bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 2
Genesis 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 3 →
1
Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra nomba azy.
2
Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ka tamin’ny andro fahafito Izy nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
3
Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany andro izany no nitsaharany tamin’ny zavatra rehetra noarîny tamin’ny nanaovany azy.
4
Izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rehefa voaary izy, rehefa vitan’i Iaveh Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.
5
teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria i Iaveh Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy.
6
Nefa nisy etona niakatra avy amin’ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra.
7
Vovo-tany no nanaovan’i Iaveh Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona.
8
Ary i Iaveh Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny.
9
Ary nampanirin’i Iaveh Andriamanitra tamin’ny tany izao hazo rehetra mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao, sy ny hazon’aina tao afovoan’ny saha, ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10
Nisy ony anankiray nivoaka tao Edena, hanondraka ny saha, ka avy eo izy dia nisampana efatra.
11
Fisôna no anaran’ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena.
12
Ary tsara ny volamena amin’izany tany izany. Any koa no misy ny bdeliôma sy ny vato ôniksa.
13
Geôna no anaran’ny ony faharoa; io no manodidina ny tany Kosy rehetra.
14
Tigra no anaran’ny ony fahatelo; io no mandeha ao atsinanan’i Asora. Ary Eofrata no anaran’ny ony fahefatra.
15
Dia nalain’i Iaveh Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena, mba hiasa sy hiandry azy.
16
Ary i Iaveh Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: «Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha.
17
Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao.»
18
Ary hoy i Iaveh Andriamanitra: «Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy.»
19
Ary i Iaveh Andriamanitra, izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka dia nampiavy azy hankeo amin-dralehilahy mba hahitany izay hanononany azy avy; hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen-dralehilahy azy avy.
20
Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.
21
Ka nataon’i Iaveh Andriamanitra renoky ny torimaso ralehilahy, dia natory; ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray fa nofo no nakombony ho solony.
22
Ny taolan-tehezana nalain’i Iaveh Andriamanitra tamin-dralehilahy dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin-dralehilahy.
23
Ary hoy ralehilahy: «Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.»
24
Noho izany handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny; ary ho nofo iray ihany izy ireo.
25
Samy nitanjaka izy roa, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahamenatra azy izany.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50