bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 49
Genesis 49
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 50 →
1
Ary i Jakôba namory ny zanany lahy, ka nanao taminy hoe: «Mivoria ianareo, fa hambarako aminareo izay ho tonga aminareo any an-parany any:
2
Mivoria, ry zanaka lahin’i Jakôba, ka mihainoa: Mihainoa an’i Israely rainareo.
3
I Robena ô, ianao lahimatoako. Heriko sy voalohan-teraky ny tanjako, ka manan-tombom-boninahitra, manan-tombom-pahefana,
4
nandroadroatra toy ny rano ianao, ka tsy hanana ny fiamboniana! Fa niakatra tamin’ny fandrian-drainao ianao, Ka nandoto ny fandriako tamin’ny niakaranao tao.
5
I Simeôna sy i Levy dia mpirahalahy, Fiadiana enti-manao an-kery ny sabany.
6
Aza miditra amin’ny fivoriany fakan-kevitra ny fanahiko, Fa nanao vonoana olona tamin’ny fahatezerana izy, ary nahatraingo ombalahy tamin’ny fisafoahany.
7
Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany; ary koa ny fahavinirany, fa loza izany. Hizarazara azy amin’i Jakôba aho, ary hampihahaka azy amin’i Israely.
8
Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao; ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao; ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
9
Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka; Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, Fandrin-diom-bavy, zovy no hanaitra azy?
10
Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.
11
Mamatotra ny zanak’ampondrany amin’ny voaloboka izy ary ny zanak’ampondravaviny amin’ny tahom-boaloboka. Sasàny amin’ny divay ny fitafiany, ary amin’ny ran’ny voaloboka ny kapaotiny.
12
Mena ny masony azon’ny divay, Ary fotsy ny nifiny azon’ny ronono.
13
I Zabolôna monina amoron-dranomasina, Dia eo amoron’ny fitodian-tsambo, Mifanolotra amin’i Sidona ny sisin-taniny.
14
I Isakara dia ampondra tomady, Mandry eo anatin’ny valany;
15
Hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany, Dia nahilany hitondra entana ny sorony, ka tonga mpanompo mandoa hetra izy.
16
I Dana dia mitsara ny olony, tahaka ny hafa rehetra amin’ny fokon’i Israely.
17
Bibilava eo an-dalana i Dana, menarana eo an-tsakeli-dalana izy; kaikeriny ny kitrokelin-tsoavaly, Mba hitatàvoka mitsilany ny mpitaingina azy,
18
Ny famonjena no antenaiko, ry Iaveh!
19
I Gada dia poritin’andian’olona mitam-piadiana; Nefa mba poritiny amin’ny ombalahin-tongony koa indray ireny.
20
I Asera no iavian’ny hanina matsiro, izy no mamonona ny hanim-py ho an’ny mpanjaka.
21
I Neftalì dia serfa vavy mikarenjy; mamoaka teny mahafinaritra izy.
22
I Josefa no solofon-kazo mahavokatra, solofon-kazo mahavokatra amoron-doharano izy; Misandratra tafahoatra ny tamboho ny rantsany.
23
Mihaika azy ny mpandefa zana-tsipîka, Mandefa zana-tsipîka aminy sy mamely azy,
24
Mateza hery anefa ny tsipîkany. Tonga mailaka ny sandry aman-tanany, avy amin’ny tanan’ilay maherin’i Jakôba, ilay Mpiandry sy Vatolampin’i Israely.
25
Avy any amin’ny Andriamanitry ny rainao - hitahy anao anie Izy! Sy avy any amin’ilay mahefa ny zavatra rehetra - hanisy soa anao anie Izy! no hahazoanao ny tso-drano avy amin’ny lanitra ambony, ny tso-drano avy amin’ny hantsana lalina ambany ny tso-drano avy amin’ny nono aman-kibon-dreny,
26
ny tso-dranon-drainao mihoatra Ny tso-dranon’ny tendrombohitra fahagola, sy ny hatsaran-tarehin’ny havoana mandrakizay. Ho eo an-dohan’i Josefa anie izany, dia ho eo an-kandrin’ilay andrian’ny rahalahiny!
27
I Benjamina dia amboadia mamiravira; maraina izy homan-dremby, hariva izy mizara babo.»
28
Ireo rehetra ireo no niavian’ny foko roa ambin’ny folon’i Israely; toy izany no nolazain-drainy taminy sy nitsofany rano azy. Notsofiny rano samy araka ny tso-dranony manokana avy izy.
29
Raha efa izany, izao no hafatra napetrany tamin’izy ireo: «Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako, anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna Heteanina,
30
anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana: dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha tamin’i Efrôna, Hetenianina, hananany fasana ho azy.
31
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny. Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny. Ary tao no nandevenako an’i Lià.
32
Tamin’ny taranak’i Heta, no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.»
33
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba, navonkiny teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy, ka voaangona any amin’ny razany.
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50