bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 18
Genesis 18
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 19 →
1
Ary i Iaveh niseho taminy, teo amin’ireo terebintan’i Mambre, raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro.
2
Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreto olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy,
3
dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
4
fa aoka hangalana rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo am-pototr’ity hazo ity ianareo;
5
dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo.» Dia hoy ny navalin’ireo: «Ataovy àry, araka izay voalazanao.»
6
Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:
7
«Faingàna ianao, mangalà lafarina intelon’ny famarana, ditio ka ataovy mofo.»
8
Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo am-poto-kazo. Ary nihinana izy ireo.
9
Raha efa izany dia hoy ireo taminy: «Aiza i Sarà vadinao?» Hoy ny navaliny: «Ao an-day ao izy.»
10
Ary hoy izy: «Hiverina aty aminao indray Aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao.» Ren’i Sarà teo am-baravaran’ny lay, teo ivohony, izany teny izany.
11
Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana,
12
ka nihomehy anakampo i Sarà nanao hoe: «Izay izaho efa anti-bavy ity ve dia mbola hahalala izay fifalia-nofo koa? Ary ny tompoko koa itsy efa antitra!»
13
Hoy i Iaveh tamin’i Abrahama: «Nahoana i Sarà no nihomehy nanao hoe: Izay izaho efa antitra ity ve dia mbola hiteraka indray?
14
Moa misy zava-mahatalanjona tsy efan’i Iaveh va na inona na inona? Raha avin-taona toy izao dia hiverina aty aminao indray Aho; ary i Sarà dia hahazo zazalahy.»
15
Nandà i Sarà nanao hoe: «Tsy nihomehy aho tsy akory;» fa natahotra izy. «Tsia fa nihomehy tokoa ianao,» hoy Izy.
16
Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.
17
Ary hoy i Iaveh: «Hafeniko amin’i Abrahama va izay efa hataoko?
18
I Abrahama anefa no ho tonga firenena lehibe sy mahery, sady aminy no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
19
Fa izy no voafidiko handidy ny zanany sy ny fianakaviany any aoriana mba hanaraka ny lalàn’i Iaveh, amin’ny fitandremana ny rariny sy ny hitsiny: ka hanatanterahan’i Iaveh amin’i Abrahama ny soa nampanantenainy azy».
20
Dia hoy i Iaveh: «Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo.
21
Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako.»
22
Niainga ireo lehilahy ireo, ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’i Iaveh ihany.
23
Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe: «Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina?
24
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?
25
Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?»
26
Hoy i Iaveh: «Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sôdôma Aho, dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako an’ireo.»
27
Fa hoy indray i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana.»
28
Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy? Hoy izy: «Tsy handringana azy Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao.»
29
Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama, ka nanao hoe: «Angamba hoe efapolo ny olo-marina ao.» Ary hoy izy: «Tsy hanao izany Aho, noho ny fitiavako an’izy efapolo ireo.»
30
Ary hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao.» Dia hoy izy: «Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao.»
31
Hoy i Abrahama: «Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, angamba roapolo izy no ho hita ao.» Ary hoy Izy: «Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy.»
32
Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»
33
Lasa nandeha i Iaveh nony tapi-niteny tamin’i Abrahama, ary i Abrahama kosa dia nody.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50