bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 20
Genesis 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 21 →
1
Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.
2
I Sarà vadiny no lazain’i Abrahama hoe: «Anabaviko io.» Naniraka olona haka an’i Sarà i Abimeleka mpanjakan’i Jerara.
3
Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
4
Mbola tsy nikasika an-dravehivavy anefa i Abimeleka ka namaly hoe: «Tompo ô, hovonoinao va ny olona na dia tsy manan-tsiny aza?
5
Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tanana madio no nanaovako izany.»
6
Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.
7
Koa ankehitriny avereno ny vadin’io lehilahy io, fa mpaminany izy, ka hivavaka ho anao, dia ho velona ianao. Fa raha tsy averinao io, fantaro fa ho faty mihitsy ianao, dia ianao mbamin’izay rehetra ambanin’ny fahefanao.»
8
Vao maraina dia nantsoin’i Abimeleka avokoa ny mpanompony ary nolazainy taminy izany rehetra izany; ka raiki-tahotra mafy ireo olona ireo.
9
Dia nantsoin’i Abimeleka koa i Abrahama ka hoy izy taminy: «Inona izao nataonao taminay izao? Inona no tsy mety nataoko taminao no dia nampiditra heloka be vava tamiko sy tamin’ny fanjakako ianao? Zavatra tsy fanao mihitsy izao nataonao tamiko izao.»
10
Dia hoy koa i Abimeleka tamin’i Abrahama: «Fa nihevitra inona ianao, no dia nanao izany?»
11
Ary izao no navalin’i Abrahama: «Hoy aho anakampoko: Tsy misy tahotra an’Andriamanitra kely akory angamba amin’ity tany ity, ka hovonoin’ny olona aho, noho ny amin’ny vadiko.
12
Sady anabaviko ihany tokoa izy, saingy zanak’idada, fa tsy zanak’ineny, ka dia novadiko.
13
Nony nampivezivezen’Andriamanitra lavitra ny tranon’ikaky aho, dia hoy aho tamin’i Sarà: Izao no fitia angatahiko hataonao amiko: Any amin’izay tany rehetra hahatongavantsika any aho lazao hoe: Anadahiko io.»
14
Dia naka omby sy ondry sy ankizy lahy aman’ankizy vavy i Abimeleka ka nomeny an’i Abrahama, ary i Sarà vadiny naveriny taminy koa.
15
Hoy i Abimeleka: «Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin’izay tianao.»
16
Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.»
17
Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
18
Fa efa nataon’i Iaveh momba ny kibon’ny ankohonan’i Abimeleka rehetra noho ny amin’i Sarà vadin’i Abrahama.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50