bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 37
Genesis 37
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 38 →
1
Ary i Jakôba niorim-ponenana teo amin’ny tany nitoeran-drainy any amin’ny Kanaana.
2
Izao no tantaran’i Jakôba. Rahefa fito ambin’ny folo taona i Josefa, dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny. Noho izy mbola zaza, tafaraka tamin’ireo zanak’i Bala sy tamin’ireo zanak’i Zelfah vadin-drainy; nanambara tamin-drainy ny tati-bolan-dratsy momba azy ireo i Josefa.
3
Tian’i Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, fa zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo lava.
4
Nony hitan’ireo rahalahiny, fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Josefa, dia nankahalainy izy, ka tsy zakany intsony ny hiteny aminy amim-pitiavana.
5
Nanonofy i Josefa ary notantarainy tamin’ireo rahalahiny izany; ka vao mainka koa nankahalàny azy.
6
Hoy izy taminy: «Aza mahafady, mba henoy kely ange ny nofy azoko:
7
Nifehy amboara teny an-tsaha, hono, isika, ary indro niarina ny amboarako ka tafajoro; fa nilahatra nanodidina ny ahy kosa ny amboaranareo, sady niankohoka teo anatrehany.»
8
Ary hoy ireo rahalahiny taminy: «Dia hanjaka aminay ve ianao e, ary dia ho eo ambany fanapahanao ve izahay e?» Izany nofiny aman-teniny izany, no vao mainka koa nankahalàny azy.
9
Fa mbola nanonofy indray koa izy, sady nolazainy tamin’ireo rahalahiny. Hoy izy: «Nanonofy indray aho, ny masoandro amam-bolana ary ny kintana iraika ambin’ny folo niankohoka teo anatrehako.»
10
Samy nilazany izany avokoa ny rainy sy ireo rahalahiny, ka notenenin-drainy mafy izy, nataony hoe: «Ahoana no hevitr’izany nofinao izany? Izaho ve sy ny reninao ary ny rahalahinao tsy maintsy ho avy hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?»
11
Ireo rahalahiny nialona azy, fa rainy kosa nitadidy izany.
12
Nandeha niandry ny biby fiompin-drainy tany Sikema ireo rahalahin’i Josefa.
13
Ka hoy i Israely tamin’i Josefa: «Moa tsy miandry ny biby fiompy any Sikema va ny rahalahinao? Ka avia ianao hirahiko ho any amin’izy ireo.» Dia hoy ny navaliny: «Inty aho»
14
Ary hoy i Israely taminy: «Mandehana, zahao raha tsara ihany ny rahalahinao ary raha tsara ny toetry ny biby fiompy. Dia hampandrenesinao ahy izay vaovao any.» Koa nalefany izy hiala tao an-dohasahan’i Hebrôna, dia lasa i Josefa nankany Sikema.
15
Nisy kosa lehilahy anankiray nahita azy nivezivezy teny an-tsaha, ka nanontany azy nanao hoe: «Inona no tadiavinao?»
16
Dia hoy izy: «Mitady ny rahalahiko aho; masìna ianao, mba atoroy ahy kely izay iandrasany ondry.»
17
Ka hoy ralehilahy: «Efa nifindra niala teto izy, fa reko niresaka hoe: Andeha isika ho any Dôtaîna». Dia lasa i Josefa nanaraka ny rahalahiny, ka nahita azy tany Dôtaîna.
18
Mbola lavitra izy dia tazany, ka talohan’ny nahatongavany teo akaikiny, dia niray tetika hamono azy izy ireo.
19
Nifampiteny toy izao izy ireo: «Indry erỳ ilay mpanonofy; izy tokoa iny avy iny.
20
Andeha hovonointsika izy, ka hatsipintsika ao anatin’ny iray amin’ireto lavaka fantsakana ireto, sy holazaintsika hoe: nohanin’ny biby masiaka, ary ho hitantsika amin’izany izay hiafaran’ny nofiny.»
21
Nandre izany i Robena, ka namonjy azy teo an-tanan’ireo; hoy izy: «Aza mamono azy isika»
22
Hoy i Robena tamin’izy ireo: «Aza mandatsa-dra, fa atsipazo ao anatin’io lavaka aty an’efitra io izy. Ka aza maninji-tanana aminy ianareo.» Ny kendreny dia ny hanafaka azy eo an-tanan’ireo, mba hampodiany azy ho any amin-drainy.
23
Nony tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahany ny akanjony, ilay akanjo lava fitondrany.
24
Ka noraisiny izy, natsipiny tao anaty lavaka; ary maina ilay lavaka, ka tsy nisy rano.
25
Ary dia nipetraka nihinana izy ireo. Nony natopiny ny masony, dia hitany fa indreny nisy Ismaelita niray dia avy any Galaada; ary ny entana nentin’ny ramevany dia astragala, ditin-kazo manitra, mbamin’ny ladanôma, ndeha havariny any Ejipta.
26
Ka hoy i Jodà tamin’ireo rahalahiny: «Inona no soa azontsika raha mamono ny rahalahintsika sy manafina ny rany isika?
27
Andeha hamidintsika amin’ny Ismaelita izy, fa aza maninji-tanana aminy isika, fa rahalahintsika sy nofontsika izy.» Dia nihaino azy ireo ny rahalahiny.
28
Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
29
Niverina nankeo amin’ilay lavaka i Robena, ka indro fa tsy tao amin’ny lavaka intsony i Josefa.
30
Ka notriariny ny fitafiany, dia nankeo amin’ireo rahalahiny izy, nanao hoe: «Tsy ao intsony ny zaza, ary izaho dia hankaiza?»
31
Fa nalain’ireo rahalahiny kosa ny akanjon’i Josefa, ka namono osilahy izy, ary natsobony tamin’ny ra ny akanjo.
32
Dia nampanateriny tany amin-drainy ny akanjo lava, nasainy nolazaina taminy hoe: «Ity no hitanay, ka jereo na ny akanjon’ny zanakao ity na tsia.»
33
Fantatr’i Jakôba fa izy io, ka hoy izy: «Ny akanjon-janako tokoa. Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa.»
34
Dia notriariny ny fitafiany ka nisikina lamba malailay izy, nisaona ny zanany naharitra ela be.
35
Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.
36
Namidin’ny Madianita tany Ejipta i Josefa tamin’i Potifara, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50