bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 39
Genesis 39
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 40 →
1
Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.
2
Nomban’i Iaveh i Josefa, ka nahazoam-panambinana tamin’ny zavatra rehetra izy; nonina tao an-tranon’ny Ejiptianina tompony izy.
3
Hitan’ity tompony fa nomban’i Iaveh izy, ary nambinin’i Iaveh teo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra nataony.
4
Dia nahita fitia teo imasony i Josefa, ka nampanaoviny raharaha teo aminy, natsangany ho filohan’ny tranony izy, ary nataony eo am-pelatanany ny fananany rehetra.
5
Raha vantany vao notendreny ho filohan’ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin’i Iaveh ny tranon’ity Ejiptianina noho ny amin’i Josefa, ary tonga tamin’ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian’i Iaveh.
6
Ary napetrany teo an-tanan’i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary i Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy.
7
Ary tatỳ aorian’izany, dia sendra nanopy ny masony tamin’i Josefa ny vadin’ny tompony, ka nanao hoe: «Avia handry amiko.»
8
Nandà izy ka nanao tamin’ny vadin’ny tompony hoe: «Indro ny tompoko fa tsy miahy na inona na inona intsony amiko, amin’ny ato an-tranony, ary ny fananany rehetra napetrany eo an-tanako.
9
Tsy lehibe noho izaho izy ato an-trano; ianao irery no narovany tamiko, fa vadiny ianao. Koa ataoko ahoana no fanao izany ratsy lehibe izany, sy hanota amin’Andriamanitra?»
10
Ary na dia niteny tamin’i Josefa isan’andro isan’andro aza ravehivavy, dia tsy nety nandry taminy izy, na hiara-mitoetra aminy.
11
Indray andro izy niditra tao an-trano hanao ny raharahany; ary tsy nisy tao ny olona tamin’io trano io, na dia iray aza.
12
Ka nosamborin-dravehivavy tamin’ny lambany izy, nataony hoe: «Avia handry amiko.» Navelan’i Josefa teo an-tanany anefa ny lambany, ka nandositra tany alatrano izy.
13
Nony hitan-dravehivavy fa ny lambany navelany teo an-tanany, izy nandositra any alatrano;
14
dia niantso ny mpanompo tao an-tranony izy, ary niteny taminy nanao hoe: «Jereo fa nampidirany Hebrio hisangy antsika. Nidiran-dralehilahy iny teto aho, handriany amiko, ka niantsoantso mafy erỳ aho.»
15
«Nony injay reny nanandra-peo niantso mafy aho, ny lambany navelany eto anilako, ary nandositra any alatrano izy.»
16
Dia napetrany teo anilany teo ihany ny lamban’i Josefa, mandra-podian’ny tompony ao an-trano.
17
Ary ireo teny ireo ihany no nolazainy taminy koa nataony hoe: «Iny andevolahy Hebrio, izay nampidirinao teto amintsika iny, dia nankaty amiko hisangy ahy.
18
Fa nanandra-peo niantsoantso aho, ka dia navelany teo anilako ny lambany, ary nandositra any alatrano Akora izy».
19
Nony ren’ny tompon’i Josefa ny tenin’ny vadiny nanao hoe: «Izany no nataon’ny andevolahinao tamiko,» dia nirehitra ny fahatezerany.
20
Nalainy i Josefa ka nataony an-tranomaizina, amin’ny fitoerana fitanana ny olona diso tamin’ny mpanjaka. Dia tao an-tranomaizina tao izy.
21
Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina.
22
Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy.
23
Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50