bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 30
Genesis 30
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 31 →
1
Nony hitan-dRasela fa tsy mba niteraka tamin’i Jakôba izy, dia nialona ny rahavaviny izy sady nanao tamin’i Jakôba hoe: «Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany maty aho.»
2
Fa nirehitra tamin-dRasela ny fahatezeran’i Jakôba, ka hoy izy: «Izaho va no solon’Andriamanitra nahamomba anao?»
3
Ary hoy ravehivavy: «Indro i Balà, ankizy vaviko, mandehana aminy mba hiterahany eo am-pofoako, sy hananako taranaka aminy koa.»
4
Dia nomeny ho vadiny i Balà ankizy vaviny, ka niray tamin’io i Jakôba.
5
Ary nanana anaka i Balà, dia tera-dahy tamin’i Jakôba.
6
Ka hoy i Rasela: «Nomen’Andriamanitra ny rariny aho, ary nohenoiny ny feoko, ka nomeny zazalahy aho.» Izany no nanaovany ny anarany hoe i Dana.
7
Ary nanana anaka indray i Balà, ankizy vavin-dRasela, dia nitera-dahy fanindroany tamin’i Jakôba,
8
ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.
9
Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba.
10
Ary nitera-dahy tamin’i Jakôba i Zelfa ankizy vavin’i Lià.
11
Ka hoy i Lià: «Manan-jara re aho,» dia nataony hoe Gada ny anarany.
12
Fa nitera-dahy fanindroany tamin’i Jakôba indray i Zelfa, ankizy vavin’i Lià.
13
Ka hoy i Lià: «Fahasambarana ho ahy izao; fa hataon’ny zazavavy hoe: sambatra aho.» Dia nataony hoe: Asera ny anarany.
14
Tamin’ny fotoana fijinjam-barim-bazaha, nivoaka i Robena, ka nahita mandragora tany an-tsaha, dia nentiny tany amin’i Lià reniny. Ary hoy i Rasela tamin’i Lià: «Masìna ianao, mba omeo kely amin’ny mandragoran-janakao aho.»
15
Fa hoy ny navaliny azy: «Tsy ampy ve ny nangalanao ny vadiko, ka haka ny mandragoran-janako koa ianao?» Dia hoy i Rasela: «Aoka àry ho any aminao izy anio alina, ho valin’ny mandragoran-janakao.»
16
Nony hariva, inty tonga avy any an-tsaha i Jakôba, ka nivoaka nitsena azy i Lià, nanao hoe: «Ato amiko no halehanao fa efa nohofako ny mandragoran-janako ianao.» Dia nandry taminy izy ny alin’izay.
17
Ary nihaino an’i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin’i Jakôba;
18
ka hoy i Lià: «Nomen’Andriamanitra ny karamako aho tamin’ny nanomezako ny ankizivaviko ho an’ny vadiko.» Dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19
Mbola nanana anaka koa i Lià sy nitera-dahy fanineniny tamin’i Jakôba,
20
ka nanao hoe: «Nomen’Andriamanitra anjara soa aho; amin’izao, dia hitoetra amiko ny vadiko, fa niteraka enina mirahalahy ho azy aho.» Dia nataony hoe Zabolôna ny anarany.
21
Nanaraka izany dia nitera-bavy izy, ka nataony hoe Dinà ny anarany.
22
Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRasela, ka nihaino azy ka nampanana anaka azy.
23
Nanana anaka izy sady nitera-dahy ka nanao hoe: «Nesorin’Andriamanitra tamiko ny fahafaham-barakako.»
24
Dia nataony hoe i Josefa ny anarany, fa hoy izy: «Hanampy zazalahy iray ho ahy koa anie i Iaveh.»
25
Nony efa niteraka an’i Josefa i Rasela, dia hoy i Jakôba tamin’i Labàna: «Avelao aho handeha, hody any amiko sy any amin’ny taniko.
26
Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin’ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay.»
27
Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy.
28
Lazao amiko izay ho karamanao fa homeko tokoa.»
29
Hoy i Jakôba taminy: «Fantatrao ny nanompoako anao sy ny tonga toetry ny biby fiompinao, nony mby tamiko.
30
Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?»
31
Dia hoy i Labàna: «Inona àry no homeko anao?» Ka hoy i Jakôba: «Tsy hanome ahy na inona na inona ianao; fa raha ekenao izao teniko izao, dia handrasako sy hotandremako indray ny biby fiompinao.
32
Handeha hamaky ny biby fiompinao rehetra aho anio; ka havahako ny sada sy ny mara rehetra mbamin’ny mainty rehetra amin’ny zanak’ondry; ary ny sada sy ny mara amin’ny osy, dia ireo no ho karamako.
33
Ny fahamarinako no ho vavolombeloko rahampitso, rahefa tonga handinika ny karamako ianao. Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary tsy mainty eo amin’ny ondry dia ho halatra eo am-pelatanako.»
34
Ka hoy i Labàna: «Aoka àry, dia ho araka izany voalazanao izany.»
35
Androtr’izay ihany dia navahany ny osy lahy sadika sy mara, ny osy vavy sadika sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin’ny zanak’ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tanan’ny zanany lahy.
36
Dia nasiany elanelana lalan-kateloana izy sy i Jakôba. Ary ny biby fiompin’i Labàna sisa, nandrasan’i Jakôba.
37
Naka tsora-kazo maitso, tamin’ny hazo peuplier sy amandier ary platane i Jakôba, nataony vaofy vandana, hisehoan’ny fotsy amin’ny tsora-kazo;
38
dia napetrany teny amin’ny tatatra, teny amin’ny fisotroan-drano fisotron’ny ondry, ny tsora-kazo voavaofy, nataony talaky mason’ny ondry; fa nitady hikambana ireny nony tonga hisotro,
39
ka nikambana teo anoloan’ny tsora-kazo ny ondry, dia teraka sadika sy mara ary sada.
40
Navahan’i Jakôba ny zanak’ondry, ary ny biby fiompy dia nataony nanatrika ny sadika sy ny mainty rehetra amin’ny biby fiompy ananan’i Labàna. Izany no nahazoany andiam-biby fiompy ho an’ny tenany, ka tsy nakambany tamin’ny biby fiompin’i Labàna.
41
Nony injay ny ondry matanjaka no nitady hikambana, dia nataon’i Jakôba tao anatin’ny fisotroan-drano talaky mason’ny ondry ny tsora-kazo, mba hikambanany eo anilan’ny tsora-kazo;
42
fa raha osaosa kosa ny ondry dia tsy mba nataony tao ireny; ka dia ny zanak’ondry osaosa no an’i Labàna, fa ny matanjaka kosa an’i Jakôba.
43
Dia tonga mpanankarena fatratra ralehilahy, fa nananany betsaka ny biby fiompy, ny mpanompo lahy sy vavy, ary ny rameva aman’ampondra.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50