bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 4
Genesis 4
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 5 →
1
Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.»
2
Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany.
3
Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina ho fanatitra ho an’i Iaveh.
4
Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny, mbamin’ny taviny. Ary i Iaveh nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny,
5
fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy.
6
Ary hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika?
7
Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»
8
Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: «Andeha isika ho any an-tsaha.» Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.
9
Dia hoy i Iaveh tamin’i Kaina: «Aiza i Abela rahalahinao?» Fa hoy ny navaliny: «Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?»
10
Hoy i Iaveh: «Inona no nataonao? Fa mitaraina hatraty amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany.
11
Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tananao.
12
Rehefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany.»
13
Dia hoy i Kaina tamin’i Iaveh: «Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina.
14
Indro roahinao hiala amin’ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy, hamono ahy.»
15
Hoy i Iaveh taminy: «Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.» Ary nasian’i Iaveh famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy.
16
Raha efa izany dia niala teo anatrehan’i Iaveh i Kaina, ka nonina tany amin’ny tany Nôda, atsinanan’i Edena.
17
I Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Enôka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray i Kaina ka nantsoiny hoe Enôka, araka ny anaran-janany.
18
I Irada no naterak’i Enôka, ary i Irada niteraka an’i Maviaela; i Maviaela niteraka an’i Matosaela; i Matosaela niteraka an’i Lameka.
19
Nampirafy roa i Lameka; Adà no anaran’ny anankiray, ary Selà no anaran’ilay faharoa.
20
I Adà niteraka an’i Jabela; izy no rain’ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan’ny biby fiompy.
21
Ny anaran’ny rahalahiny Jobala; izy no rain’izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina.
22
I Selà kosa niteraka an’i Tobal-Kaina izay mpanefy fiasana maranitra isan-karazany na varahina na vy. Ny anaran’ny anabavin’i Tobal-Kaina dia Noema.
23
Ary hoy i Lameka tamin’ireo vadiny: «Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà; Henoy ny teniko, ry vadin’i Lameka: Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko; Ary tovolahy iray, noho ny ratrako.
24
Hovaliana faty impito heny i Kaina, ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny i Lameka.»
25
Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, ka hoy izy: «Nomen’Andriamanitra ny fara aho ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.»
26
I Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe i Enôsy. Vao tamin’izay no nanomboka niantso ny Anaran’i Iaveh ny olona.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50