bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 19
Genesis 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 20 →
1
Dia tonga tao Sôdôma ny Anjely roa, nony hariva; ary i Lôta tamin’izay nipetraka teo am-bavahadin’i Sôdôma. Vao nahita azy ireo i Lôta dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin’ny tany ka nanao hoe:
2
«Izao re mba miantranoa, Tompoko, ato amin’ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa ianareo, dia hanohy ny dianareo ianareo.» Hoy ny navalin’izy ireo: «Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina.»
3
Niambezo mafy tamin’izy ireo anefa i Lôta ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo.
4
Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sôdôma, hatramin’ny ankizy ka hatramin’ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin’ny tanàna manontolo.
5
Niantso an’i Lôta izy ireo, ka nanao taminy hoe: «Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy.»
6
Nivoaka ho any amin’izy ireo teo am-baravarana i Lôta, ka nakatony avy eo ivohony ny varavarana,
7
Dia hoy izy: «Aoka re, ry rahalahy, mifona aminareo aho, aza dia manao ratsy lahy!
8
Manan-janaka roa vavy aho, ka tsy mbola nahalala lahy akory izy; ka ireo no aoka havoakako ho aty aminareo, hanaovanareo izay sitrakareo. Fa aza manao na inona na inona amin’izy roa lahy ireo, fa izany no nidirany hialoka ato ambanin’ny tafon-tranoko.»
9
Hoy ny navalin’iretsy: «Mialà eo ialahy.» Sady nampiany hoe: «Vahiny ilay io no tonga tatỳ; nefa indro manao azy ho mpitsara izy. Iny àry hataonay mafimafy kokoa ny hanjò anao fa tsy tahaka azy ireo.» Dia nasian’izy ireo tosi-mahery i Lôta, ka nisesika hamaky ny varavarana izy.
10
Naninjitra ny tanany anefa izy roa lahy, ka i Lôta nosintoniny hankao aminy ao an-trano, dia nakatony ny varavarana.
11
Fa ry zareo tao am-baravaran’ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana.
12
Ary hoy izy roa lahy tamin’i Lôta: «Inonao avy koa no mbola eto? Na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin’ity toerana ity avokoa;
13
fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin’ny mponina eto ho eo anatrehan’i Iaveh; ka nirahin’i Iaveh izahay handrava azy.»
14
Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.
15
Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan’ny Anjely i Lôta nataony hoe: Mitsangàna ianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty ianao amin’ny loza hanasaziana ny tanàna.
16
Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin’izy roa lahy tamin’ny tanany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian’i Iaveh ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan’ny tanàna.
17
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»
18
Hoy i Lôta tamin’izy ireo: «Tsia, tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao:
19
ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.
20
Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»
21
Dia hoy izy taminy: «Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io.
22
Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
23
Niposaka tamin’ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segôra i Lôta.
24
Tamin’izay dia nalatsak’i Iaveh tamin’i Sôdôma sy Gômôra ny afo sy solifara avy any amin’i Iaveh any an-danitra,
25
ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin’ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin’ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin’ny tany Izy.
26
Niherika ny vadin’i Lôta, ka zary andry sira.
27
Nifoha maraina koa i Abrahama, dia nankany amin’ilay toerana nijanonany teo anatrehan’i Iaveh.
28
Nitazana nankany Sôdôma sy Gômôra mbamin’ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin’ny tany toy ny setroka avy amin’ny memy.
29
Nahatsiaro an’i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin’ny tany lemaka, ka nanafaka an’i Lôta tamin’ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan’i Lôta.
30
Niakatra avy tao Segôra i Lôta, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segôra. Dia nipetraka tao amin’ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy.
31
Ary hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin’ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon’ny tany rehetra,
32
ka handeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika, mba hananantsika fara aman-dimby, avy amin’ny raintsika.»
33
Ny alin’izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa irainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany.
34
Nony ampitso, dia hoy ilay zokiny tamin’ny zandriny: «Efa nandry tamin’i dada aho alina, ka handeha indray hampisotrointsika divay izy, anio alina, dia mandehana mandry aminy ianao, mba hananantsika fara mandimby avy amin’ny raintsika.»
35
Ny alin’iny ihany dia nampisotroiny divay indray ny rainy, ka niditra nandry taminy ilay zandriny, tsy misy hitany anefa na izay nandriany na izay niarenany.
36
Ary samy nanan-janaka tamin-drainy ny zanak’i Lôta roa vavy.
37
Ny zokiny nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Moaba, io no rain’ny Moabita mandraka androany.
38
Ny zandriny koa nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Benamy; io kosa no rain’ny taranak’i Amôna mandraka androany.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50