bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 9
Genesis 9
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 10 →
1
Dia nitso-drano an’i Nôe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2
Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin’ny tany rehetra, ny vorona eny amin’ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, mbamin’ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tananareo ireny.
3
Ho fihinana ho anareo avokoa rehefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso.
4
Kanefa ny nofo, aza haninareo miaraka amin’ny ainy, izany hoe ny rany.
5
Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tanan’olombelona izay mpirahalahy, no hampamoahiko ny ain’ny olombelona.
6
Ka na zovy na zovy handatsaka ran’olona, dia mba halatsak’olona koa ny rany, satria nataon’Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona.
7
Ka dia miteraha maro ianareo, mihabetsaha ianareo; mieleza eran’ny tany, ka mihabetsaha eny.»
8
Hoy koa Andriamanitra tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy:
9
«Ary Izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,
10
amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany.
11
Manao fanekem-pihavanana aminareo Aho: tsy hisy levon’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano handringana ny tany intsony.»
12
Dia hoy Andriamanitra: «Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin’ny taranaka ho avy rehetra:
13
Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko sy amin’ny tany.
14
Ka rehefa hampiangona rahona ambonin’ny tany aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana.
15
Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin’ny zava- manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo- drano mandringana ny nofo rehetra intsony.
16
Ho eo amin’ny rahona ny avana, ka ny fijerena azy dia hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay amin’Andriamanitra sy amin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ambonin’ny tany.»
17
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Nôe: «Izany àry no famantarana ny fanekena naoriko amiko sy amin’ny nofo rehetra ambonin’ny tany.»
18
Ny zanak’i Nôe nivoaka tao an-tsambo fiara dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta; ary i Kama no rain’i Kanaana.
19
Izy telo lahy ireo no monina amin’ny tany rehetra.
20
Mpiasa tany i Nôe, ka nanomboka namboly voaloboka izy.
21
Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy.
22
Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny.
23
Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy.
24
Niamboho ny tavan’izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin’ny hamamoany i Nôe dia nahare izay nataon-janany faralahy taminy,
25
ka hoy izy: «Ho voaozona anie i Kanaana. Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»
26
Hoy indray izy: «Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Sema Ary aoka ho andevony i Kanaana.
27
Hataon’Andriamanitra malalaka anie i Jafeta. Aoka izy honina ao an-dain’i Sema. Ary aoka ho andevony i Kanaana.»
28
Mbola velona dimampolo sy telon-jato taona i Nôe taorian’ny safo- drano.
29
Ary dimampolo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan’i Nôe, dia maty izy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50