bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 26
Genesis 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 27 →
1
Nisy mosary indray tamin’ny tany; hafa fa tsy ilay mosary fony fahavelon’i Abrahama. Ka lasa i Isaaka nankany Jerara amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina.
2
Ary i Iaveh niseho taminy, ka nanao hoe: «Aza midina any Ejipta, fa mitoera amin’ny tany izay holazaiko aminao.
3
Dia eto amin’ity tany ity mitoetra; fa homba anao Aho, sy hanisy soa anao; homeko anao sy ny taranakao ireto tany rehetra ireto, fa hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao.
4
Hampitomboiko tahaka ny kintana eny an-danitra ny taranakao; homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto; ary amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
5
satria efa nihaino ny feoko i Abrahama ary nitandrina ny teniko sy ny didiko amam-pitsipiko sy ny lalàko».
6
Dia nitoetra tao Jerara i Isaaka.
7
Nanontanian’ny olona tompon-tany ny amin’ny vadiny izy, ka namaly hoe: «Anabaviko io.» Satria natahotra ny hilaza hoe vadiko izy; fandrao vonoin’ny olona noho ny amin-dRebekà aho, hoy izy, fa tsara tarehy izy.
8
Nony ela no nitoerany tao Jerara, sendra nitazana teo am-baravarankely kosa i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistinina. Ka indro i Isaaka hitany nisangy tamin-dRebekà vadiny.
9
Dia niantso an’i Isaaka izy, ka nanao hoe: «Hita fa vadinao mihitsy izy. Ka ahoana no nilazanao hoe: Anabaviko io.» Ary hoy i Isaaka taminy: «Satria, hoy aho anakampo, sao dia maty aho noho ny aminy.»
10
Ka hoy i Abimeleka: «Ahoana no nanaovanao izany taminay? Fa nety ho nisy nandeha tamin’ny vadinao ny olona ka ho nampiditra fahotana taminay ianao.»
11
Dia nomen’i Abimeleka teny ny vahoakany rehetra, nataony hoe: «Izay mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia vonoina ho faty.»
12
Ary i Isaaka namafy tamin’izany ka nahavokatra avo zato heny izy tamin’io taona io.
13
Nambinin’i Iaveh ka tonga mpanankarena ralehilahy; ary nandroso nandroso ihany izy nampitombo ny hareny, mandra-pahatongany ho manana harena tsy hita noanoa.
14
Nananany andiany maro ny biby fiompy na lehibe na kely; ary nananany betsaka koa ny mpanompo; ka velom-pialonana azy ny Filistinina.
15
Nototofan’ny Filistinina nofenoiny tany avokoa ny lavaka fantsakana nohadin’ny mpanompon-drainy, fony fahavelon’i Abrahama rainy.
16
Ary i Abimeleka nanao tamin’i Isaaka hoe: «Mandehana miala aty aminay ianao, fa efa mahery lavitra noho izahay.»
17
Dia nandeha i Isaaka ka niorin-day teo an-dohasahan’i Jerara sy nonina teo.
18
Ary ny lavaka fantsakana voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy izay nototofan’ny Filistinina nony maty i Abrahama dia nohadin’i Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.
19
Mbola nihady teo amin’ny lohasaha koa ny mpanompon’i Isaaka, ka nahita loharano velona teo.
20
Fa niadian’ny mpiandry ondry tao Jerara ny mpiandry ondrin’i Isaaka nataony hoe: «Anay ny rano.» Ka nataon’i Isaaka hoe Eseka ny anaran’ny lavaka fantsakana, satria niadian-dry zareo izy.
21
Ary nihady lavaka fantsakana hafa indray ny mpanompon’i Isaaka nefa mbola niadiana ihany koa io ka nataony hoe Sitnà no anarany.
22
Dia niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, izay vao tsy niadiana intsony, ka nataony hoe Rekôbôta ny anarany: Satria, hoy izy, efa nomen’i Iaveh toera-malalaka isika, ka hiadana amin’ny tany.
23
Avy eo izy dia niakatra ho any Bersabea.
24
Ary niseho taminy i Iaveh ny alin’izay ka nanao hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.»
25
Dia nanangana ôtely teo i Isaaka, ka niantso ny anaran’i Iaveh. Ary niorin-day teo izy, ka nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompony.
26
Ary nanatona azy avy any Jerara i Abimeleka, nomban’i Okozôta sakaizany, sy i Fikôla filohan’ny tafiny.
27
Fa hoy i Isaaka tamin’izy ireo: «Ahoana no anatonanareo ahy nefa sady mankahala ahy ianareo no nandroaka ahy hiala tany aminareo?»
28
Ary hoy iretsy: «Efa hitanay miharihary fa momba anao i Iaveh, ka hoy izahay: ‹Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao; ka hanao fanekem-pihavanana aminao izahay.
29
Aoka hianiana ianao fa tsy hanisy ratsy anay, araka ny tsy nikasihanay anao akory, na nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, fa efa nampandehaninay soa aman-tsara ianao. Ary ianao izao no ilay hasoavin’i Iaveh.› »
30
Dia nanao fanasana ho azy ireo i Isaaka ka nihinana sy nisotro izy.
31
Ary nifoha vao maraina koa izy, dia samy nanao fianianana izy roa tonta, izay izy ireo vao nalefan’i Isaaka; ka dia lasa soa aman-tsara niala taminy.
32
Tonga tao amin’i Isaaka androtr’izay ihany ny mpanompony, nilaza ny momba ny lavaka fantsakana izay nohadiny tamin’izany ka nanao taminy hoe: «Efa nahita rano izahay.»
33
Dia nataony hoe Sibea ny anaran’ny fantsakana, Izany no nanaovana ny anaran’ny tanàna hoe Bersabea mandraka androany.
34
Rehefa efapolo taona i Esao dia nanambady an’i Jodita, zanak’i Beeri Heteanina, sy Basemata, zanak’i Elôna Heteanina.
35
Nahasorisorena mafy an’i Isaaka sy i Rebekà izy ireny.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50