bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 8
Genesis 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 9 →
1
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Nôe sy ny biby ary ny biby fiompy rehetra izay niaraka taminy tao an-tsambo fiara; ary Andriamanitra nandefa rivotra tamin’ny tany ary nihena ny rano;
2
nikatona ny loharanon’ny hantsana sy ny vavahadin-dranon’ny lanitra; ary nitsahatra tsy nilatsaka avy any an-danitra ny ranonorana.
3
Nisintona tsikelikely teo ambonin’ny tany ny rano nandroso nihemotra, ka nony afaka dimampolo amby zato andro, dia nietry izy.
4
Ary tamin’ny volana fahafito, andro fahafito ambin’ny folon’ny volana, dia niantsona teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ny sambo fiara.
5
Nihena niandalandalana ny rano, hatramin’ny volana fahafolo, ary tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon-tendrombohitra.
6
Nony afaka efapolo andro, i Nôe dia namoha ny varavarankely nataony tamin’ny sambo fiara,
7
ka nandefa ny goaika izay lasa nivoaka nefa niverimberina teo, mandra-mpaharîtra ny rano tambonin’ny tany.
8
Ny voromahailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia.
9
Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromahailala, ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany. Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.
10
Mbola niandry hafitoana indray izy, vao nandefa fanindroany ny voromahailala ho any ivelan’ny sambo fiara.
11
Ary niverina nankeo aminy ny voromahailala nony harivariva, ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany.
12
Mbola niandry hafitoana indray izy dia nandefa ny voromahailala ary tsy niverina nankeo aminy intsony izy.
13
Tamin’ny taona faharaika amby enin-jato, tamin’ny volana voalohany, andro voalohan’ny volana, dia ritra ny rano teo ambonin’ny tany. Nesorin’i Nôe ny tafon’ny sambo fiara, dia nijery izy, ka hitany fa efa maina ny vohon’ny tany.
14
Ary tamin’ny volana faharoa, andro fahafito amby roapolon’ny volana, dia maina ny tany.
15
Ary tamin’izay dia niteny tamin’i Nôe Andriamanitra nanao hoe:
16
«Mivoaha amin’ny sambo fiara ianao sy ny vadinao, ny zanakao lahy sy ny vinantovavinao miaraka aminao.
17
Ento mivoaka miaraka aminao koa ny biby rehetra isan-karazany izay ao aminao, na vorona, na biby fiompy, ary ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany: aoka hiely amin’ny tany ireny, ka ho maro anaka sy hihabetsaka eny ambonin’ny tany.»
18
Dia nivoaka i Nôe, izy sy ny zanany sy ny vadiny sy ny vinantovaviny.
19
Ary nivoaka avy tao an-tsambo fiara ny biby rehetra, ny biby mikisaka rehetra mbamin’ny vorona rehetra, dia izao zava-mihetsiketsika rehetra eto ambonin’ny tany izao, samy araka ny karazany avy.
20
Ary i Nôe dia nanorina ôtely ho an’i Iaveh, ka naka tamin’ny biby madio rehetra mbamin’ny vorona madio rehetra, dia nanolotra sorona dorana teo ambony ôtely.
21
Dia nandre hanitra mahafinaritra i Iaveh, ka i Iaveh nanao anakampo hoe: «Tsy hanozona intsony ny tany Aho noho ny olona; fa ratsy hatramin’ny fahatanorany ny fisainan’ny fon’ny olombelona; ary tsy mba hamono ny zavatra manana aina rehetra toy izay nataoko izay intsony Aho.
22
Amin’izao sisa izao, raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy ho tapaka ny famafazana sy ny fijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanàna, ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50