bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 14
Genesis 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 15 →
1
Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Senaara, sy i Ariòka, mpanjakan’i Elasara, sy i Kodôrlahômôra, mpanjakan’i Elama, ary i Tadala, mpanjakan’i Gôima,
2
dia sendra rafitra ady izy ireo tamin’i Barà, mpanjakan’i Sôdôma sy i Bersà, mpanjakan’i Gômôra, sy i Senaaba, mpanjakan’i Adamà, sy i Seneber, mpanjakan’i Sebôima, ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany.
3
Nivory tao an-dohasahan’i Sidima, dia ny Ranomasin-tSira izany, ireto farany ireto;
4
fa efa nanoa an’i Kodôrlahômôra roa ambin’ny folo taona izy ireo, no vao niodina taminy nony tamin’ny taona fahatelo ambin’ny folo.
5
Nony tamin’ny taona fahefatra ambin’ny folo anefa, niainga i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy, ka nasiany avokoa ny Refaima tao Astarôta-Karmaima, ny Zosima tao Hama, ny Emima teo amin’ny tany lemak’i Kariataima;
6
ary ny Hôreanina teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El- Faràna, izay ao akaikin’ny efitra.
7
Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.
8
Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,
9
dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo.
10
Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
11
Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sôdôma sy Gômôra, mbamin’ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy.
12
I Lôta zana-drahalahin’i Abrama dia nobaboin’izy ireo hatramin’ny fananany rehetra koa, vao nandeha izy. Fa nonina tao Sôdôma i Lôta.
13
Dia tonga ny anankiray tamin’ireo mpandositra nilaza izany tamin’i Abrama, Hebrio, izay nonina tao amin’ireo terebintan’i Mambre, dia ilay Amôreana rahalahin’i Eskôla sy Anera, fa olona vita fanekem-pihavanana tamin’i Abrama ireo.
14
Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.
15
Natokotokony ny olona nentiny mba hanao sovokalina izy sy ireto mpanompony, ka nandresy sy nanenjika an-dry zareo hatrany Hôba, ao ankavian’i Damasy.
16
Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa i Lôta rahalahiny, mbamin’ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra.
17
Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.
18
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
19
Dia nitso-drano an’i Abrama izy nanao hoe: «Hanisy soa an’i Abrama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany.
20
Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao. Ary i Abrama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.»
21
Dia hoy ny mpanjakan’i Sôdôma tamin’i Abrama: «Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.»
22
Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sôdôma: «Izaho efa nanangan-tanana tamin’i Iaveh Andriamanitra avo indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23
fa tsy haka amin’izay rehetra mety ho anao, hatramin’ny singan-taretra ka hatramin’ny hoditra fehin-kapa, mba tsy hilazanao hoe: ‹Izaho no nampanan-karena an’i Abrama.› »
24
Tsy hitana na inona na inona ho ahy aho, afa-tsy izay nohanin’ny zatovo, sy ny anjaran’ny olona momba ahy dia i Anera sy i Eskôla ary i Mamre: ireo dia haka ny anjarany.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50