bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Genesis 7
Genesis 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 8 →
1
Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
2
Ny biby madio rehetra dia fito tsiroaroa avy, lahy sy vavy, no halainao ho ao aminao; ary ny biby tsy madio kosa dia roa avy, lahy sy vavy, no halainao;
3
ny voromanidina koa, fito tsiroaroa avy, mba hampaharitra ny karazany tsy ho faty eto ambonin’ny tany, lahy sy vavy.
4
Fa fito andro sisa dia handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho, mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina; ka hofongorako eo ambonin’ny tany ny zavatra rehetra nataoko.»
5
Notanterahin’i Nôe avokoa izay rehetra nasain’i Iaveh ataony.
6
Efa enin-jato taona izy tamin’ny nahatongavan’ny safodrano nanafotra ny tany.
7
Niditra ao an-tsambo fiara i Nôe mbamin’ny zanany sy ny vadiny ary ny vinantovaviny mba tsy ho tratry ny safodrano.
8
Ny biby madio sy ny tsy madio, ny vorona sy izay rehetra mikisaka amin’ny tany;
9
dia samy nanatona tsiroaroa, lahy sy vavy, nankao amin’i Nôe, ao an-tsambo fiara, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe.
10
Ary nony afaka fito andro dia nibosasaka teto ambonin’ny tany ny safodrano.
11
Tamin’ny taona fahenin-jato niainan’i Nôe, tamin’ny volana faharoa, andro fahafito ambin’ny folo dia nipoitra ny loharano rehetra avy any amin’ny hantsana lehibe, nivoha ny vavahadin-dranon’ny lanitra,
12
ary nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
13
Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy;
14
dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.
15
Nanatona tsiroaroa izy ireo, avy amin’ny nofo rehetra manam-pofon’aina nankeo amin’i Nôe tao an-tsambo fiara.
16
Lahy sy vavy, avy amin’ny nofo rehetra no tonga izy araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Nôe. Dia narindrin’i Iaveh teo ivohony ny varavarana.
17
Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany.
18
Mbola nitombo ny rano, ka nisondrotra dia nisondrotra tao amin’ny tany, ary ny sambo fiara nitsinkafona teny ambonin’ny rano.
19
Nony efa nisondrotra teo ihany ny rano dia voasarony avokoa ny tendrombohitra avo rehetra, tambanin’ny lanitra manontolo.
20
Ka tafasondrotra dimy ambin’ny folo hakiho nihoatra ny tendrombohitra voasarony izy.
21
Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.
22
Maty daholo rehefa mety ho zavatra mitoetra amin’ny tany maina, rehefa mety ho zava-manam-pofon’aina teo am-bavorony.
23
Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa.
24
Dimampolo amby zato andro no nahatondraka ny rano tambonin’ny tany.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50