bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 15
Genesis 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 16 →
1
Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
2
Fa hoy ny navalin’i Abrama: «Iaveh Tompo ô, inona no homenao ahy? Fa izaho dia lasa tsy hiteraka ka ny mpandova ny tranoko dia i Eliezera avy any Damasa.»
3
Ary hoy i Abrama: «Tsy nomenao fara handimby aho, ka dia lehilahy mipetraka amin’ny fianakaviako no ho mpandova ahy.»
4
Tamin’izay dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Tsy izy io no mpandova anao, fa ilay haloaky ny kibonao no ho mpandova anao.»
5
Dia nentiny nivoaka izy ka nilazany hoe: «Atopazo hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao.» Ary hoy izy taminy: «Ho tahaka izay ny taranakao.»
6
Ary nino an’i Iaveh i Abrama, ka neken’i Iaveh ho fahamarinany izany.
7
Ary hoy izy taminy: «Izaho no Iaveh nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy.»
8
Hoy ny navalin’i Abrahama: «Iaveh Tompo ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?»
9
Dia hoy i Iaveh taminy: «Mandehana maka omby vavy kely efa telo taona iray, osy vavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromahailala iray.»
10
Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiany avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny.
11
Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama.
12
Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
13
Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona.
14
Fa hotsaraiko ny firenena izay hanandevo azy, ka rehefa afaka izy ireo dia hivoaka avy any mitondra harem-be.
15
Ianao dia handeha ho any amin’ny razanao amim-piadanana; ho tratra antitra tsara ianao vao halevina.
16
Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»
17
Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka.
18
Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama i Iaveh nanao hoe: «Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany;
19
Ny tanin’ny Sineanina, ny Senezeanina, ny Kadmôneanina,
20
ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Refaima,
21
ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Zerizeseanina ary ny Jeboseanina.»
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50