bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 36
Genesis 36
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 37 →
1
Izao no taranak’i Esao, izay Edôma ihany: Naka vady tamin’ny zanaka vavin’i Kanaana i Esao.
2
I Adà, zanaka vavin’i Elôna, Heteanina, i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka lahin’i Sebeôna Heveanina;
3
ary i Basemata, zanaka vavin’i Ismaely, sady anabavin’i Nabaiôta,
4
Ka ny naterak’i Adà, tamin’i Esao dia i Elifaza; ny naterak’i Basemata dia i Rahoela;
5
ary ny naterak’i Oolibama dia i Jehosy sy i Ihelôna ary i Kôre. Ireo no zanaka lahin’i Esao naterany tany amin’ny tany Kanaana.
6
Ary nentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra noharîny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin’ny tany anankiray lavitra an’i Jakôba rahalahiny.
7
Fa efa samy be loatra ny haren’izy ireo ka tsy nahazo niara-monina intsony izy, fa tsy omby azy ireo intsony ny tany nonenany, noho ny biby fiompiny.
8
Dia tany an-tendrombohitra Seira i Esao no nonina. I Esao dia Edôma ihany.
9
Izao no taranak’i Esao, rain’i Edôma tany an-tendrombohitra Seirà.
10
Ny anaran’ny zanaka lahin’i Esao, dia izao: Elifaza, zanak’i Adà vadin’i Esao; Rahoela, zanak’i Basemata vadin’i Esao.
11
Ny zanaka lahin’i Elifaza dia i Temàna, i Omara, i Sefao, i Gatama ary i Seneza.
12
I Tamnà, vaditsindranon’i Elifaza zanak’i Esao, niteraka an’i Amaleka tamin’i Elifaza. Ireo no zanaka lahin’i Adà, vadin’i Esao.
13
Izao kosa no zanaka lahin-dRahoely: I Nahata, i Zara, i Samà, ary i Mezà. Ireo no zanaka lahin’i Basemata, vadin’i Esao.
14
Ary izao no zanaka lahin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, zanaka vavin’i Sebeôna, vadin’i Esao; niteraka an’i Jehosy sy i Ihelona ary i Kôre tamin’i Esao izy.
15
Izao no loham-pirenena amin’ny zanak’i Esao: ireo zanaka lahin’i Elifaza: i Temàna loham-pirenena, i Omara loham-pirenena, i Sefao loham-pirenena, i Seneza loham-pirenena,
16
i Kôre loham-pirenena, i Gathama loham-pirenena, i Amaleka loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Elifaza amin’i Edôma. Zanak’i Adà ireo.
17
Zanaka lahin-dRahoely, zanak’i Esao: i Nahata loham-pirenena, i Zarà loham-pirenena, i Samà loham-pirenena, ary i Mezà loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin-dRahoely, amin’ny tanin’i Edôma. Zanak’i Basemata, vadin’i Esao, ireo.
18
Zanaka lahin’i Oolibama, vadin’i Esao: i Jehosy loham-pirenena, i Ielona loham-pirenena, ary Kôre, loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Oolibama, zanaka vavin’i Anà, sy vadin’i Esao.
19
Ireo no zanaka lahin’i Esao, ireo no loham-pirenena; izany no Edôma.
20
Izao kosa no zanaka lahin’i Seira Hôreanina, izay efa nonina teo amin’ny tany rahateo: i Laotàna, i Sobala, i Sebeôna, i Anà, i Disona, i Eserà ary i Disàna.
21
Ireo no loham-pirenena amin’ny Hôreanina, zanaka lahin’i Seirà, tamin’ny tanin’i Edôma.
22
Ny zanaka lahin’i Laotàna dia i Hori sy i Hemana, ary i Tammà no anabavin’i Laotàna.
23
Izao no zanakalahin’i Sobala: i Alvana, i Manahata, i Ebala, i Sefao, ary i Onama.
24
Izao no zanaka lahin’i Sebeôna: i Ajà sy i Anà. Io Anà io no nahita ny loharano mafana tany an’efitra, raha niandry ny ampondran’i Sebeôna rainy izy.
25
Izao no zanak’i Anà: i Disona sy i Oolibama, zanaka vavin’i Anà.
26
Izao no zanaka lahin’i Disona: i Hamdàna, i Esebàna, i Jetrama ary i Karàna.
27
Izao no zanaka lahin’i Esera: i Balàna, i Zavàna, ary i Akàna.
28
Izao no zanaka lahin’i Disàna: i Hosy sy i Arama.
29
Izao no loham-pirenena amin’ny Hôreanina: i Laotàna loham-pirenena, i Sobala loham-pirenena, i Sebeôna loham-pirenena, i Anà loham-pirenena,
30
i Disona loham-pirenena, i Esera loham-pirenena, i Disana loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena Hôreanina izay samy loham-pirenena any amin’ny tanin’i Seirà.
31
Izao no mpanjaka efa nanjaka tany amin’ny tanin’i Edôma, talohan’ny nisian’ny mpanjaka nanjaka tamin’ny zanak’i Israely.
32
I Bela, zanak’i Beôra, nanjaka tany Edoma, ary ny anaran’ny tanànany dia atao hoe Denaba.
33
Dia maty i Bela ary i Jôbaba, zanak’i Zorà, avy any Boarà, no nanjaka nandimby azy.
34
Maty i Jôbaba, dia Hosama, avy amin’ny tanin’ny Temanita, no nanjaka nandimby azy.
35
Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
36
Maty i Hadada, ary i Semlà, avy any Masrekà, no nanjaka nandimby azy.
37
Maty i Semlà, ary i Saola avy any Rohôbôta, amin’ny ony, no nanjaka nandimby azy.
38
Maty i Saola, ary i Balanàna zanak’i Akora, no nanjaka nandimby azy.
39
Maty i Balanàna, zanak’i Akora, dia nanjaka nandimby azy i Hadara, ka ny anaran’ny tanànany dia Faho ary ny anaran’ny vadiny dia Meetabela, zanaka vavin’i Matreda, zanaka vavin’i Mezaaba.
40
Izao no anaran’ny loham-pirenena amin’ny taranak’i Esao, araka ny fokony sy ny faritaniny ary ny anarany avy: Tammà loham-pirenena, Alvà loham-pirenena, Jetela loham-pirenena,
41
Oolibamà loham-pirenena, Finona loham-pirenena,
42
Seneza loham-pirenena, Temàna loham-pirenena, Mabsara loham-pirenena.
43
Magdiela loham-pirenena, Hirama loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena amin’i Edôma, araka ny fonenany, any amin’ny tany onenany avy. Izany no Esao, rain’i Edôma.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50