bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 35
Genesis 35
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 36 →
1
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: «Andeha ianao miakatra an’i Betela ka monena any, manangàna ôtely any, ho an’ilay Andriamanitra niseho taminao, fony ianao nandositra teo anoloan’i Esao, rahalahinao.»
2
dia hoy i Jakôba tamin’ny fianakaviany, sy tamin’izay rehetra nomba azy: «Ario ny andriamani-kafa eo aminareo; mandiova tena ianareo, ary soloy ny fitafianareo.
3
Fa hiainga isika hiakatra ho any Betela. Hanangana ôtely any aho, ho an’ilay Andriamanitra izay nihaino ahy tamin’ny andron’ny fahoriako, sy nomba ahy tamin’ny lalana nalehako.»
4
Dia natolotr’izy ireo an’i Jakôba ny andriamani-kafa rehetra teo an-tanany, sy ny kavina teny an-tsofiny, ka nalevin’i Jakôba teo am-pototry ny terebinta izay ao Sikema.
5
Dia lasa izy ireo; ary azon’ny tahotra mafy avy amin’Andriamanitra ny tanàna, eny amin’ny manodidina eny, ka tsy nisy nanenjika ny zanak’i Jakôba.
6
Ary i Jakôba sy ny olona rehetra nomba azy tonga tany Loza any amin’ny tany Kanaana, dia i Betela izany.
7
Dia nanorina ôtely teo izy, ka nataony hoe El-Betela ny anaran’io tany io, satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy, fony izy nandositra teo anoloan’ny rahalahiny.
8
Ary maty i Debôrà, mpitaiza an-dRebekà, ka naleviny teo ambanin’i Betela am-pototry ny oaka anankiray izay nomena anarana hoe: Oakan-dranomaso.
9
Niseho tamin’i Jakôba indray koa Andriamanitra nony tafaverina avy any Padan-Arama izy, sady nitso-drano azy.
10
Hoy Andriamanitra taminy: «Jakôba no anaranao, nefa tsy hatao Jakôba intsony ianao, fa Israely no ho anaranao.» Dia nataony hoe Israely no anarany.
11
Ary hoy Andriamanitra taminy: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Maroa fara sy mitomboa; firenena sy fikambanam-pirenena no ho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin’izay haloaky ny kibonao.
12
Ny tany nomeko an’i Abrahama sy i Isaaka, dia homeko anao, ary homeko ny taranakao mandimby anao izany tany izany.»
13
Dia niakatra Andriamanitra niala taminy teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy.
14
Ary i Jakôba nanorina tsangam-bato teo amin’ilay fitoerana niresahany taminy, ka nandraraka fanatitra araraka teo amboniny, sy nandrotsaka diloilo teo.
15
Nataony hoe: «Betela» ny anaran’ny tany niresahan’Andriamanitra taminy.
16
Dia niala teo Betela izy; ary nony mbola lavidavitra ihany vao ho tonga tao Efratà, dia teraka i Rasela.
17
Ka hoy ny mpampivelona taminy nandritra ny fanaintainana nahazo azy teo am-piterahana: «Aza matahotra fa indro hahazo zazalahy indray koa ianao.»
18
Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôni ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
19
Dia maty i Rasela, ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata dia Betlehema izany.
20
Nanorina tsangam-bato teo ambony fasany i Jakôba, dia ilay tsangam-baton’i Fasan-dRasela, izay mbola eo mandrak’androany.
21
Niainga indray i Israely, dia niorin-day tao ambadik’i Magdala-Edera.
22
Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.
23
Zanak’i Lià: Robena, lahimatoan’i Jakôba, Simeôna, Levi, Jodà, Isakara ary Zabolôna.
24
Zana-dRasela: Josefa sy Benjamina.
25
Zanak’i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalì.
26
Zanak’i Zelfah, ankizivavin’i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakôba, naterany tany Padan-Arama.
27
Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.
28
Valopolo amby zato taona no andro niainan’i Isaaka.
29
Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50