bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 32
Genesis 32
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 33 →
1
Dia nanohy ny diany i Jakôba ary ny Anjelin’Andriamanitra nifanena taminy.
2
Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.
3
Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma
4
Nomeny teny ireo nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’ny tompoko, amin’i Esao: ‹Izao no tenin’i Jakôba mpanomponao: Nitoetra tany amin’i Labàna aho ary nijanona tany, mandrak’ankehitriny.
5
Efa manana omby aman’ampondra sy ondry, ary mpanompo lahy amana vavy aho, ary mampilaza izany amin’ny tompoko, mba hahitako fitia eo imasonao.› »
6
Fa niverina nankeo amin’i Jakôba ny iraka, ka nanao hoe: «Nankany amin’i Esao rahalahinao izahay, ka indro tamy hitsena anao izy omban’olona efajato.»
7
Raiki-tahotra mafy i Jakôba sy velom-panahiana izaitsizy. Nozarainy ho antokony roa ny olona nomba azy, mbamin’ny ondry sy ny omby ary ny rameva.
8
Fa hoy izy: «Raha tafahaona amin’ny antokony iray i Esao ka mamely azy, dia ho afaka hanavotra ny ainy ny antokony iray sisa.»
9
Ary hoy i Jakôba: «E! Ry Andriamanitr’i Abrahama raiko, Andriamanitr’i Isaaka raiko, Iaveh izay nilaza tamiko hoe: ‹Modia any amin’ny taninao, sy any amin’ny fitoerana nahaterahanao, fa hanisy soa anao Aho.›
10
Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.
11
Vonjeo re aho, ho afaka amin’ny tanan’ny rahalahiko, dia amin’ny tanan’i Esao; fa matahotra aho, fandrao avy mamely ahy, ary ny reny mbamin’ny zanany izy.
12
Ianao anefa, efa nilaza hoe: ‹Hanisy soa anao aho, ary hahamaro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay betsaka loatra ka tsy tambo isaina.› »
13
Dia nitoetra teo i Jakôba tamin’iny alina iny. Ary nangalany hatao fanomezana ho an’i Esao, rahalahiny, ny harena efa azony;
14
osy vavy roan-jato, osy lahy roapolo, ondry vavy roan-jato, ondry lahy roapolo,
15
rameva mitaiza am-pianahany telopolo, sy ny zanany, omby vavy efapolo omby lahy folo, ampondra vavy roapolo, ary zanak’ampondra folo.
16
Napetrany teo an-tanan’ny mpanompony ireo, nataony mitsitokotoko, dia hoy izy taminy: «Mandehana eo alohako ianareo, ka asio elanelany isan-tokony ny zavatra.»
17
Ary izao no teny nomeny ny voalohany: «Rehefa hifanena aminao i Esao rahalahiko, ka hanontany anao hoe: ‹An’iza ianao, ary ho aiza? Ary an’iza ity andiam-biby fiompy alohanao?›
18
dia valio hoe: ‹An’i Jakôba mpanomponao ireo, dia fanomezana ampanateriny ho an’ny tompoko, ho an’i Esao, ary indro izy tamy ao aorianay ao koa.› »
19
Nomeny teny torak’izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, mbamin’izay rehetra nanaraka ny biby fiompy nataony hoe: «Izao no holazainareo amin’i Esao, rehefa hifanena aminy ianareo;
20
dia ataovy hoe: ‹Indro, i Jakôba, mpanomponao, tamy ao aorianay ao koa!› » Fa hoy izy anakampony: «Hotoneko amin’ireo fanomezana eo alohako ireo ny fahatezerany, vao hahita ny tavany aho, ka angamba horaisiny tsara aho.»
21
Dia nandroso nialoha ny fanomezana, fa izy mbola nijanona teo amin’ny toby ihany, ny alin’iny.
22
Tamin’iny alina iny ihany dia nitsangana izy, nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy: dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
23
Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
24
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin’ny andro.
25
Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy, dia ny famavànin’ny feny no notendreny ka nivika terỳ ny foto-pen’i Jakôba nandritra ny nitolomany taminy.
26
Dia hoy izy tamin’i Jakôba: «Avelao aho handeha, fa efa hazava ratsy ity ny andro.» Fa hoy i Jakôba: «Tsy avelako handeha ianao raha tsy efa nitso-drano ahy.»
27
Dia hoy izy taminy: «Iza no anaranao?» Ary novaliany hoe: «Jakôba,»
28
ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»
29
Dia mba nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe: «Masìna ianao, mba ampahalalao ahy kely ny Anaranao.» Fa hoy izy: «Ahoana no anontanianao ny Anarako?» Dia nitso-drano azy teo izy.
30
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy: «Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho, nefa velona ihany ny aiko.»
31
Nony niala teo Fanoely izy, dia indro hitany niposaka ny masoandro; nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
32
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely ny hozatra lehibe ao amin’ny famavànin’ny fe mandrak’androany, dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavànin’ny fen’i Jakôba teo amin’ny hozatra lehibe.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50