bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 22
Genesis 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 23 →
1
Taorian’izany, nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Ry Abrahama ô!» Ary hoy izy: «Inty aho.»
2
Dia hoy Andriamanitra: «Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, dia i Isaaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary rehefa mby any, atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao.»
3
Nifoha maraina koa i Abrahama, nanisy lasely ny ampondrany, naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy, sy i Isaaka zanany, ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.
4
Nony tamin’ny andro fahatelo, nanopy ny masony i Abrahama ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,
5
dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe: «Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo, fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho erỳ hivavaka, vao hiverina eto aminareo indray.»
6
Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana, ka natataony an’i Isaaka zanany, ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany, dia niara-nandeha izy mianaka. Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:
7
«Dada ô!» Ka hoy ny navaliny: «Inty aho, anaka.» Dia hoy i Isaaka: «Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto, fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?»
8
Hoy ny navalin’i Abrahama: «Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry hatao sorona dorana, anaka.» Dia niara-nandeha izy mianaka.
9
Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely; nalahany ny kitay hazo, ary nafatony i Isaaka zanany, ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
10
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
11
Tamin’izay niantso tany an-danitra ny Anjelin’i Iaveh nanao hoe: «Ry Abrahama! Ry Abrahama ô!» ka hoy ny navaliny: «Inty aho.»
12
Dia hoy ny Anjely: «Aza manainga ny tananao hamely ny zaza, ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahitokanao ho Ahy.»
13
Ary nanopy maso i Abrahama, ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony, voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony; dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany.
14
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh ny anaran’io fitoerana io. Ary avy amin’izany ilay fitenenan’ny olona mandraka androany hoe: Ho hita ihany izany any an-tendrombohitr’i Iaveh.
15
Ary ny Anjelin’i Iaveh niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra, ka nanao hoe:
16
«Efa nianiana tamin’ny tenako Aho, hoy i Iaveh, fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,
17
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
18
Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.»
19
Dia niverina nankeny amin’ny mpanompony i Abrahama, ka niainga izy ireo dia niara-nandeha nankany Bersabea. Ary nonina tao Bersabea i Abrahama.
20
Tatỳ aorian’izany, nisy nampandre vaovao tamin’i Abrahama dia izao: Efa nitera-dahy tamin’i Nakôra rahalahinao koa i Melkà,
21
dia i Hosa lahy matoany, i Boza lahy aivo, i Kamoela rain’i Arama,
22
i Kadesa, i Azao, i Feldasa, i Jedlafa ary i Batoela.
23
I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.
24
Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50