bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 47
Genesis 47
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 48 →
1
Dia nankany amin’i Faraôna i Josefa hilaza izany vaovao izany, ka hoy izy: «Tonga avy any amin’ny tany Kanaana ny raiko sy ny rahalahiko mbamin’ny ondriny sy ny ombiny sy izay rehetra ananany; ka indreo izy ao amin’ny tany Gesena.»
2
Ary nitondra dimy lahy tamin’ireo rahalahiny izy ho eo anatrehan’i Faraôna.
3
Ka hoy i Faraôna tamin’ireo: «Inona no raharahanareo?» Ka hoy ireo tamin’i Faraôna: «Mpiandry ondry toy ny razanay ihany koa, izahay mpanomponao.»
4
Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»
5
Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Tonga aty aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin’izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao.
6
Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»
7
Nampanalain’i Josefa i Jakôba rainy, ka nasehony an’i Faraôna; dia nisaotra an’i Faraôna i Jakôba.
8
Ary hoy i Faraôna tamin’i Jakôba: «Firy taona ny andro niainanao?»
9
Ka hoy i Jakôba tamin’i Faraôna: «Telopolo amby zato taona no andron’ny fivahiniako. Sady fohy no ratsy ny andro niainako, fa tsy nahatratra ny andro niainan’ny razako tamin’ny fivahiniany.»
10
Dia nisaotra an’i Faraôna indray i Jakôba, dia lasa niala teo anatrehany.
11
Koa nampiorim-ponenana an-drainy sy ny rahalahiny i Josefa ka nanome azy zara tany, eo amin’ny tany Ejipta, dia ny tsara indrindra amin’ny tany, ao amin’ny faritanin’i Ramsesa, araka ny teny nomen’i Faraôna azy.
12
Ary i Josefa no nanome hanina an-drainy sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan-drainy rehetra, araka ny isan-janany avy.
13
Dia tsy nisy hanina intsony tamin’ny tany rehetra, fa mafy dia mafy ny mosary, ka najifa ny tany Ejipta sy ny tany Kanaana, azon’ny mosary.
14
Lasan’i Josefa tamin’ny vidim-bary novidin’ny olona avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, ka nampidiriny tao an-tranon’i Faraôna izany vola izany.
15
Nony lany avokoa ny vola tany amin’ny tany Ejipta sy tany amin’ny tany Kanaana, dia nankany amin’i Josefa ny Ejiptianina rehetra nanao hoe: «Omeo hanina izahay. Aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay, fa tapitra ny volanay!»
16
Ary hoy i Josefa: «Rehefa lany ny volanareo, ny biby fiompinareo entina; hotakalozako hanina ny biby fiompinareo.»
17
Dia nentiny nankany amin’i Josefa ny biby fiompiny, ary nomen’i Josefa hanina izy ho takalon’ny soavaliny, sy ny andian’ondry aman’ombiny ary ny ampondrany. Nomeny hanina izy tamin’izany taona izany ho takalon’ny biby fiompiny rehetra.
18
Nony tapitra izany taona izany, dia nankeo amin’i Josefa indray izy ireo, tamin’ny taona manaraka, nanao taminy hoe: «Tsy hafeninay amin’ny tompoko, fa ny vola efa lany, ny andiam-biby fiompy efa lasan’ny tompoko avokoa; ny tenabenay sy ny taninay sisa eto imason’ny tompoko.
19
Kanefa aiza ka dia ho faty eto anatrehanao izahay sy ny taninay! Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’i Faraôna izahay sy ny taninay. Ary omeo voa hafafy izahay mba ho velona fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.»
20
Dia lasan’i Josefa ho an’i Faraôna ny tany Ejipta manontolo; fa ny Ejiptianina samy nanakalo ny sahany avy, fa resi-mosary, hany ka tonga fananan’i Faraôna ny tany.
21
Dia nafindrany ny vahoaka ho any amin’ny tanàna eran’ny tany Ejipta rehetra.
22
Ny tanin’ny mpisorona no hany sisa tsy lasany, fa nanana anjara hanina tamin’i Faraôna ny mpisorona, ka nisy hivelomany, izay anjara nomen’i Faraôna azy, izany no tsy mba nanakalozany ny taniny.
23
Dia hoy i Josefa tamin’ny vahoaka: «Voavidiko androany ho an’i Faraôna ianareo sy ny taninareo. Koa indreny ny voa hafafinareo dia fafazo ny tany.
24
Rehefa tonga ny vokatra, ny ampahadiminy moa haterinareo ho an’i Faraôna; ny efa-toko kosa misy hafafinareo amin’ny tany ary misy hivelomanareo sy ny ankohonanareo, sy hiveloman’ny zanakareo.»
25
Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.»
26
Dia nataon’i Josefa lalàna izany amin’ny tany Ejipta, ka mbola velona mandrak’androany, ka araka izany lalàna izany dia an’i Faraôna ny ampahadimin’ny vokatry ny tany any Ejipta, fa ny tanin’ny mpisorona ihany no hany tsy azy.
27
Nonina tany Ejipta amin’ny tany Gesena i Israely ka nahazo fananana tany izy ireo, ary nihamaro anaka sy nihabetsaka indrindra.
28
Fito ambin’ny folo taona no andro niainan’i Jakôba tany amin’ny tany Ejipta. Ary fito amby efapolo amby zato taona ny andro niainany rehetra.
29
Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,
30
fa raha avy izay hodiako mandry any amin’ny razako, ento miala aty Ejipta aho, ka aleveno any amin’ny fasan’izy ireo.» Dia hoy ny navalin’i Josefa: «Eny, hotanterahiko ny teninao.»
31
Ary hoy i Jakôba: «Mianiàna àry amiko.» Dia nianiana taminy i Josefa ka niankohoka i Israely teo an-doha farafara.
← Chapter 46
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 48 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50