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany.
2
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana; ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
3
Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty, ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:
4
«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»
5
Dia namaly an’i Abrahama ny zanak’i Heta, ka nanao taminy hoe:
6
«Henoy izahay, Tompokolahy; andrian’Andriamanitra no eto aminay ianao, ka aleveno amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin’ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin’ny vadinao.»
7
Dia nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany, dia ny zanak’i Heta,
8
ary nanao taminy hoe: «Raha tianareo ny hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako ka handevenako azy, dia henoy aho, ary mangataha ho ahy amin’i Efrôna, zanak’i Seôra,
9
mba hafoiny ho ahy ny zohy ao Makpelà, izay azy, eo amin’ny sisin-tsahany, mba hafoiny ho ahy eto anatrehanareo, araka izay tokom-bidiny, hataoko tany fandevenana, tena ahy tokoa.»
10
Ary i Efrôna nipetraka teo afovoan’ny zanak’i Heta. I Efrôna Heteanina namaly an’i Abrahama teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany; hoy izy taminy:
11
«Tsia, tompokolahy, fa henoy ny ahy; omeko anao ny saha; omeko anao koa ny zohy izay ao; ary eto anatrehan’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao, ka aleveno ny fatin’ny vadinao.»
12
Niankohoka teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany i Abrahama,
13
ka niteny tamin’i Efrôna teo anatrehan’ny vahoaka tompon-tany hoe: «Aoka ihany re mba hohenoinao aho: ‹Omeko ny vidin’ny saha, ka mba raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.› »
14
Namaly i Efrôna ka nanao tamin’i Abrahama hoe:
15
«Henoy ny ahy, Tompokolahy: tanin’efajato sikla volafotsy io ka zinona izany amiko sy aminao? Fa aleveno ny vadinao.»
16
Nohenoin’i Abrahama i Efrôna ka nolanjain’i Abrahama ny vola voalazany teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia volafotsy efajato sikla, araka ny fandraisan’ny mpivarotra azy.
17
Koa amin’izany ny sahan’i Efrôna, ao Makpelà, tandrifin’i Mambre, dia ny saha sy ny zohy ao, mbamin’ny hazo ao anaty saha ary ny hazo eny amin’ny sisiny manodidina;
18
dia tapaka ho fananan’i Abrahama eo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany.
19
Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà, tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
20
Ka ny saha sy ny zohy ao anatiny dia tapaka lasan’i Abrahama, varo-maty, ho tany fandevenana, avy amin’ny zanak’i Heta.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50