bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 3
Genesis 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 4 →
1
Ny bibilava no fetsy indrindra amin’ny biby rehetra eny an-tsaha izay nataon’i Iaveh Andriamanitra.
2
Hoy izy tamin-dravehivavy: «Hay va re Andriamanitra nanao hoe: Aza mihinana amin’ny hazo rehetra amin’ny saha ianareo?» Hoy ny navalin-dravehivavy ny bibilava: «Mihinana amin’ny voan’ny hazo amin’ny saha izahay;
3
fa ny voan’ny hazo eo afovoan’ny saha no nanaovan’Andriamanitra taminay hoe: Aza mihinana amin’izany ary aza mikasika izany akory, fandrao maty ianareo.»
4
Dia hoy ny bibilava tamin-dravehivavy: «Tsia, tsy ho faty akory ianareo;
5
fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo amin’izany, dia hisokatra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, mahalala ny tsara sy ny ratsy.»
6
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
7
Nisokatra ny mason’izy mivady, ary fantany fa nitanjaka izy; ka nanjaitra ravin’aviavy izy ireo nataony sikina.
8
Tamin’izay dia ren’izy ireo ny feon’i Iaveh Andriamanitra nandalo tao amin’ny saha rehefa nangatsiatsiaka ny andro; ka niery an’i Iaveh Andriamanitra tao anaty hazon’ny saha ralehilahy sy ny vadiny.
9
Fa i Iaveh Andriamanitra niantso an-dralehilahy nilaza taminy hoe: «Aiza moa ianao?»
10
Hoy ny navaliny: «Nandre ny feonao tao anaty saha aho, ka natahotra, fa mitanjaka, ka dia niery aho.»
11
Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Moa nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao va ianao?»
12
Hoy ny navalin-dralehilahy: «Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.»
13
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin-dravehivavy: «Ahoana no nanaovanao izany?» Hoy ny navalin-dravehivavy: «Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.»
14
Hoy i Iaveh Andriamanitra tamin’ny bibilava: «Noho ianao nanao izany, dia voaozona ianao amin’ny biby fiompy rehetra sy ny biby rehetra eny an-tsaha: hikisaka amin’ny kibonao ianao ary vovo-tany no hohaninao amin’ny andro rehetra hiainanao.
15
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy, ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny lohanao, ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.»
16
Ary hoy Izy tamin-dravehivavy: «Hampitomboiko ny fijalianao, indrindra raha bevohoka ianao; fijaliana no hiterahanao zanaka; hankamin’ny vadinao ny fanirianao ary izy hizaka anao.»
17
Dia hoy izy tamin-dralehilahy: «Noho ianao nihaino ny tenin’ny vadinao, ka nihinana tamin’ny hazo norarako tsy hihinananao, dia voaozona ny tany noho ny nataonao. Asa mahasasatra no hahazoanao hanina aminy mandritra ny andro rehetra hiainanao.
18
Tsilo sy hery no vokatra homeny anao; ary anana eny an-tsaha no hohaninao.
19
Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao amin’ny tany; satria tany no nangalana anao, fa vovoka ianao, ary hody vovoka indray.»
20
Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra.
21
Nanaovan’i Iaveh Andriamanitra akanjo hoditra i Adama sy ny vadiny dia natafiny azy.
22
Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Indro efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ny olombelona raha ny amin’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Fa amin’izao kosa aoka tsy haninjitra ny tanany izy haka amin’ny hazon’aina koa, sy hihinana izany, ka ho velona mandrakizay.»
23
Dia navoakan’i Iaveh Andriamanitra hiala tao amin’ny sahan’i Edena izy, mba hiasa ny tany izay nangalana azy.
24
Ka noroahiny ny olombelona ary nametrahany ny Kerobima sy ny lelafon-tsabatra mihebiheby teo atsinanan’ny sahan’i Edena, mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50