bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 46
Genesis 46
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 47 →
1
Dia niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin’ny Andriamanitr’i Isaaka rainy.
2
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe: «Ry Jakôba! Ry Jakôba!» Ka hoy ny navalin’i Israely: «Inty aho.»
3
Dia hoy Andriamanitra: «Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.»
4
Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.
5
Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vadiny aman-janany, teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.
6
Nentiny koa ny biby fiompiny sy ny fananany noharîny tany amin’ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.
7
Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.
8
Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Israely tonga tany Ejipta. I Jakôba sy ny zanany lahy:
9
Robena, lahimatoan’i Jakôba. Zanak-dRobena: i Henoka, i Falo, i Hersona ary i Karmì.
10
Zanak’i Simeôna: I Jamoela, i Jamina, i Ahoda, i Jasîhna, i Sôhara ary i Saola, zanak’ilay vehivavy Kananeanina.
11
Zanak’i Levi: i Jersôna, i Kaata ary i Merarì.
12
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
13
Zanak’i Isakara: i Tola, i Foa, i Joba, ary i Semrôna.
14
Zanak’i Zabolôna: i Sareda, i Elôna, ary i Jahelela.
15
Ireo no zanakalahin’i Lià, naterany tamin’i Jakôba tany Padan-Arama, ary i Dinà no zanany vavy. Telo amby telopolo no isan’ny zanany lahy rehetra mbamin’ny zanany vavy.
16
Zanak’i Gada: i Sefiôna, i Hagy, i Soni, i Esbôna, i Hery, i Arôdy ary i Arely.
17
Zanak’i Asera; i Jamne, i Jesoà, i Jesoỳ, i Berià, ary i Sarà anabavin’ireo. Ny zanak’i Beria dia i Hebera sy i Melkiela.
18
Ireo no zanaka lahin’i Zelfah, ankizy vavy nomen’i Labàna an’i Lià, zanany vavy, ireo no naterany tamin’i Jakôba. Enina ambin’ny folo izy.
19
Zana-dRasela vadin’i Jakôba: i Josefa sy i Benjamina. Ny zanak’i Josefa tany amin’ny tany Ejipta,
20
izay naterak’i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona ao Ona, dia i Manase sy i Efraima.
21
Zanak’i Benjamina: i Bela, i Bokora, i Asbela, i Jerà, i Naamàna, i Esỳ, i Rôsa, i Mofima, i Ofima, ary i Areda.
22
Ireo no zanakalahin-dRasela naterany tamin’i Jakôba. Efatra ambin’ny folo izy rehetra.
23
Zanak’i Dana: i Hosima.
24
Zanak’i Neftalì: i Jasiela, i Gony, i Jesera ary i Salema.
25
Ireo no zanaka lahin’i Balà, ilay nomen’i Labàna an-dRasela zanany vavy, ireo no naterany tamin’i Jakôba. Fito izy rehetra.
26
Ny isan’izy rehetra niaraka tamin’i Jakôba nankany Ejipta, afa-tsy ny vadin-janany lahy, fa ny naloaky ny kibony ihany, dia enina amby enimpolo.
27
Ny zanak’i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ary ny tontalin’ny ankohonan’i Jakôba rehetra tonga tany Ejipta dia fitopolo.
28
Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Josefa, hanomana ny hahatongavany any Gesena. Rehefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany,
29
dia nampamboatra ny kalesiny i Josefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka ka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
30
Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao, fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.»
31
Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy: «Handeha hampandre an’i Faraôna aho, ary izao no holazaiko aminy: ‹Tonga aty amiko ny rahalahiko sy ny ankohonan’ikaky, izay tany amin’ny tany Kanaana.
32
Olona mpiandry ondry izy ireo, fa biby fiompy no fananany, ary efa nentiny avokoa ny ondry sy ny ombiny ary ny fananany rehetra.›
33
Koa raha antsoin’i Faraôna ianareo, sy anontaniany hoe: ‹Inona no raharahanareo?›
34
Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50