bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Isaiah 36
Isaiah 36
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 37 →
1
Tamin’ny taona faha-14, nanjakan’i Ezekiasa, niakatra i Senakeriba, mpanjakan’i Asiria, hamely ny tanàna mimanda rehetra any Jodà, ka nahafaka ireny.
2
Ary nirahin’ny mpanjakan’i Asiria ny lehiben’ny mpandroso divay aminy nitondra miaramila maro, avy ao Lakisa ho any Jerosalema, amin’i Ezekiasa mpanjaka; nijanona teo amin’ny lakan-drano amin’ny kamory ambony, eo amin’ny lalana mamkamin’ny sahan’ny Mpamotsy lamba, ny lehiben’ny mpandroso divay.
3
Dia nanatona azy i Eliasima, zanak’i Helkiasa lehiben’ny tao an-dapa, nomban’i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa, mpitahiry ny bokim-panjakana.
4
Hoy ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’izy ireo: «Mba lazao kely amin’i Ezekiasa izao: Izao no tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria: Avy aiza no nahazoanao toky iankinanao toy izao? Hoy izaho: Teny foana izany fikasana aman-kery hoenti-miantafika izany.
5
Fa ankehitriny, iza no itokianao no niodina tamiko ianao?
6
Indro fa ny itokianao hitehenana dia ilay volotara folaka, i Ejipta, izay manindrona sy manaboroaka ny tanan’izay rehetra mitehina aminy; fa izany no afitsok’i Faraôna amin’izay rehetra matoky azy.
7
Ary raha ianao manao amiko hoe: ‹I Iaveh Andriamanitray no itokianay› - moa tsy Izy va no nanesoran’i Ezekiasa ny fitoerana avo aman’ôtely nanaovany tamin’i Jodà sy i Jerosalema hoe: ‹Eo anoloan’ity ôtely ity no hiankohofanareo?›
8
Koa ankehitriny manaova fanekena amin’ny tompoko, ny mpanjakan’i Asiria, fa homeko soavaly roa arivo ianao, raha afa-mamory olona hitaingina azy!
9
Hataonao ahoana no fampiamboho kapiteny iray akory, amin’ny mpanompon’ny tompoko, na dia izay kely indrindra amin’izy ireo aza? Noho izany dia i Ejipta no itokianao hahazoana kalesy aman-tsoavaly.
10
Ary ankehitriny matoa niakarako ity tany ity handrava azy, moa tsy avy amin’ny sitrak’i Iaveh izany? - Izao no nolazain’i Iaveh tamiko: ‹Miakara hamely izany firenena izany, ka ravao izy!› »
11
Dia hoy i Eliasima sy i Sobnà ary i Jôahe, tamin’ny lehiben’ny mpandroso divay: «Mba teny arameanina no ataovy amin’ny mpanomponao, satria hainay izany; fa aza dia manao teny jodaika, ho ren’ny vahoaka eny ambony manda.» Fa izao no navalin’ny lehiben’ny mpandroso divay:
12
«Moa ny tomponao sy ianao va, no nanirahan’ny tompoko ahy, hilaza izany teny izany; fa tsy ireo olona mipetraka eo ambony manda hihinana ny dikiny sy hisotro ny ditsany miaraka aminareo?»
13
Dia nandroso ny lehiben’ny mpandroso divay ka nanao feo avo niantso tamin’ny teny jodaika nanao hoe: Mihainoa, ianareo, ny tenin’ny mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Asiria!
14
Izao no lazain’ny mpanjaka: Aza mety hofitahin’i Ezekiasa ianareo, fa tsy hahavonjy anareo izy.
15
Ary aza mety hotaritin’i Ezekiasa hatoky an’i Iaveh, hataony hoe: Hamonjy antsika tokoa i Iaveh, ary tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria ity tanàna ity.
16
Aza mihaino an’i Ezekiasa ianareo fa izao no tenin’ny mpanjakan’i Asiria: Manaova fanekem-pivavahana amiko, ary maneke ahy ianareo, dia samy hihinana ny voaloboka aman’aviaviny, sy hisotro ny rano eo amin’ny dobo famorian-dranony avy ianareo;
17
mandra-piaviko hitondra anareo, ho any amin’ny tany toy ny anareo, dia tany misy vary aman-divay, tany misy mofo amam-boaloboka.
18
Aza mety hambosin’i Ezekiasa ianareo, ataony hoe: Hamonjy antsika i Iaveh? Moa misy andriamaniny ny firenena nahavonjy ny taniny, tamin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria va?
19
Aiza ny andriamanitr’i Emata sy i Arfada? Aiza ny andriamanitr’i Sefarvaima? Moa nanafaka an’i Samaria tamin’ny tanako va ireny?
20
Iza tamin’ireo andriamanitry ny firenena rehetra ireo no nahavonjy ny taniny tamin’ny tanako, no hahavonjen’i Iaveh an’i Jerosalema amin’ny tanako?
21
Nangina tsy nisy namaly izy ireo na dia teny indraimbava aza, satria efa nodidian’ny mpanjaka hoe: «Aza mamaly azy ianareo.»
22
Dia nankany amin’i Ezekiasa i Eliasima zanak’i Elkiasa lehiben’ny ao an-dapa, sy i Sobnà mpanoratra, ary i Jôahe zanak’i Asafa mpitahiry ny bokim-panjakana, ka nambarany taminy ny tenin’ny lehiben’ny mpandroso divay, ary samy voatriatra ny fitafiany.
← Chapter 35
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 37 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66