bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 1
Isaiah 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 2 →
1
Fahitan ’i Izaia, zanak’i Amôsa, momba an’i Jodà sy i Jerosalema, izay hitany tamin’ny andron’i Oziasa, i Joatama, i Akaza ary i Ezekiasa, mpanjakan’i Jodà.
2
Mihainoa, ry lanitra, ary ianao ry tany, mitongilàna sofina, fa miteny i Iaveh: «Efa namelon-jaza Aho, ary efa nanabe ireny, kanjo izy ireo niodina tamiko.
3
Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa i Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.»
4
Adray! ry ilay firenena mpanota, vahoaka mavesa-keloka, tarana-dratsy, zana-meloka! Nandao an’i Iaveh izy ireo, naniratsira an’Ilay Masin’i Israely, nihataka nihemotra.
5
Aiza indray no hasiana aminareo, raha mitohy ny fiodinanareo? ny loha manontolo marary, ary ny fo manontolo mavozovozo.
6
Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory.
7
Ny taninareo, lao; ny tanànanareo levon’ny afo. Ny taninareo levon’ny hafa eo imasonareo; hoatra ny fandravan’ny olon-kafa firenena no fahasimbany.
8
Ary ny zanaka vavin’i Siôna dia tafajanona toy ny trano bongo anaty tanimboaloboka, toy ny tranotomboka, anaty tanim-boatango, toy ny tilikambo fiambenana.
9
Raha tsy namelan’i Iavehn’ny tafika ambiny kely sisa isika, dia ho sahala amin’i Sôdôma, hanahaka an’i Gômôra.
10
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry mpitsaran’i Sôdôma; mitongilàna sofina amin’ny lalàn’ny Andriamanitsika, ry vahoak’i Gômôra.
11
Mampaninona ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy i Iaveh. Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana aho, mbamin’ny saboran-janak’omby. Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.
12
Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory?
13
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho ahy; fahavetavetana amiko ny emboka; raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana, dia tsy zakako hankasitrahina ny heloka sy nyfivoriana ampahibemaso.
14
Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo; mavesatra amiko ireny, sasatry ny mandefitra izany Aho.
15
Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho; raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho: Feno ra ny tananareo.
16
Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko; mitsahara tsy hanao ratsy,
17
mianara hanao soa; katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.
18
Avia, hiara-mifandahatra isika; Na mangatrakatraka aza ny fahotanareo, hanjary fotsy hoatra ny oram-panala; na mena hoatra ny jaky aza izy, ho tonga toy ny volon’ondry.
19
Raha manaiky amin’ny fo mazoto ianareo, dia hihinana ny zava-tsoan’ny taninareo,
20
fa raha manohitra sy miodina kosa ianareo, dia ho levonin’ny sabatra; fa efa niteny ny vavan’i Iaveh.
21
Ahoana no nahatongavany ho janga, izy ilay tanàna mahatoky sy feno fahamarinana, izay nonenan’ny fitsarana marina; fa ankehitriny kosa... mpamono olona no eo!
22
Ny volafotsinao zary tain-drendrika, ny divainao notampohin-drano.
23
Ny lehibenao mpikomy, sy naman’ny mpangalatra; sady tia fanatitra no fatra-pitady tambitamby avokoa; ny kamboty tsy omeny rariny; ary ny adin’ny mpitondratena, tsy tonga eo anatrehany.
24
Ka noho izany - Teny ton’ny Tompo, Iavehn’ny tafika, ilay Maherin’i Israely: - Edrey! hiala fo amin’ny mpandrafy Ahy Aho, sy hamaly an’ireo fahavaloko.
25
Haninjitra ny tanako aminao Aho, ka ny tain-drendrikao hoempoiko toy ny amin’ny sirahazo, ary ny potipoti-pirakao rehetra hoesoriko.
26
Hametrahako mpitsara toy ny tany aloha ianao, mbamin’ny mpanolo-tsaina toy ny tamin’ny andro voalohany. Raha efa izany dia hantsoina hoe tanànan’ny fahamarinana, tanàna mahatoky ianao.
27
Havotana amin’ny hitsiny i Siôna, ary amin’ny rariny, izay hibebaka ao.
28
Fa ny mpikomy ama-mpanota kosa, indray torotoroina avokoa; ary izay mahafoy an’i Iaveh, dia ho faty.
29
Fa ho menatra ny terebinta nankamamianareo ary ho menatra ny zaridaina izay nahafinaritra anareo ianareo.
30
Satria ho tahaka ny terebinta nalazo ravina ianareo, ary tahaka ny zaridaina tsy misy rano.
31
Ary ny olo-mahery ho tahaka ny hoto, ary ny asany ho kilalaon’afo. Ka hiara-mirehitra izy roa tonta, sady tsy hisy olona hamono ny afo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66