bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 38
Genesis 38
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 39 →
1
Tamin’izany andro izany, niala teo amin’ireo rahalahiny i Jodà, dia nidina ka tonga tany amin’ny lehilahy anankiray tao Odolama atao hoe Hirà.
2
Teo no nahitany ny zanaka vavin’ny Kananeanina anankiray, atao hoe Soe, ka naka an’io ho vady izy, dia nandeha taminy.
3
Nanana anaka ravehivavy dia tera-dahy, ary nataony hoe Era ny anarany.
4
Nanana anaka indray izy, dia tera-dahy, ka nataony hoe Onàna ny anarany.
5
Ary nanana anaka koa izy, dia tera-dahy, nataony hoe Selà ny anarany. Nitoetra tao Akeziba i Jodà, tamin’ny niterahany an’io.
6
Ary i Jodà naka vady ho an’i Era, lahy matoany; Tamara no anarany.
7
Ratsy fanahy teo imason’i Iaveh anefa i Hera, lahy matoan’i Jodà, ka novonoin’i Iaveh.
8
Dia hoy i Jodà tamin’i Onàna: «Mandehana amin’ny vadin-drahalahinao, ento loloha izy, mba hamelomanao maso ny rahalahinao.»
9
Fantatr’i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin’ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin’ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny.
10
Tsy sitraky ny Tompo ny nataony, ka novonoiny koa izy.
11
Ary hoy i Jodà tamin’i Tamara, vinantovaviny: «Mitoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben’i Selà, zanako lahy.» Fa hoy izy anakam-po: «Tsy tokony ho faty toa an’ireo rahalahiny koa izy.» Dia nandeha i Tamara, ka nitoetra tany an-tranon-drainy.
12
Nony ela dia maty ilay zanakavavin’i Soe, vadin’i Jodà. Ary rehefa afa-tsaona i Jodà, dia niakatra tany amin’ireo nanety ny ondriny, any Tamnà, izy sy i Hirà, Odolamita sakaizany.
13
Ary nisy nilaza izany tamin’i Tamara nanao hoe: «Indro ny rafozanao miakatra any Tamnà hanety ny ondriny.»
14
Ka noesoriny ny akanjo fitondran’ny mpitondra tena teny aminy, dia nisarona voaly izy, ka nipetraka nisalobona teo am-bavahadin’i Enaîma, amin’ny lalana mankany Tamnà; satria hitany fa efa lehibe i Selà, ary izy anefa tsy mbola nomena ho vadiny.
15
Nony nahita azy i Jodà, dia nataony ho vehivavy janga izy, fa nisaron-doha;
16
ka nivily nanitsy azy teny amin’ny lalana izy, dia nanao hoe: «Aoka mba handeha aminao aho.» Fa tsy fantany hoe vinantony io. Dia hoy ravehivavy: «Omenao inona aho, raha mandeha amiko ianao?»
17
Ka hoy ny navaliny: «Hampanatitra zanak’osy avy any amin’ny biby fiompy ho anao aho.» Fa hoy ravehivavy: «Eny, raha omenao antoka aho aloha, mandra-pampanatitrao an’izany.»
18
Ary hoy izy: «Inona no antoka homeko anao?» Dia hoy izy: «Ny peratrao sy ny kofehinao ary iny tehina an-tananao iny.» Nomeny azy izany, dia nandeha taminy izy, ka nanana anaka taminy ravehivavy.
19
Vao niainga teo ravehivavy dia lasa, nesoriny ny voaliny, ary niakanjoany indray ny akanjony fitondran’ny mpitondratena.
20
Nampanaterin’i Jodà an’ilay Odolamita sakaizany, ny zanak’osy, hangalany ny antoka tany an-tanan-dravehivavy, kanjo tsy hitany izy.
21
Nanontany ny olona tompon-tany teo izy nanao hoe: «Aiza ilay vehivavy janga nitoetra teo amoron-dalana tao Enaîma?» Fa hoy ny navalin’ny olona: «Tsy nisy vehivavy janga teto.»
22
Dia niverina tany amin’i Jodà izy, nilaza hoe: «Tsy nahita azy aho; ary lazain’ny olona tompon-tany aza fa hoe, tsy nisy vehivavy janga teo.»
23
Ka hoy i Jodà: «Aoka hotanany ny antoka; fa tsy tokony hihomehezan’olona foana isika; indro fa efa nampanateriko ny zanak’osy, ary ianao tsy nahita azy kosa.»
24
Sahabo ho telo volana taorian’izany, dia nisy nilaza tamin’i Jodà hoe: «Nijangajanga i Tamara vinantovavinao; ary indro fa efa nanana anaka izy tamin’ny fijangajangana nataony.» Ka hoy i Jodà: «Avoahy izy ka aoka hodorana.»
25
Nony navoaka anefa ravehivavy, dia naniraka hilaza amin-drafozany hoe: «Izay lehilahy tompon’ireto zavatra ireto no nananako anaka. Ka zahao tsara, hoy izy, izay tompon’ity peratra sy ity kofehy ary ity tehina ity.»
26
Dia fantatr’i Jodà ireo, ka hoy izy: «Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin’i Selà, zanako.» Ary tsy nahalala azy intsony izy.
27
Nony tonga ny fotoana hiterahany, injao zaza kambana no tao an-kibony.
28
Teo am-piterahany, natrangan’ny anankiray aloha ny tanany, ka noraisin’ny mpampivelona nofeheziny tamin’ny kofehy mena, nataony hoe: ity no nivoaka voalohany.
29
Kanjo nahemotr’ilay zaza ny tanany, ka indro fa ny rahalahiny no nivoaka. «Akory ity fibosesehana nataonao, hoy ny mpampivelona.» Dia natao hoe Faresa ny anarany.
30
Izay vao nivoaka ilay rahalahiny, nifehy kofehy mena ny tanany, ka natao hoe Zarà ny anarany.
← Chapter 37
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 39 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50