bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 43
Genesis 43
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 44 →
1
Nihamafy ny mosary tamin’ny tany;
2
ka nony efa tapitra nohaniny ny vary nalain’izy ireo tany Ejipta, dia hoy rainy taminy: «Mandehana indray mividy hanina kely ho antsika.»
3
Ka hoy i Jodà namaly azy: «Efa nilaza mazava taminay ralehilahy, nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4
Ka raha avelanao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay hividy hanina ho anao.
5
Fa raha tsy avelanao handeha izy, tsy hidina izahay, satria ralehilahy efa nilaza taminay hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.»
6
«Nahoana ianareo, hoy i Israely, no dia nampiditra angano tamiko, nilaza tamin-dralehilahy hoe: ‹Mbola manan-drahalahy?› »
7
Dia hoy iretsy: «Maro ny zavatra nadinin-dralehilahy taminay, momba ny tenanay sy ny fianakavianay, fa hoy izy: ‹Mbola velona va ny rainareo? Mbola manan-drahalahy hafa koa va ianareo?› Ka araka izay nanontaniany no namalianay azy. Ary ahoana no nahazoanay an-tsaina izay hanaovany hoe: ‹Ento midina ny rahalahinareo.› »
8
Ary i Jodà nilaza tamin’i Israely rainy hoe: «Avelao handeha ny zaza hiaraka amiko, hiaingànay sy handehananay, mba samy ho velona isika fa tsy ho faty na izahay sy ianao, na ny zanatsika madinika.
9
Izaho no hiantoka azy; eo an-tanako no hitakianao azy. Raha tsy tafaveriko aty aminao izy, ka tsy tongako eto anatrehanao, dia ho meloka aminao, amin’ny andro rehetra hiainako aho.
10
Fa raha tsy nijanonjanona izahay dia efa tafaverina fanindroany toy izay.»
11
Ka dia hoy i Israely rainy, tamin’izy ireo: «Ilaina àry izany, ka dia izao no ataovy: Angalao avokoa ny vokatra malaza amin’ny tany, ataovy ao anaty fitondran’entanareo dia ento hatao fanomezana ho an-dralehilahy: ditin-kazo manitra kely, tantely kely, astragala, ladanôma, voanjo, amandy.
12
Ataovy avo sasaka ny vola entinareo, ary ento indray koa ilay vola natao tao am-bava-lasàkanareo, sao hadisoana no nanaovana azy tao.
13
Dia ento ny rahalahinareo, miaingà ka miverena any amin-dralehilahy.
14
Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra anie hampahita fitia anareo eo imason-dralehilahy, mba havelany hody miaraka aminareo ilay rahalahinareo anankiray, sy i Benjamina. Ary ny amiko raha anjarako ny hofoanana anaka dia aoka ihany ho foana anaka aho.»
15
Koa nalain’ireo olona ireo izany fanomezana izany, ary nentiny teo an-tanany ny vola avo sasaka, mbamin’i Benjamina, dia niainga izy nidina nankany Ejipta, ary niseho teo anatrehan’i Josefa.
16
Vao nahita an’i Benjamina niaraka tamin’izy ireo i Josefa, dia nilaza tamin’ny mpikarakara ny tranony hoe: «Ampandrosoy ao an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra sy anaovy nahandro, fa hiara-mihinana amiko ireo olona ireo amin’ny mitatao vovonana.»
17
Dia nataon-dralehilahy izay nasain’i Josefa ataony; ary nampidiriny tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo.
18
Raiki-tahotra anefa ireo olona ireo nony nentina ho ao an-tranon’i Josefa, fa hoy izy: «Ilay vola naverina tao anaty lasàkantsika, tamin’ilay indray mandeha izao, no handraisany antsika, dia ny hamelezany antsika izany sy hivarinany amintsika, ary hangalany antsika ho andevony mbamin’ny ampondrantsika koa.»
19
Dia nanatona an-dralehilahy mpikarakara ny tranon’i Josefa izy ireo, ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano nanao hoe:
20
«Aza mahafady, tompokolahy, izahay dia efa nidina nividy vary tatỳ indray mandeha.
21
Nony tonga teo amin’ny toerana handrianay izahay, nanokatra ny lasàkanay, ka indreo ny volanay isany, samy teo am-bava-lasàkanay avy, sy samy tonga lanja avokoa; dia indro izy entinay miaraka aminay.
22
Ary nitondra vola hafa koa izahay hamidy hanina. Tsy fantatray izay nametraka ny volanay tao anaty lasàkanay.»
23
Ka hoy izy taminy: «Ho aminareo anie ny fiadanana, fa aza matahotra na inona na inona. Ny Andriamanitrareo, ny Andriamanitry ny rainareo no nanome anareo rakitra tao anaty lasàkanareo. Fa ny volanareo efa nomena ahy.» Dia nentiny nankeo amin’izy ireo i Simeôna.
24
Nony avy nampandroso azy ireo tao an-tranon’i Josefa ralehilahy dia nanome rano azy, ka nanasa tongotra izy ireo; ny ampondrany koa nomeny vilona.
25
Dia nandamindamina ny zavatra hatolotra aloha izy ireo mandra-piavin’i Josefa, raha mby amin’ny mitatao vovonana, fa efa nilazana izy fa hoe hihinana ao aminy.
26
Nony tonga tao an-trano i Josefa, nampidirin’izy ireo tao an-trano ny fanomezana izay efa mby ao an-tanany, dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy.
27
Nanadina ny toe-pahasalaman’izy ireo i Josefa vao nanao hoe: «Tsara ihany va ilay rainareo efa antitra nolazainareo? Mbola velona ihany ve izy?»
28
Dia hoy ny navaliny: «Tsara ihany ny mpanomponao rainay, ary mbola velona ihany izy.» Dia niondrika sy nihohoka izy ireo.
29
Natopin’i Josefa ny masony ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, izy; hoy izy: «Io va no zandrinareo faralahy ilay noresahinareo tamiko?» Ary hoy izy: «Hambinin’Andriamanitra anie ianao, anaka.»
30
Izay dia nangotika ny atiny, noho ity rahalahiny, ka nihataka faingana i Josefa nitady izay hitomaniany; niditra tany an’efitranony izy dia nitomany.
31
Nosasany aloha ny tavany vao nivoaka avy ao izy; ary notsindriny mafy ny fangorakoraky ny fony, ka hoy izy: «Arosoy ny sakafo.»
32
Dia naroso manokana ny an’i Josefa, ny an’ireo rahalahiny koa manokana; ny an’ireo Ejiptianina niara-nihinana taminy manokana koa; satria tsy mahazo miara-mihinana amin’ny Hebrio ny Ejiptianina, fa fahavetavetana ho an’ny Ejiptianina izany.
33
Nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, dia ny lahimatoa araka ny fizokiany, ny faralahy koa araka ny taonany, ka nifampijerijery sady gagagaga izy ireo.
34
Nasainy nitondrana anjara fihinanana avy teo anoloany ihany izy, nefa ny anjaran’i Benjamina dia indimy hoatra ny anjaran-drery tamin’izy rehetra. Ary niara-nisotro divay taminy tamim-piravoravoana izy ireo.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50